- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampaneno Lakolosy Fanairana Amin'ny Fifidianana ho Filoham-Pirenena Ao Costa Rica ny Mpiaro ny Zon'ny LGBTQI

Sokajy: Amerika Latina, Costa Rica, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

Mampanahy ny firaisamben'ny mpanao politika, ny tanora sy ny tarika liam-pandrosoana ny iray amin'ireo kandidà ho filoham-pirenena, Fabricio Alvarado, izay avy amin'ny vondrona ara-pivavahana ary nanolo-kevitra fa tokony hiala amin'ny Fitsarana momba ny Zon'olombelona eo amin'ny samy Amerikana i Costa Rica noho ny fanohanany ny fiarovana ny zon'ny olona LGBTQI. Saripikan'i Julieth Méndez. Nahazoana alalana.

Hifaninana amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena ao Kostà Rikà izay hotontosaina amin'ny 1 Aprily 2018 i Fabricio Alvarado Muñoz [1] sy Carlos Alvarado Quesada [2]. Manahy ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ny fiarahamonina LGBTQI fa raha mandresy ny kandidà ara-pivavahana Fabricio Alvarado, dia hiatrika loza izy ireo.

Avy ao amin'ny Partido de Restaruación Nacional (Antoko Fananeram-Pirenena), misolo tena ny antoko tena mpandala ny nentin-drazana indrindra eo amin'ny sehatra politika any Costa Rica i Fabricio Alvarado, mpanao salamo sady mpihira Kristiana. Carlos Alvarado Quesada kosa no misolotena ny Partido Acción Ciudadana (Antoko Hetsik’ Olom-pirenena – PAC).

Ny vondrona feminista Kosta Rikàna no tena manahy indrindra amin'ny tolo-kevitr’ [3]i Fabricio Alvarado tamin'ny fampielezan-kevi-pifidianana fa hanova ny Ivotoeram-Pirenen'ny Vehivavy (minisitera) ho lasa “Ivon-toeran'ny Fianakaviana” izy.

Nandritra ny fampielezan-kevitra tamin'ny fifidianana fihodinana voalohany, nifantoka tamin'ny sehatra politikany momba ny fandavana ny fanabeazana ara-pananahana amin'izao fotoana izao izay omena eny amin'ny sekolim-panjakana sy ny “ideolojian'ny mahalahy na vavy [4]“, tsirinkevitra mivezivezy eo anivon'ireo sehatra ara-politika mpandala ny nentin-drazana izay mandà ny hevitra [5] ny lahy sy ny vavy ho fananganana ara-tsosialy i Fabricio Alvarado.

Nahagaga ny maro  [6]fa i Fabricio Alvarado no nahazo ny fihodinana faharoa tamin'ny 25 isanjaton'ny vato.

Fandrahonana ny zon'ny LGBTQI?

Namoaka Tolo-kevitra [7] (OC 24/17) ny Fitsarana misahana ny Zon'Olombelona Samy Amerikana [8] ho setrin'ny fangatahan'ny governemanta Kostarikàna tamin'ny taona 2016. Mandidy ny Fanjakana hiantoka ny zon'ny olona sasany mifandray amin'ny mpifankatia mitovy taovam-pananahana sy ny famolavolan'ny tsirairay izay mari-panondroana maha-lahy na vavy azy.

Nanohitra ny fanapaha-kevitra i Fabricio Alvarado, [9] izay tafiditra ao anatin'ny sehatra fampielezan-keviny, ka nahazoany fanohanana avy amin'ireo vondrona ara-pivavahana mpandala ny nentin-drazana indrindra ao amin'ny firenena.

Nisy fiantraikany lehibe teo amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQI ny vokatr'ity adihevitra ity. Araka ny voalazan'ny Mandan'ny Zo Mitovy, nitombo ny isan'ny tatitra fanafihana am-bava sy ara-batana [10] an'ireo olona manan-tsafidy ara-pananahana isan-karazany hatramin'ny nisian'ny fifidianana, .

Tamin'ny 3 Febroary, nanasongadina ny maha-matotra [11] ny tolo-kevitr'i Fabricio Alvarado hiala amin'ny Fitsarana momba ny Zon'olombelona Iraisan'ny Amerikana [9] i Diego Delfino, mpanao gazety tsy miankina. Manohintohina ny fandrosoan'ny zon'olombelona ny fijerin'i Fabricio Alvarado ho an'i Delfino :

Todo lo que se nos aplaude y reconoce en el exterior por la abolición del ejército [12] se vendría al suelo si nos convirtiéramos en un país que desconoce la Convención Americana sobre Derechos Humanos firmada en 1969 […] Imaginen aquel escenario de bochorno global, Costa Rica, coqueteando con la Edad Media y pidiendo entrada en los rincones más oscuros del fundamentalismo que aún subsisten en el planeta.

