- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Liberia : Tetikasa “CeaseFire Liberia” Mitantara Ny Krizy Ao Lofa

Sokajy: Liberia, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Tsara ny manamarika fa ny lahatsoratra adika amin'ny teny Malagasy eto dia lahatsoratra efa tamin'ny volana Martsa taona 2010 ny nanoratana azy tamin'ny teny Anglisy)

Nahitàna herisetra indray tao Liberia vao haingana: tovovavy iray no nisy namono, ho valifatin'izany, 4 hafa ihany koa nisy namono tahaka izany tao amin'ny faritra Lofa ao avaratry ny firenena. Nandritra ny korontana, nisy nandoro ireo fiangonana sy ny moskea. Nitantara momba izany korontana izany ny Global Voices [1] ary namoaka ireo fanadihadiana avy eny ifotony  [2]notontosain'ireo mpandray anjara tamin'ny tetikasa median'olon-tsotra Ceasefire Liberia, tetikasa vatsian'ny Rising Voices fanampiana ara-bola:

Meeting of Lofa citizen in Monrovia. Image courtesy Nat, CL [3]Rassemblement de citoyens originaires de Lofa à Monrovia. Photo  de Nat de Ceasefire Liberia

Les  villes de Voinjama et Zorzor dans la région de Lofa ont connu des violences qui ont causé la mort de 4 personnes et la des destructions matérielles, y compris l'incendie d'églises, d'écoles et d'une mosquée.

La région de Lofa est au nord-est du Liberia et compte différentes tribus et religions. Elle a été aussi une des zones les plus touchées lors de la guerre civile qui a duré 14 ans.

Les incidents qui ont éclaté vendredi ont été provoqués par la découverte du corps sans vie d'une élève de 11ème année du nom de Korpu Kamara, qui avait disparu depuis quelques jours et qui a été retrouvée morte quelques jours plus tard à côté d'une mosquée à Zorzor.

Comme conséquence, des dizaines d'élèves soupçonnant que le meurtre de leur camarade avait été commis par des musulmans, ont organisé une manifestation de protestation, ce qui s'est transformée en des affrontements inter-religieux durant lesquels des églises et des écoles chrétiennes ont été brulées.

Fihetsiketsehan'ireo olom-pirenena tsotra avy ao Lofa, ao Monrovia. Sarin'i Nat avy ao amin'ny Ceasefire Liberia
Nahitana herisetra nahafatesana olona efatra sy fahasimbana fitaovana, tahaka ny fandoroana fiangonana, sekoly sy moske ny tanànan'i Voinjama sy Zorzor ao amin'ny faritra Lof

Ao avaratra-atsinanan'i Liberia ny faritra Lofa ary ahitana foko sy fivavahana isan-karazany. Iray amin'ireo faritra voakasika indrindra nandritra ny ady an-trano naharitra 14 taona ihany koa izy.

Vokatry ny fahitana vatana mangatsiaka mpianatra iray kilasin-taona faha-11, antsoina hoe Korpu Kamara, izay efa tsy hita nandritra ny andro maromaro ary dia hita maty andro vitsivitsy taty aoriana teo akaikin'ny moske ao Zorzor ny zava-nitranga nipoaka tamin'ny Zoma.

Vokatr'izany, mpianatra am-polony no miahiahy fa Miozolomana no nahavita namono ny namany, ka nikarakara hetsi-panoherana izy ireo, izay nivadika ho fifandonana teo amin'ireo antokom-pivavahana ka nisy nandoro nandritra izany ny fiangonana sy ny sekoly kristianina.

Nathan Charles mitatitra  [4]hoe:

Un groupe qui se fait appeler le “Concerned Youth of Ganta for Reconstruction and Development” (Jeunesse de Ganta pour la reconstruction et le développement) a condamné les récentes pertes de vies et de biens dans la région de Lofa par ceux qu'elle appelle des houligans.

