Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

01 Avrily 2018

Tantara tamin'ny 01 Avrily 2018

Però: Manentana Momba Ny Olan'ny Rano Ny Mponin'i Lima

Ny 18 aprily 2010, natao manerana izao tontolo izao ny Dow Live Earth Run for Water. Ahitana andiana hazakazaka/mandeha miadana amin'ny halavirana 6 km ity hetsika ity, izay mampiseho ny halavirana antonony handehanan'ny vehivavy sy ny ankizy isan'andro mba hahazoana rano

Ny Loka “Breaking Borders” Tao Amin'ny Vovonana GV 2010

Loka vaovao noforonin'ny Google sy ny Global Voices ny loka Breaking Borders (Mandrava ny Sakana) ary tohanan'i Thomson Reuters ho fanomezam-boninahitra ireo tetikasan'ny tranonkala miavaka ataon'ny olon-tsotra na vondrona izay maneho ny herimpo, tanjaka ary saina amin'ny alàlan'ny fampiasana ny Aterineto mba hampiroboroboana ny fahalalaham-pitenenana. 

Azerbaijan: Fandalinana Boky

Naneho hevitra momba an'i Artush sy Zaur, ilay bokin-tantaram-pitiavan'ny pelaka izay miresaka momba ny tantaram-pitiavana nisy teo amin'ireo lehilahy Armenianina sy Azerbaijani, i Scary Azeri in Suburbs. Nilaza ilay bilaogera fa raha niezaka mafy ny handresy ny fady ilay boky, dia hitany fa mahatsikaiky kokoa ilay izy fa tsy manohina rehefa...

“Ny Araben'ny Androany” Zava-misy ao Tokyo Asehon'ilay YouTuber Mimei

Bilaogeran-dahatsary malaza monina ao Tokyo, Mimei mampiseho ireo arabe isan-karazany ao amin'ny tanàna be mponina indrindra ao Japana, iray isan'andro ao amin'ny YouTube, Instagram, Twitter sy fantsona media sosialy hafa.