Ho zava-poana ny tehaka sy ny fankasitrahana rehetra azontsika avy any ivelany noho ny fanafoanana ny tafika [13]raha lasa firenena  mandà ny Fifanarahana Amerikana momba ny Zon'olombelona nosoniavina tamin'ny taona 1969 isika[…] Sario ny tsy fankasitrahana manerantany, Costa Rica, miverina aminy amin'ny Vanin-taona Antenantenany ary mangataka hiditra ao amin'ny zoro maizin'ny fondamentalisma izay mbola misy eto amin'ny planeta.

Nanomboka ny fiainany hitam-bahoaka tao amin'ny vondrom-piarahamonina evanjelika i Fabricio Alvarado ary nanambara ny vinany amin'ny governemanta laika “saingy tsy maintsy misy an'Andriamanitra [14].” Nipetraka teo anivon-javatra maro dia maro miteraka adihevitra izy, anisan'izany ny fandraràna ireo depiote voafidy tsy hanao fanambarana [15]amin'ny media sy ny fidifiana tsy hanaovana adihevitra sy antsafa [16] amin'ny gazety.

Nanazava ilay mpikatroka Julia Ardón raha niresaka tamin'ny Global Voices, :

Fabricio deja de asistir a los debates donde estaba confirmada su asistencia y anuncia un equipo económico “de lujo”, un “dream team” con lo más selecto de la banca privada, economistas neoliberales, sin una propuesta sólida pero claramente comprometido con privatizaciones y el desmantelamiento del Estado de Bienestar, al mismo tiempo que denota un desdén absoluto por el respeto de los derechos humanos y los compromisos sociales del gobierno.

Tsy nanatrika ny adihevitra efa nanamafisany ny hahatongavany i Fabricio ary nanambara fa misy ny ekipa ara-toekarena “lehibe indrindra”, “dream team” iray nofantenana avy amin'ny banky tsy miankina, mpahay toekarena neo-liberaly, tsy misy tolo-kevitra matotra fa mampiharihary kosa ny fanoloratena hampanjaka ny fitantanan'ny tsy miankina sy handrava ny Tombontsoam-Panjakana, no maneho tsy firaharahiana velively ny zon'olombelona sy ny adidy ara-tsosialin'ny governemanta.

Fiarahana ara-politika sy ataon'olom-pirenena hiezahana manindry ny mizàna hitovy lanja

Noho ny tahotra fisongadinan'ny fondamentalisma, dia maro tsy misy toy izany hatramin'izay ny fisantaran'andraikitra nitsangana nanerana ny firenena. Ny fihaonana voalohany nataon'ny “Fiaraha-Mientana ho an'i Costa Rica [17]” dia notontosaina tamin'ny 10 febroary ary nantsoin'ny mpianatra sy ny tanora avy amin'ny antoko isan-karazany ary ireo mpandray anjara tsy manana antoko politika.

Ny tanjona iombonan'ny Fiaraha-mientana dia ny hanohana ny kandidà ho filoham-pirenena Carlos Alvarado an'ny Partido Acción Ciudadana (Antoko Hetsik'Olom-Pirenena-PAC), izay ahitana sehatry ny mpiaro ny zon'olombelona manondro ny olona LGBTQI, na dia maro aza ny Kostarikàna mandà ny hevitra ametrahana ny mariazy mitovy lanja [18].

Manazava ny vina sy ny iraka ataon'ny Fiaraha-Mientana ity lahatsary manaraka ity.

[Ao amin'ny lahatsary]: Olona anjatony no tonga niaraka tamin'ny fihaonana voalohany nataon'i Fiaraha-mientana ho an'i Costa Rica tamin'ny 10 febroary. Niverimberina izany tany amin'ny faritra maro ao amin'ny firenena nandritra ny tontolo andro ary efa nikasaina hitohy izany mandritra ny herinandro manontolo. Nitsangana ny vondron'asa maro mifototra amin'ny fari-piadidiana sy ny tombontsoa iombonana, tsy ijerena fironana politika. Satria matanjaka kokoa #IzaymampirayAntsika. Andao isika hifidy ho an'i Costa Rica amin'ny voalohany avrily.

Tamin'ny 5 Febroary, niantso ny mpanohana azy hifidy hanoherana ny kandidàn'ny PRN  Fabricio Alvarado ny antoko ankavia avy ao amin'ny Frente Amplio (Manda Matevina). Naneho ny fanohanany miharihary ny programan'ny governemantan'i Carlos Alvarado i Leonardo Garniere, minisitry ny fanabeazana teo aloha avy amin'ny Partido de Liberación Nacional (Antokom-Panafaham-Pirenena–PLN), anisan'ny olona politika kostarikana manan-daza io Leonardo Garniere io.

