Marsa, 2018

Tantara tamin'ny Marsa, 2018

Ny Zava-misy Mahafadiranovan'ny ‘Amerikana Tsy Nahy’

Ny Tetezana - The Bridge  28 Marsa 2018

"Ao amin'ity tontolo mahafadiranovana ity, mitàna toerana manokana ianao... Tsy Amerikana any ampitan-dranomasina ianao, tahaka ireo 9 tapitrisa hafa. Tsy mbola nanana finamanana na fifandraisana amin'ny manampahefana Amerikana ianao. Tsy manana taratasy Amerikana afa-tsy ny taratasy fanamarinam-piterahanao ianao.."

Kambodza: Hiverina Hanao Politika Ny Printsy Ranariddh

  28 Marsa 2018

Nampanantena fa havitrika indray amin'ny politika ny Printsin'i Kambodza, Norodom Ranariddh, izay Praiministra teo aloha sady mpitarika ny antoko Royalista tao amin'ny firenena. Niala tao amin'ny firenena izy roa taona lasa izay taorian'ny fizarazaran'ny antokony sy ny fiampangana azy ho nanao fanodinkodinam-bola tamin'ny fotoana tsy nahateo azy.

Tsy Mitsahatra Velively Ny Ady Amin'ny Fanamombàna Ao India

  27 Marsa 2018

Tamin'ny taona 2013-14, fanamombàna 4 tapitrisa no natao tany India, ka 100.000 monja no natao tamin'ny lehilahy. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa mandany 85% amin'ny teti-bolany amin'ny fandrindrana ny fianakaviana amin'ny fanamombàna i India. Tamin'ny taona 2014, vehivavy 15 no maty tao amin'ny fanjakan'i Chhattisgarh noho ny fanamombàna tandrevaka amin'ny tobim-panjakana.

Libanona: Olona Miisa 90 No Voalaza Fa Maty Tamin'ny Fianjeran'Ilay Fiaramanidina Ethiopian Airlines Tany An-dranomasina

Niraradraraka tao amin'ny Twitter ny teny fampiononana taorian'ny nianjeran'ilay fiaramanidina Ethiopian Airlines tany amin'ny faritr'i Mediteranea minitra vitsy taorian'ny nialany tany Beirota, Libanona. Voalaza fa maty avokoa ireo olona miisa 90 tao anatiny rehefa nirehitra nandritra ny kotro-baratra ilay fiaramanidina  ka nianjera tany an-dranomasina.