- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kazkahstan: Tsy Fahombiazana sy Fanitarana Fanjakana

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2008) 

Raha toa ka mbola manohy ny dingana mankany amin'ny fanitarana ireo sehatra ahazoam-bola sy stratejika bebe kokoa ny fanjakana, sady manao ihany koa ny fanavaozana anatiny ny ara-pitantanana, miresaka momba ny fahombiazan'ny biraom-panjakana kosa ireo blaogera ao Kazakhstan.

Mitatitra momba ny fikasan'ny manampahefana hanohy ny famerenana ny fifampiraharahana amin'ireo vahiny mampiasa vola ao amin'ny firenena ny KZBlog:

”Ankoatr'izany, tsy tokony ho ny orinasa mpamokatra solika irery ihany no kendren'ireo famerenana fifampiraharahana ireo. Iharan'ny tsindry ny Arcelor Mittal, ilay goavan'ny vy, izay ny toeram-pitrandrahany dia nanintona ny mason'ny vahoaka noho ireo loza nahafaty mpitrandraka maro tany amin'ny faramparan'ny taona 2007 sy tamin'ny 2006. Mino ireo mpitsikera fa raisin'ny fanjakana ho harem-pirenena ireo orinasa mitrandraka harena an-kibon'ny tany, amin'ny alàlan'ny fanafoanana fifanarahana izay tsy manome fahafahana feno na anjara lehibe amin'ny tombontsoa.”

Manohana bebe kokoa ny fanomezana fotoan-tsarotra ny Arcelor Mittal i Zhanna Zhukova:

”Farany, nitranga ihany ilay izy – taorian'ny andiana loza maro, rehefa matin'ny fipoahana teny amin'ireo toerana fitrandrahana arintany an'ny sampana Kazakh-n'ny Arcelor Mittal tany Temirtau, ireo mpitrandraka niisa am-polony maro – nanao hetsika hentitra ny fanjakana. Nandritra ny taona maro, nanakipy ny masony mikasika ireo fanitsakitsahana ny fenitra arak'asa sy ny fiarovana tao anivon'ilay orinasa izy ireo”,

hoy i Zhanna, mitatitra momba ilay fanambaràna nataon'ny minisitry ny vonjy taitra, Vladimir Bozhko, mikasika ny mety ho fanafoanana ny fahazoandàlana hanao asa fitrandrahana raha tsy mamaly ny fepetran'ny fanjakana ny Arcelor-Mittal .

Etsy ankilany kosa, somary mahaliana ny mijery ny fomba nanoheran'ilay mpahay toekarena sady efa minisitra taloha, Zeinulla Kakimzhanov. Vao haingana, nivoaka niaraka tamin'ny tafatafa maromaro izy, mitsikera ny politika ara-toekarenan'ny fanjakana. Nilaza ihany koa izy fa efa naneho ny heviny sy ny sosokeviny teo aloha, tamin'ny alalan'ny fantsom-panjakana ofisialy, fa ”tsy zatra tsikera ny biraom-panjakana ao Kazakhstan” – ary toa marina ny azy:

”Fotoana vitsy taorian'ireo dingana ireo, noroahana tamin'ny toerana naha-lohan'ny Tahirim-bolam-panjakana azy tao Kazakhstan i Kakimzhanov ”, hoy ny tatitry ny [1] neweurasia [ru]

Manazava [2] ny antony mahatonga izany i Megakhuimyak, ary mampahatsiahy ny fanavaozana ara-pitantanana ankehitriny, izay manombatombana ny fampihenana ny mpiasa any amin'ireo sampandraharaham-panjakana:

”Misy fandinihana hendry: arakaraky ny hanenanao ny mpiasa, vao mainka mitombo izany. Vokatry ny fitsoahan'ireo atidoha ny firefarefan'ny fahombiazan'ny ankamaoan'ireo masoivohom-panjakana, ny fahabetsahan'ny vola entina manodina ary ny tsy fahampian'ny herim-pamokarana manana fahaizamanao, izay miafara amin'ny toe-javatra hoe mankany amin'ny biraom-panjakana ny olona, tsy hanao ny asany, fa hitady vola”.

Tena kivy amin'izany i Mantrovkz, ary milaza fa mihamihena ny fahalalana ny rariny, miondrika manoloana ny fivavahana aminà fahefana batritra sy ny faniriana ao am-po tsy miloaka ny tombontsoa, amin'ny tsy fisian'ny hevitra ho fampiraisam-pirenena. Mandritra izany fotoana izany, nanadihady [3] ny lisitra farany navoakan'ny Forbes momba ireo mpanapitrisa i sarimov:

”Fantatrao ve fa ny harena voaangon'ireo Kazakh 8 mpanapitrisa dia mitentina mihoatra ny $22.8 lavitrisa , izany hoe mbola ambony noho ny $22.6 lavitrisa an'ny Tahiry Nasionaly ho an'ny Solika! Eritrereto ankehitriny ny tokony ho halehiben'ny Tahiry Nasionaly, raha nanana toekarena sy politika ara-dalàna isika.” [ru].