Tantara tamin'ny 30 Marsa 2018
Korea: Inona No Hataonao Raha Toa Ka Mahita Fitondrantena Mifanohitra Amin'ny Fenitra Ara-tsosialy Ianao?
''Ny tena mampihomehy dia... rehefa nitatitra ahy tamin'ny voalohany tany amin'ny polisy ireo mpianatra, nilaza izy ireo fa mpangalatra aho. ''
26 Martsa — Mankalaza ny Fanambarana ny Fahaleovantenany I Bangladesh
''Raha mankalaza ny 26 Martsa, Andro nahazoany ny Fahaleovantenany i Bangladesh, tondraka lahatsoratra kosa ny tontolom-bolongana ao Bangladesh mitantara ilay Tetikady Searchlight natomboky ny Tafik'i Pakistana tamin'ny 25 Martsa 1971 tao anatina ezaka mamoy fo mba hanafoanana ny hetsika Nasionalista nataon'ireo Bengali.''
Bolgaria: Mpilalao Baolina Kitra Nidaroka Mpilatro
Tafintohina tamin'ny vaovao momba ny mpilalao iray ao amin'ny klioba mpilalao baolina kitra ao amin'ny firenena, CSKA, izay nidaroka mpilatro ambony Kristin Vacheva i Bolgaria.
Kostà Rikà: Mihatra Ny Lalana Vaovao Momba Ny Fifamoivoizana
Tato anatin'ny herinandro vitsivitsy, nanohy niady hevitra, naneho hevitra, ary nitsikera ny lalàna vaovao momba ny Fifamoivoizana izay nihatra tamin'ny herinandro voalohany volana Martsa ny tontolon'ny bilaogy Kostà Rikàna. Maro no naneho ny tsy fahafaham-pony tamin'ny soso-kevitra naroso tao amin'ny lalàna vaovao.
Fihetsiketsehana Nataon'ny Tanora Tany Syria Hanohanana Ny Syrian Air
Nametraka andiana sazy ara-barotra sy ara-toekarena izay nampisy fiantraikany teo amin'ny fiainana andavanandron'ny olom-pirenena Syriana tamin'ny faritra maro i Etazonia. Nampiasa ny aterineto ny tanora Syriana mba hanoherana ny fanasaziana ny fiaramanidina Syrian Air, noho ny fandraràna ny fividianana fiaramanidina ara-barotra vaovao sy ny fividianana ny fitaovana hanoloana ny simba.