María Luisa Ávila, minisitry ny fahasalamana teo aloha, ary avy ao amin'ny PLN ihany koa, nanamafy [19] fa raha tsy te-hanatevin-daharana ny PAC aza izy, dia mbola hifidy an'i Carlos Alvarado ihany amin'ny fihodinana faharoa:

Es que lo que tenemos es una balanza y hay que decidirse. En mi caso, lo hice por Carlos, que tiene experiencia y una postura moderna en derechos humanos. Creo que es un muchacho que tiene la oportunidad de demostrar que aprendió de errores de su propio partido. […] Además, esto no es una adhesión al PAC, es solo apoyo para esta segunda ronda.

Mahita mizàna isika eto ary mila manapa-kevitra. Raha ho ahy dia mirona any amin'i Carlos aho, efa za-draharaha izy ary manana foto-kevitra maoderina eo amin'ny lafiny zon'olombelona. Mihevitra aho fa tanora manana fahavelarana haneho fa efa nianatra avy amin'ny fahadisoan'ny antoko misy azy izy. […] Fanampin'izany, tsy manatevin-daharana ny PAC aho, fa fanohanako azy amin'ny fihodinana faharoa izany.

Enrique Obregón mpanorina ny PLN naneho ny ahiahiny amin'ny fizotran'ny fifaninanana [20] sy ny fahateren'ny (fahakelezan'ny) safidy atrehin'ny mpifidy:

Tenemos un pastor protestante que emergió de la nada, con un partido político inexistente y que, de pronto (pretendiendo gobernar desde la religiosidad) cuenta con un apoyo popular inesperado. Y del otro lado, a un joven que apenas ha comenzado a hacer pinitos en la política, con un partido de cierta tradición pero con un gobierno sumamente cuestionado, presidido por un señor que nunca había sido de ese partido y a quién le cayó del cielo el cetro de presidente. Este es el hecho concreto al que se aboca la ciudadanía costarricense sin otra alternativa, sin otra posibilidad.

Mahita pasitera protestanta nivoaka avy amin'ny tsy fantatra isika, tsy manana antoko politika (fa mikasa ny hitantana ny firenena avy amin'ny toerana ara-pivavahana) ary nahazo fanohanana tsy nampoizina avy amin'ny vahoaka. Ary etsy andanin'izany, tanora lahy iray vao miana-mandeha eo amin'ny sehatra politika, ao amin'ny antoko iray efa manana tantara saingy efa mampanontany tena ny fomba nitondrany governemanta, antoko tarihin'ny lehilahy iray tsy mbola mpikambana tamin'antoko politika saingy hitahita taratra ho eo ampelatanany ny prezidansa. Izany no zavamisy sarotra atrehin'ny olompirenena Kostarikàna tsy misy safidy hafa na lalan-kafa izorana.

Ny kandidà ho filoham-pirenena teo aloha Rodolfo Piza, avy ao amin'ny Antokom-Piraisana Sosialy Kristiana (Partido Unión Social Cristiana, PUSC), no niresaka indrindra amin'ny fiaraha-mivondrona. Tamin'ny alakamisy 8 marsa, nanasonia fifanarahana hametrahana governemantam-pirenena iarahana amin'ny PAC i Piza, araka ny nolazain'i La Nación [21]:

Carlos Alvarado puede ayudarnos a garantizar un gobierno para todos los costarricenses y a garantizar el respeto a sus derechos y el respeto a la igualdad y a la equidad (…). Pude haber dejado que todo siguiera su curso, pero mi participación en política es un ejercicio de responsabilidad”,

Afa-manampy antsika i Carlos Alvarado hiantoka ny governemanta ho an'ny Kostarikàna rehetra sy hiantoka ny fanajana ny zony sy ny fanajana azy ireo ho amin'ny fitoviana sy ny hitsiny (…). Azoko atao ny mamela ny zavatra handeha amin'ny fandehany, saingy fanazarana fandraisana andraikitra ny fandraisako anjara amin'ny politika.

Fitsapan-kevitra maro [22] no mampiseho fa mety handresy amin'ny fandrotsaham-bato amin'ny amin'ny 1 avrily i Fabricio Alvarado. Na izany aza, ny fanadihadiana farany navoakan'ny Oniversiten'i Costa Rica [23] no manombana fifanakaikezana ara-teknika eo amin'i Carlos Alvarado mahazo ny 43 isanjaton'ny vato sy i Fabricio Alvarado mahazo ny 42 isanjato.

Mandritra izany fotoana izany, mifantoka amin'ny famoriana olona hifidy hanoherana ny tsy fandehanana mifidy izay nahatratra 34 isanjato [24] ny faribolan'ny tanora sy liam-pandrosoana amin'ny dingana voalohany. Izany no iankinan'ny mpiaro ny LGBTI.