- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Korea: Inona No Hataonao Raha Toa Ka Mahita Fitondrantena Mifanohitra Amin'ny Fenitra Ara-tsosialy Ianao?

Sokajy: Azia Atsinanana, Korea Atsimo, Mediam-bahoaka, Tanora, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2008)

Rehefa mahita olona na fitondrantena tsy mifanaraka amin'ny fenitra ara-tsosialy ianao, inona no ataonao? Indrindra raha toa ka avy amin'ny tsy ampy taona izany, mety mahatsiaro tena ho tokony hanao zavatra ve ianao amin'ny maha olon-dehibe anao? Mety ho azo raisina ho madio tahaka ny iheveranao azy ve izany ahiahinao izany? Manontany hevitra maro momba ny zava-niainany ny mpiserasera  [1]ao amin'ny vavahadin-tserasera iray ary tsy vitsy no azony tamin'izany.

내 성격에 도움이 필요한 사람을 보면 그냥 못 지나친다.지하철에서 무거운짐 들고 계단올라가는 할머니 보면 달려가서 들어 줘야하고
안 도와주면 집에와서 마음이 불편해서 살수가 없다.

근데… 나는 눈에 거슬리는 것을 봐도 그냥 못 지나친다.

얼마전에 아침에 운동을 나가는데 골목에서 교복입고 담배피우는 학생 두명을 봤다. 내가 다가가는데도 빤히 처다보면서 다리꼬고 앉아서 담배를 입에 물고 있길래 담배 끄라고 했는데도 멀뚱 멀뚱…순간 열받아서 면상을 손바닥으로 몇대 갈겼다.

그리고 몇 시간 후…경찰관이 그 학생들과 함께 우리집에 와서는 나를 조사할게 있다며 지구수비대로 데려갔다.

나는 경찰서에서 조서를 썼고 결국 단순폭행죄로 법원에 넘어갔다…

벌금형이 나올꺼 같다는데….

학생들이 담배피우건 말건 그냥 지나쳤으면 아무일 없었을것을 왜 끼어들어서 벌금내고 전과자 되고..ㅋㅋㅋㅋ

근데 웃긴건..
처음에 그 학생들이 나를 경찰에 신고할때 강도로 신고했다는 것이다. 물론 조사 과정에서 아니라는게 들어나서 단순폭행죄로 낚겼지만..

전과자 되는거 정말 우습다…나도 이제는 다른 사람들처럼 남일에 끼어들지 않기로 했다.

Tsy afaky ny handalo olona mila fanampiana aho. Raha toa ka mahita ramatoa lehibe mandeha tohotohotra aho ary mitondra zavatra mavesatra any amin'ny lalamby ambanin'ny tany, tsy maintsy mihazakazaka mankeny aminy ary manampy azy. Raha toa ka andalovako fotsiny izy, tsy hahazo aina ny foko rehefa tonga any an-trano.

Fanampin'izany koa, tsy afaka mandalo fotsiny ny zavatra tsy azo ekena aho. Andro maromaro lasa izay, nivoaka hanao fanatanjahantena aho. Nahita mpianatra roa nanao akanjon-tsekoly sady nifoka sigara tao amin'ny lalankely iray aho. Na dia nandeha akaiky aza aho, nojereny fotsiny ary notazoniny tamin'ny vavany mihitsy aza ilay sigara, nakambany ny tongony roa. Na niteny azy hanala ireo sigara ireo aza aho, dia mbola nobanjininy ihany. Tezitra aho ary nolakoiko im-betsaka ny tavan'izy ireo.

Ary ora maromaro taty aoriana… nankany an-tranonay nitondra polisy ireo mpianatra ireo ary nangataka ahy ny hanaraka azy ireo mba hohadihadiana. Nanoratra tatitra tao amin'ilay biraon'ny polisy aho ary nalefa tany amin'ny fitsarana ny raharahako noho ilay daroka. Toa mety hahazo sazy ara-bola aho.

Na mifoka aza ny mpianatra, tokony nolalovako izy ireo. Fa tsy afaka nanao izany aho. Noho izany, tsy maintsy handoa sazy aho ary mety ho lasa mpanao heloka bevava. Ny tena mampihomehy dia… rehefa nitatitra ahy tamin'ny voalohany tany amin'ny polisy ireo mpianatra, nilaza izy ireo fa mpangalatra aho. Mazava ho azy voaporofo fa tsia izany rehefa nandeha ny fanadihadiana.

