(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)
Ny 18 aprily 2010, natao manerana izao tontolo izao ny Dow Live Earth Run for Water. Ahitana andiana hazakazaka/mandeha miadana amin'ny halavirana 6 km ity hetsika ity, izay mampiseho ny halavirana antonony handehanan'ny vehivavy sy ny ankizy isan'andro mba hahazoana rano, izay nitranga nandritra ny 24 ora tany amin'ny firenena maro manerana izao tontolo izao, manasongadina fampisehoana sy hetsika fanabeazana momba ny rano nikendrena hanatrarana teboka iray hanampiana amin'ny famahana ny krizin'ny rano, araka ny nomarihan'ny [1] tranonkala ofisialy.
Tanàna hatrany Le Cap, Chicago, Hong Kong, Londres, Los Angeles, Milan, Melbourne, Mexico City, Minneapolis, New York, Sao Paulo, Toronto, Singapore, Stockholm, Rio de Janeiro, Washington DC, Manchester, sy ny hafa no ao anisan'ny mandray anjara amin'ity fanentanana goavana ity.
Tsy niavaka i Lima, renivohitra Peroviana. Ny alahady maraina, nandray ireo mpihazakazaka sy mpandehandeha nandray anjara tamin'ny hazakazaka ny distrikan'i Miraflores [2].

Toeram-piaingana – Lapan'ny Tanànan'i Miraflores no ao ambadika.

Toeram-piaingana avy amin'ny zoro iray hafa
Manomboka ny lahatsorany navoaka ny andro talohan'ny hazakazaka ny Paradero 20 [es] [3], bilaogy ahitana mpanoratra sy mpiara-miasa maromaro:
Sí generamos conciencia, generamos un cambio. El mundo sufre de escasez de agua. Países como Irak, Siria, Jordania y algunas zonas de Turquía y Líbano han sufrido los devastadores efectos de la peor sequía que el Medio Oriente ha vivido en décadas. Sin ir muy lejos, en el Perú la pérdida de reservas de nieve y pronósticos de poca lluvia nos podrían dar el mismo panorama.
Bilaogera avy ao Hola es un Gusto [es] [4] mizara ny antony mahatonga azy hanohana ity hetsika ity:
Por eso apoyamos “Corre por el agua 6k”, carrera que tenemos la obligación de apoyar para generar conciencia sobre un recurso sin el cual la vida no sería posible.
Angélica Pereyra avy ao amin'ny bilaogy El Contact [es] [5] nanampy lahatsary sy hafatra tahaka izao:
Más de 190 ciudades participan el mismo día del mayor evento mundial para solucionar la crisis del agua. Sumate!!
Nilaza [6] ny Live Earth fa isan-taona, olona 1,8 tapitrisa (90% amin'izy ireo dia zaza latsaky ny 5 taona) no matin'ny areti-pivalanana. Amin'ny taona 2025, roa ampahatelon'ny mponina manerana izao tontolo izao no mety hiaina toe-javatra sarotra noho ny tsy fisian'ny rano.

Toeram-pamaranana
Ao Però, nitombo [7]30 ka hatramin'ny 63% tao anatin'ny 28 taona ny fahazoan-drano. Ary nisy ny fandrosoana momba ny fanadiovana rano fisotro sy fikarakarana tatatra fandehanan'ny rano maloto. Na izany aza, mbola maro ny fanamby, avy amin'ny Wikipedia:
- Insufficient service coverage.
- Deficient sustainability of built systems.
- Tariffs that do not cover the investment and operational costs, as well as the maintenance of services.
- Institutional and financial weakness.
- Excess of human resources, poorly qualified, and high staff turnover.
- Tsy ampy fandrakofana ny tolotra.
- Tsy maharitra ny rafi-panorenana (fotodrafitrasa).
- Vidiny tsy mandrakotra ny fampiasam-bola sy ny vola laniana amin'ny fampandehanana, ary ny fikojakojana ny tolotra.
- Marefo ny ara-drafitra sy ny ara-bola.
- Betsaka loatra ny olona, tsy matihanina ary mifandimby be loatra rehefa miasa
AndanBesides nilaza fa zava-dehibe foana ny manentana ny mponina amin'ny halehiben'ny fampiasana ara-drariny an'ity harena voajanahary iankinan'ny aina ity.
Naoty: nopihan'ny mpanoratra avokoa ny sary rehetra.