Marsa, 2018

Tantara tamin'ny Marsa, 2018

Liberia : Tetikasa “CeaseFire Liberia” Mitantara Ny Krizy Ao Lofa

Rising Voices  29 Marsa 2018

Nahitàna herisetra indray tao Liberia vao haingana: tovovavy iray no nisy namono, ho valifatin'izany, 4 hafa ihany koa nisy namono tahaka izany tao amin'ny faritra Lofa ao avaratry ny firenena. Nandritra ny korontana, nisy nandoro ireo fiangonana sy ny moskea. Nitantara momba izany korontana izany ny Global Voices.

Kazakhstan: Toetry Ny Firenena

  28 Marsa 2018

Tsy mandalo mihitsy eo ambany mason'ny mpitoraka bilaogy ny hetsika ara-politika goavana eo amin'ny firenena. Tamin'ity heriandro ity izao dia fotoana nandraisan'ny filoham-panjakana ao amin'ny firenena fitenenana. Tsy faly tamin'ny fandrakofan'ireo fantso-pahitalavitra sy ireo gazety rehetra eo ambany fanaraha-mason'ny fanjakana momba ilay fanentanana..... ny mpitoraka bilaogy.

Kyrgyzstan: Leo Hetsi-panoherana?

  28 Marsa 2018

Ampahavitrihana no nandalinan'ireo blaogera ny fanapahan-kevitry ny governemanta Kyrgyz mba hanao ny 24 Martsa - andron'ny fikomiana malaza tamin'ny 2005 - ho fety nasionaly iray. Fanitsiana natao tamin'ny Lalàna mifehy ny Asa Kyrgyz, izay milaza manomboka izao fa ny 24 martsa dia ho andro ofisialy hankalazaina toy ny Andron'ny Revolisionan-Bahoaka. Ratsy be ny fanehoankevitra avy amin'ny tontolom-bolongana Kyrgyz amin'ny ankapobeny