Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Però: Manentana Momba Ny Olan'ny Rano Ny Mponin'i Lima

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)
LiveEarth

Ny 18 aprily 2010, natao manerana izao tontolo izao ny Dow Live Earth Run for Water. Ahitana andiana hazakazaka/mandeha miadana amin'ny halavirana 6 km ity hetsika ity, izay mampiseho ny halavirana antonony handehanan'ny vehivavy sy ny ankizy isan'andro mba hahazoana rano, izay nitranga nandritra ny 24 ora tany amin'ny firenena maro manerana izao tontolo izao, manasongadina fampisehoana sy hetsika fanabeazana momba ny rano nikendrena hanatrarana teboka iray hanampiana amin'ny famahana ny krizin'ny rano, araka ny nomarihan'ny tranonkala ofisialy.

Tanàna hatrany Le Cap, Chicago, Hong Kong, Londres, Los Angeles, Milan, Melbourne, Mexico City, Minneapolis, New York, Sao Paulo, Toronto, Singapore, Stockholm, Rio de Janeiro, Washington DC, Manchester, sy ny hafa no ao anisan'ny mandray anjara amin'ity fanentanana goavana ity.

Tsy niavaka i Lima, renivohitra Peroviana. Ny alahady maraina, nandray ireo mpihazakazaka sy mpandehandeha nandray anjara tamin'ny hazakazaka ny distrikan'i Miraflores.

Starting point - Miraflores city hall at the back

Toeram-piaingana – Lapan'ny Tanànan'i Miraflores no ao ambadika. 

Starting point from another perspective

Toeram-piaingana avy amin'ny zoro iray hafa

Manomboka ny lahatsorany navoaka ny andro talohan'ny hazakazaka ny Paradero 20 [es], bilaogy ahitana mpanoratra sy mpiara-miasa maromaro:

Sí generamos conciencia, generamos un cambio. El mundo sufre de escasez de agua. Países como Irak, Siria, Jordania y algunas zonas de Turquía y Líbano han sufrido los devastadores efectos de la peor sequía que el Medio Oriente ha vivido en décadas. Sin ir muy lejos, en el Perú la pérdida de reservas de nieve y pronósticos de poca lluvia nos podrían dar el mismo panorama.

Raha mahavita fanentanana (fanairana) isika, dia miteraka fiovana. Mijaly noho ny tsy fisian'ny rano izao tontolo izao. Miaritra ny voka-dratsy mahatsiravina nateraky ny haintany ratsy indrindra niainan'ny Afovoany Atsinanana am-polony taona maro ny firenena toa an'i Iraka, Syria, Jordania ary faritra sasany avy any Torkia sy Libanona. Ohatra, aty Però, mety hiafara tahaka izany ny fahaverezan'ny tahirin-dranomandry sy ny fanambarana mialoha ny toetr'andro ho vitsy orana.

Bilaogera avy ao Hola es un Gusto [es] mizara ny antony mahatonga azy hanohana ity hetsika ity:

Por eso apoyamos “Corre por el agua 6k”, carrera que tenemos la obligación de apoyar para generar conciencia sobre un recurso sin el cual la vida no sería posible.

Izany no mahatonga anay manohana ny “Mihazakazaka ho an'ny Rano (amin'ny halavirana 6km)”, hazakazaka tsy maintsy tohananay mba hanentanana momba ny harena voajanahary izay iankinan'ny aina.

Angélica Pereyra avy ao amin'ny bilaogy El Contact [es] nanampy lahatsary sy hafatra tahaka izao:

Más de 190 ciudades participan el mismo día del mayor evento mundial para solucionar la crisis del agua. Sumate!!

Tanàna mihoatra ny 190 no mandray anjara amin'ny hetsika lehibe manerantany ho famahana ny krizin'ny rano amin'io andro io. Tongava!!

Nilaza ny Live Earth fa isan-taona, olona 1,8 tapitrisa (90% amin'izy ireo dia zaza latsaky ny 5 taona) no matin'ny areti-pivalanana. Amin'ny taona 2025, roa ampahatelon'ny mponina manerana izao tontolo izao no mety hiaina toe-javatra sarotra noho ny tsy fisian'ny rano.

Finishing line

Toeram-pamaranana

Ao Però, nitombo 30 ka hatramin'ny 63% tao anatin'ny 28 taona ny fahazoan-drano. Ary nisy ny fandrosoana momba ny fanadiovana rano fisotro sy fikarakarana tatatra fandehanan'ny rano maloto. Na izany aza, mbola maro ny fanamby, avy amin'ny Wikipedia:

  • Insufficient service coverage.
  • Deficient sustainability of built systems.
  • Tariffs that do not cover the investment and operational costs, as well as the maintenance of services.
  • Institutional and financial weakness.
  • Excess of human resources, poorly qualified, and high staff turnover.
  • Tsy ampy fandrakofana ny tolotra.
  • Tsy maharitra ny rafi-panorenana (fotodrafitrasa).
  • Vidiny tsy mandrakotra ny fampiasam-bola sy ny vola laniana amin'ny fampandehanana, ary ny fikojakojana ny tolotra.
  • Marefo ny ara-drafitra sy ny ara-bola.
  • Betsaka loatra ny olona, tsy matihanina ary mifandimby be loatra rehefa miasa

AndanBesides nilaza fa zava-dehibe foana ny manentana ny mponina amin'ny halehiben'ny fampiasana ara-drariny an'ity harena voajanahary iankinan'ny aina ity.

Naoty: nopihan'ny mpanoratra avokoa ny sary rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.