- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kostà Rikà: Mihatra Ny Lalana Vaovao Momba Ny Fifamoivoizana

Sokajy: Amerika Latina, Costa Rica, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tsidika

(Marihana fa efa tamin'ny volana Marsa taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tato anatin'ny herinandro vitsivitsy, nanohy niady hevitra, naneho hevitra, ary nitsikera ny lalàna vaovao momba ny Fifamoivoizana izay nihatra tamin'ny voalohan'ny herinandron'ny volana Martsa ny tontolon'ny bilaogy Kostà Rikàna. Maro no naneho ny tsy fahafaham-pony tamin'ny soso-kevitra naroso tao amin'ny lalàna vaovao.

Maro no tsy miombon-kevitra amin'ny sazy ara-bola goavana ho an'ireo mandika ny lalàna vaovao. Ankoatra izay, tsy dia nisy ny fampihenana ny sazy, araka ny efa nantenaina [1]. Ny fitomboan'ny onitra dia midika bebe kokoa vola ho an'ny Minisiteran'ny Vola Miditra, mpanao politika, ary koa ho an'ny polisy misahana ny fifamoivoizana. Nacho ao amin'ny Media Blog [es] nanoratra [2]! hoe:

Algunas de estas leyes son buenas. Pero la mayoría son puras estupideces que sirven para que los tráficos sean más corruptos y cobren para no hacer partes, y lo que cobran es plata para que los diputados anden en lujosos carros a cuestas de los pobres y no para los CALLEJONES que tenemos por calles.

Tsara ny sasany amin'ireo lalàna ireo. Na dia izany aza, tsisy dikany tsotra izao ny ankamaroany, ary natao mba hanaovan'ny polisy misahana ny fifamoivoizana kolikoly hatrany ary koa hitaky vola tsy misy fanomezana tapakila, mitaky vola izy ireo mba hahafahan'ny solombavambahoakan'ny kongresy hahazo fiara raitra avy amin'ny volan'ny mahantra fa tsy laniana amin'ny fanamboarana lalan-kely.
Photo by Carlos Luna and used under a Creative Commons license. [3]

Sary avy amin'i Carlos Luna, Lisansa Creative Commons.

Ankoatra izany, maro amin'ireo mpamily no tsy mahita hoe ahoana no ahafahan'ny polisy misahana ny fifamoivoziana hampihatra ny lalàna, raha toa ka mandika ny lalàna momba ny fifamoivoizana koa ny tenan'izy ireo. Bilaogera ao amin'ny Conejitos Suicidas [es] namoaka lahatsary nataon'ilay mpisera YouTube Carlossave [4], izay nandrakitra lahatsary ahitana polisy manamboninahitra mitondra fiara amin'ny hafainganam-pandeha tafahoatra.

Sehatra hafa mampiahihahy mikasika ny Lalàna mifehy ny fifamoivoizana ny fitomboan'ny tahan'ny fisotroana toaka eo amin'ireo mpamily. Satria amin'izao fotoana izao, ny mpamily iray mamo, izay sambany mamo dia tsy ampidirina am-ponja rehefa tsy nandratra olona na nanimba zavatra. Haroldo Rivas ao amin'ny bilaogy Harol [es] nanoratra [5] hoe:

Ayer los señores diputados (después de agarrarse a gritos como los más corrientes del mundo) acordaron que el conductor borracho que sea primerizo no verá nunca la cárcel por más macabros que sean los resultados de sus acciones, además de aumentar el límite de alcohol permitido en la sangre, porque como todos nosotros sabemos, lo hacen para protegerse ellos mismos que son algunos protagonistas de este mismo escenario. ¿Cuándo será que empezarán a trabajar con la seguridad del pueblo en mente y no con su comodidad o dinero? Shame on you…

Omaly, nifanaiky ny vehivavy sy ny lehilahy (rehefa avy nifampitabataba tahaka ny olona mahazatra indrindra eran'izao tontolo izao) fa ny mpamily sambany mamo dia tsy ampidirina am-ponja na dia mahasosotra aza ny fihetsik'izy ireo, ankoatra ny fitomboan'ny tahan'ny alikaola, nataon'izy ireo izany  mba hiarovan-tena satria mpanao izany ry zareo. Rahoviana izy ireo no hanomboka hiasa amin'ny fiarovam-bahoaka sy ho an'ny mahasoa na ny volan'izy ireo? Mahamenatra…

Noho ity fisalasalana ity, ny fanontaniana lehibe avy amin'ny Kostà Rikàna dia hoe, handeha tsara araka ny tokony ho izy ao amin'ny firenena ve ity lalàna ity ary ho tombontsoan'ny olom-pireneny ny vokatra azo. Mae Moto ao amin'ny bilaogy Caballeros de la Luz [es] nanoratra [6] hoe:

Pero la pregunta es, sirve realmente todo lo anterior (refiriéndose al artículo completo escrito en su blog sobre la nueva Ley de Transito: para mejorar la situación en nuestras saturadas carreteras? En mi humilde opinión esta reforma a la Ley de Tránsito es completamente una farsa, y una forma de sacarle el dinero a la clase media que siempre será el peor enemigo de la clase rica

Saingy ny fanontaniana dia hoe, natao tokoa ho an'ny voalaza eo ambony ve izany (manondro ny taratasy feno nosoratana tao amin'ny bilaoginy momba ny Lalàna vaovao mifehy ny Fifamoivoizana: hanatsara ny toe-draharaha eny amin'ny arabe hipoka? Raha ny hevitro am-panetren-tena, ity fanavaozana amin'ny Lalànan'ny Fifamoivoizana ity dia vazivazy ratsy, fomba iray hahazoana vola avy amin'ny saranga antonony, izay ho fahavalo ratsy indrindra hatrany eo amin'ny saranga mpanankarena.

Manamafy ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fahatokisana izany fa manana lalàna vaovao noforonina eto amin'ny firenentsika i Kostà Rikà, Lalàna mifehy ny Fifamoivoizana ilay izy amin'ity tranga ity. Koa satria izany no lohahevitra lehibe resahana ao amin'ny bilaogy isan-karazany ao Kostà Rikà, tsara ho an'ny olona ny manana ity sehatra ity mba hanehoana ny zavatra tsapany sy tiany holazaina momba ireo fanapahan-kevitra miantraika amin'ny olom-pirenena.