- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Armenia: Mahatsiaro Ny Vono Olona Tao Budapest

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Azerbaijan, Hongria, Ady & Fifandirana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanamarika ny faha-dimy taona namonoana an'i Gurgen Margarian, 26 taona, manamboninahitra Armeniana nanatrika ny programa Fiarahamiasan'ny OTAN momba ny Fandriampahalemana tany Budapest, Hongria ny andron'ny omaly. Maty novonoin'i Ramil Safarov, Azerbaïdjani nanatrika izany fotoana izany koa, tamin'ny alalan'ny famaky izy raha tao anatin'ny torimaso, notsarovana tamin'ny alalan'ny lahatsoratra manokana nosoratan'ireo bilaogera Armeniana sasany i Margarian.

https://youtube.com/watch?v=NSjivaQdMS

Sary Daporama [1] misy ny fahatsiarovana ny 19 Febroary 2009 tany Yerevan, Armenia

Noraisin'ny maro any Azerbaijana ho mahery fo i Safarov noho ny ady mangidy amin'ny faritra iadiana ao Nagorno Karabakh, Armeniana marobe kosa anefa no milaza fa ny fihetsik'i Safarov dia manaporofo fa tsy afaka miara-miaina velively ireo vahoaka roa ireo. Namoaka sora-baventy fahatsiarovana ahitana ny tarehin'i Margarian, misaintsaina ny zava-nitranga [2]Noni-no.

Any time I see this face I shudder. I shudder to realize the fact that this guy was murdered in such brutality and by a cold-blooded animal.

One wants to speak out, to say how one feels, but the words are really not enough….

[…]

Isaky ny mahita an'io endrika io aho dia mitoloko. Nangovitra aho nahatsapa ny zava-nisy fa novonoina tao anatin'ny herisetra tahaka izany io lehilahy io.

Misy ny te-hiresaka, mba hilaza izay tsapan'ny olona, ​​saingy tena tsy ampy ny teny….

517 Design nandefa sary [3] avy amin'ny fahatsiarovana ofisialy natao tao Yerevan ary naneho hevitra momba ny ezaka [4] nataon'ny Azeris sasany mba hamadika ilay mpamono ho maherifo.

Сегодня Рамиль Сафаров сидит с пожизненнымм сроком в Будапеште…. На родине у себя его успешно возвели в ранг национального героя за то что тот убил армянина. Поиск дать если в сети «Рамиль Сафаров», дает огромное колличество сайтов, видео на ютюбе призывающих либо освободить его вовсе, либо же экстрадировать в Баку, где естественно тот будет незамедлительно отпущен на свободу…

Migadra mandra-pahafaty ao Budapest i Ramil Safarov amin'izao fotoana izao….Nahavita nametraka ny tenany tao an-tanindrazany teo amin'ny laharan'ny maherifon'ny firenena izy noho izy nahavita namono Armeniana iray. Mitondra mankany amin'ny tranonkala [Azerbaijani] sy lahatsary YouTube mitaky ny famotsorana an'i [Safarov] na fampodiana azy any Baku [renivohitr'i Azerbaijan], izay toerana tokony hamotsorana azy ho afaka avy hatrany ny fikarohana ny teny hoe “Ramil Safarov”.[….]

Na dia nisy Azeris malaza sasany aza nanohitra ny ezaka hanomezam-boninahitra an'i Safarov, ary raha nanaparitaka sy nanakana ireo famoriam-bahoaka madinika manohana azy ny manampahefana ao Baku, nanonona ny sasany tamin'ireo tsy nanao izany [5] i Kevork.

[…] A drafted soldier or a committed volunteer fighter is different from an insane “patriot”, who [Azerbaijan officer Ramil Safarov] makes his way to Budapest, to find the Tesco supermarket for one reason only: “I feel sorry that I haven’t killed any Armenian” and put as simple as: “The only motivation for me for fight against Armenians and to kill as many as possible in the fight”.

[…] such people as the ones responcible for Human Rights issues from safarov's home republic declare : “r. safarov must become an example of patriotism for the Azerbaijani youth.” Elmira Suleymanova, the Ombudswoman of Azerbaijan.

[…] Let alone interesting literary characters such as Agshin Mehdiyev, Ambassador, Permanent Representative of Azerbaijan to the Council of Europe with his wise advise to the infidel Armenians, the guy: “does not advise Armenians to sleep safely until the Karabakh conflict is settled. Incidents like in Budapest cannot be ruled out.”

I am not sure that every single person from Azerbaijan could or would do the same and I am also not sure it is impossible to find someone in Armenia who would do so too. What I want to be sure about is that the society in the neighboring state does not accept this rotten food of the state-run policy of kill them, because then you get … I dont really know what exactly they get. […]

Rest in peace, Gurgen.

[…] Ny miaramila voaray na mpilatsaka an-tsitrapo vonona dia tsy mitovy amin'ny “olona tia tanindrazana” tsy misy saina, izay nankany Budapest [manamboninahitra Azerbaijana, Ramil Safarov], mba hijery fotsiny ny fivarotana lehibe Tesco ho antony tokana andehanana any: “Miala tsiny aho fa tsy namono Armeniana velively’ ary nametraka tsotra toy izao: “Ny antony manosika ahy hiady amin'ny Armeniana sy hamono betsaka araka izay azo atao amin'ny ady”.

[…] Manambara ny olona tahaka izany izay tompon'andraikitra momba ny zon'olombelona ao amin'ny repoblikan'i Safarov hoe: “Tokony ho ohatra amin'ny fitiavan-tanindrazana ho an'ny tanora Azerbaijani i R. safarov .” Elmira Suleymanova, vehivavy mpanelanelana ny vahoaka amin'ny mpitondra fanjakana any Azerbaijan.

[…] Avelao hanirery ireo olo-malazan'ny literatiora tahaka an'i Agshin Mehdiyev, ambasadera, solontena maharitr'i Azerbaijan ao amin'ny Vaomieran'i Eoropa miaraka amin'ny toroheviny feno fahendrena ho an'ireo Armeniana tsy manaiky, io olona io “tsy manoro hevitra ny Armeniana mba hatory am-pilaminana mandra-pijanonan'ny fifandonana any Karabakh. Tsy azo sorohina ny zava-nitranga tahaka iny tao Budapest iny.”

Tsy azoko antoka fa afaka na nanao toy izany ny tsirairay avy ao Azerbaijan ary tsy azoko antoka koa fa tsy ho afaka mahita olona ao Armenia izay hanao toy izany koa aho. Ny tiako ho azoko antoka dia ny fiarahamonina ao amin'ny firenena mifanolo-bodirindrina tsy manaiky ity sakafo lò amin'ny politikan'ny fanjakana amin'ny famonoana azy ireo ity, satria azonao … tsy fantatro loatra hoe inona marina no azon'izy ireo. […]

Mandria am-piadanana, Gurgen.