- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Loka “Breaking Borders” Tao Amin'ny Vovonana GV 2010

Sokajy: Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny 10 Febroary 2010)

Loka vaovao noforonin'ny Google [1] sy ny Global Voices [2] ny loka Breaking Borders [3] (Mandrava Sisintany) ary tohanan'i Thomson Reuters [4] ho fanomezam-boninahitra ireo tetikasan'ny tranonkala miavaka ataon'ny olon-tsotra na vondrona izay maneho ny herimpo, tanjaka ary saina amin'ny alàlan'ny fampiasana ny Aterineto mba hampiroboroboana ny fahalalaham-pitenenana. […]

Nambara tao amin'ny Vovonan'Olompirenena Mpampita Vaovao Global Voices 2010 [5] , tao Santiago, Shily ny 6 sy 7 Mey 2010 ny mpandresy tamin'ny Breaking Borders.

Tsidiho ny tranokalan'ny Vovonana [5] raha te hahafantatra ny mombamomba [6] ny tanjona tamin'ity fivoriana ity ianao, ny fandaharam-potoana [7], ary ny antsipiriany momba ny fisoratana anarana .

Nofenoina ny fandaharam-potoana tao anatin'ny andro vitsivitsy, nampidirina ny mombamomba ireo mpandray fitenenana, ny lisitr'ireo mpandray anjara sy ny maro hafa, ary notohizana ny fanarahana  ireo bilaogin-dahatsoratra sy ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpandray anjaran'ny Vovonana sy ny hafa tao amin'ny tranonkala, ary ny fandraisana anjara tao amin'ny resadresaka ihany koa.

Azo natao ihany koa ny nanampy tamin'ny fampielezana ny momba ny Vovonana Global Voices sy ny Breaking Borders tamin'ny alalan'ny fanehoana ny iray tamin'ireo karatra na faneva [8] momba ny Vovonana tao amin'ny bilaoginao na ny tranonkalanao.

Nisokatra ho an'ny  firenena rehetra ny loka Breaking Borders. Ireo manam-pahaizana tamin'ny sehatry ny fahalalaham-pitenenana no nifantina ireo mpandresy. Notolorana lelavola mitentina 10.000$ avy ireto sokajy telo ireto:

1. Advocacy, nomena ny mpikatroka na vondrona izay nampiasa fitaovana antserasera mba hampiroboroboana ny fahalalaham-pitenenana na nandrisika ny fiovana politika

2. Teknolojia, nomena ny olona na vondrona izay namorona fitaovana iray manan-danja izay ahafahana maneho ny fahalalaham-pitenenana sy manitatra ny fahazoam-baovao

3. Politikan-dalàna, nomena ny mpamaritra politika, tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta na mpitarika ONG izay nandray anjara mavitrika teo amin'ny sehatra

Tao amin'ny http://breakingborders.net [3] no nanaovana ny fisoratana anarana sy ny vaovao fanampiny momba ny Loka Breaking Borders ary tapitra ny 15 Febroary 2010 izany.

Ny fametrahana fanontaniana rehetra ihany koa dia nalefa tao amin'ny nomination@breakingborders.net  .