Nanameloka an'ireo antsoiny hoe “hooligan” ny vondrona antsoina hoe “Tanoran'i Ganta Voakasiky ny Fanorenana Indray sy ny Fampandrosoana” noho ireo aina nafoy vao haingana sy ny fanimbana fananana tao amin'ny faritr'i Lofa.

Nitatitra [5] ihany koa i Nathan fa nolavin'ny Iraky ny Firenena Mikambana ao Liberia (UNMIL) ny filazana fa ireo vondrom-piarahamonina Miozolomana ihany no narovan'ny miaramilany nandritra ny herisetra tao amin'ny faritra Lofa satria Miozolomana ny ankamaroan'ny miaramilany.

Nampahafantatra ny vaovao taminay tamin'ny alalan'ny imailaka i Ruthi Ackerman, talen'ny tetikasa Ceasefire Liberia :

Il y a beaucoup de reportages sur ces événements dans les agences de presse les plus importantes comme Reuters, mais d'après ce que je comprends, il y a aussi beaucoup de confusion dans ces articles.  Je sais qu'il y a eu beaucoup de débats sur les “raisons ethniques” de ces violences, mais je pense que nous devons traiter ce problème avec beaucoup de doigté parce qu'il y a aussi des conflits fonciers dans la région de Lofa. Ainsi, ce qui pourrait ressembler à des violences religieuses ou ethniques pourraient n'avoir été que des conflits sur la propriété de la terre.

Betsaka ny tatitra momba ireo zava-nitranga ireo tao amin'ireo sampam-pahalalam-baovao lehibe tahaka ny Reuters, saingy araka ny zavatra azoko, misy ihany koa ny fisafotofotona marobe tao amin'ireo lahatsoratra ireo. Fantatro fa nisy ny adihevitra maro momba ny “antony ara-poko” tamin'ity herisetra ity, saingy heveriko fa mila mamaha am-pahakingana ity olana ity isika satria misy ihany koa ireo ady-tany ao amin'ny faritra Lofa. Noho izany, ny mety ho fiheverana fa herisetra ara-pinoana na ara-poko dia mety ho ady-tany fotsiny ihany.

Lofa County in northernmost Liberia. Capital: Voinjama. [6]Ny faritr'i Lofa ao amin'ny farany avaratr'i Liberia, Voinjama no renivohiny.

Tamin'ny vaovao farany vao haingana,  [7]fantatra fa :

 

A la suite des récentes violences à Lofa, la Police nationale du Liberia (LNP) a annoncé à Monrovia qu'elle avait procédé à plusieurs arrestations et à des confiscations, y compris des canons, de 27 cartouches de munitions, de 13 machettes et de trois couteaux qui avaient été utilisés lors de la journée d'émeutes.

Taorian'ny herisetra vao haingana tao Lofa, nanambara ny Polisim-pirenena Liberia (LNP) tao Monrovia fa nanatontosa fisamborana maromaro sy fandraofan-javatra, anisan'izany ny tafondro, bala 27 baoritra ary antsy 13 izay nampiasaina nandritra ny andron'ny fifandonana.

Nisambotra gadra vitsivitsy [8] izay nandositra ny fonja nandritra ny herisetra tao Voinjama, renivohitry ny faritra ihany koa ny polisy.

Tao anatin'ny fisafotofotoan'ny fitantarana tamin'ny fampahalalam-baovao mahazatra, niezaka nanome vaovao avy eny ifotony mikasika ny zava-nitranga ireo olon-tsotra mpanao gazety tao amin'ny Ceasefire Liberia. Zava-dehibe ny asan'izy ireo satria lasibatr'ireo [9] mpiara-dia mbola manohana ny filoha teo aloha tao Liberia, Charles Taylor ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Liberia.

Pocket Cultures niresaka vao haingana momba ny Ceasefire Liberia [10] tao amin'ny bilaogin'izy ireo Blogs of The World (bilaogin'izao tontolo izao). Mikasa hanadihady  [11]ny sasany amin'ireo bilaogeran'ny Ceasefire Liberia izy ireo.