Tena mora kely ny hahalasa ho mpanao heloka bevava… Tsy tokony hiditra amin'ny fiainan'ny hafa intsony aho manombok'izao.

Ireto misy hevitra maromaro mahaliana.

당신이 무슨권리로 애들을 떄리나? 전과자 된거 당연하네

Zo inona no mamela anao hilako azy ireo? Mazava ho azy fa ianao no ho olon-dratsy amin'izany.

모 일단 폭력은 잘못된 거지만… 후우… 담배피는 학생들 머리몇번 쥐어박은걸로 전과자가 되기에는 세상이 좀 우습지 않나요? 후우…앞으로는 부모가 자식을 혼내도 전과자가 되는 세상이 올지도 모른다는 생각이 드네요.

Na izany aza, tsy mety ny herisetra… huh… Fa tsy mba mampihomehy ve ity tontolo ity noho ny maha lasa anao ho mpanao heloka bevava satria milako mpianatra mifoka sigara? Manombok'izao, mety hiova izao tontolo izao, amin'izay ny ray aman-dreny izay manasazy ny zanany dia ho lasa mpanao heloka bevava avokoa.

고등학생이 담배를 어디서 구했을까요?? 그것도 불법 아닌가요???세상이 거꾸로 돌아가네요..,글쓴분처럼 사회를 생각하는 사람이 드문데..,그런 사람을 전과자로 만들다니

Taiza no mety nahazoan'ireo mpianatra ireo sigara? Tsy voararan'ny lalàna angaha moa izany? Mivadika ve izao tontolo izao eh? Tsy betsaka ny olona miraharaha ity fiarahamonina ity toy ny mpanoratra… dia nataontsika ho mpanao heloka bevava izy.

저도 같은 학생입니다만 길가에서 당당하게 담배피는 또래 애들보면 한심하더라구요. 나이훨씬많으신 어른의 입장에서 그런 학생보고 답답하신건 이해합니다. 버릇없이 잘못한 줄도 모르고 당당하게 쳐다보는 눈빛에 화도 나셨겠죠 하지만 떄리신 건 잘못했다고 생각합니다. 경찰에 신고하시던가 좀더 현명한 방법이 있지 않았나 싶습니다 […]

Amin'ny maha-mpianatra ahy ihany koa, ohatra ny mampalahelo ny mijery ireo mpianatra mifoka eny an-dalana. amin'ny maha olon-dehibe kokoa ahy miohatra amin'izy ireo, azoko tsara fa mety navesatra taminy ny nijery ireo mpianatra. Mety adala izy nijery ny fikivalavalàna sy ny tsy fahalalam-pomban'izy ireo, fa tsy mety ny filakoana azy ireo amiko. Tokony fomba hendry toy ny mitoroka azy ireo any amin'ny polisy.[…]

저도 담배를 피우는 아이들을 보면 그냥 지나치치못하는 사람중의 하나입니다…처음엔 말로 뭐라고하는 경우가 대부분이죠 하지만 숫자가 많거나 좀 논다하는것들은 니가 뭔데 라는 표정으로 쳐다보죠 담배도 안끄고 말이죠… 그럼 어쩔수없습니다 숨어서 담배를 피우는 아이들이면 그냥 타이르지만 대로변에서 사람들이 많이 오가는 거리에서 교복을 입은채로 담배를 피우는 아이들을 그냥 어른이 말로한다고 들을거같습니까?? 제생각엔 어른 무서운줄알아야하고 청소년이 담배를 피우는게 잘못되었다라는걸 가르켜줘야하는게 어른이라고생각합니다.

Izaho ihany koa anisan'ireo tsy afaka ny mandalo fotsiny ireo mpianatra mifoka. Tamin'ny voalohany, nampitandrina am-bava azy ireo fotsiny aho. Fa raha be loatra ny isan'ireo tsy ampy taona mifoka, na zaza ireo maditra ireo, mivandraka ahy fotsiny izy ireo ary tsy manala ilay sigara… dia tsy afaka manao na inona na inona ianao. Mihevitra ve ianao fa hihaino anao izy ireo? Mifoka eny amin'ny arabe feno olona ary manao akanjon-tsekoly izy ireo. Tokony hampianarin'ny olondehibe azy ireo ny fanajàna ny olon-dehibe, sy ny hoe ratsy ny tanora mifoka sigara.