- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kazakhstan: Toetry Ny Firenena

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2008)

Tsy mandalo mihitsy eo ambany mason'ny mpitoraka bilaogy ny hetsika ara-politika goavana eo amin'ny firenena.Tamin'ity heriandro ity izao dia fotoana nandraisan'ny filoham-panjakana ao amin'ny firenena fitenenana. Tsy nahafaly [1] ireo mpitoraka bilaogy ilay fandrakofana momba ny fanentanana mahery vaika nataon'ny fantsom-pahitalavitra sy ny gazety rehetra eo ambany fifehezan'ny fanjakana.

Araka ny vazivazin'i [2]  megakhuimyak  “tsy ilain'ny filohantsika ny olona mpankasitraka  mandrakariva – izany no antony hitenenantsika hoe “Tsia” rehefa hoy izy hoe “Tsia”. [ru]

Na izany aza, maro amin'ireo mpanaramaso no tena nahatsapa fa tsara ny kabariny, izay mifantoka kokoa amin'ny zava-misy noho ilay teo aloha, betsaka kokoa ireo zavatra azo tanterahina sy ny zavatra tsy mahafinaritra toy ny fanizingizinana ny filàna ara-toekarena.

Ny count-asylum, izay manadihady amin'ny antsipirihany ilay kabarin'ny filoha, no mahatsikaritra [3] ilay tsoratadidy – fitomboan'ny tsindry atao amin'ireo orinasa vahiny miasa amin'ny indostria mpitrandraka, ny fanavaozana ny rafitry ny hetra, fanamafisana ny fandraisan'ny fanjakana anjara sy ny fanarahan'ny governemanta maso ny sehatra ara-bola miaraka amin'ny fahaizana mandray ireo banky avy any ivelany.

Iray amin'ireo fampanantenàna andrasana ny fanamoràna ny làlana sy ny fepetra takiana amin'ny asa famoronana orinasa, mbola voalazan'ny filoha ihany koa – na izany aza, tsy vao voalohany izany tato anatin'ny taona vitsivitsy. Fa tamin'ity indray mitoraka ity, andro vitsivitsy taorian'ilay lahateny, dia ny filoha Nazarbayev mihitsy no nanome fahefana ny governemanta mba hamoaka didy fanalavàna ny fanamarinana ireo orinasa madinika sy salasalany ataon'ireo vondrona mpanara-maso.

“Nandresy isika !” hoy ny vakin'ny [4] fanambaràna nataon'ny  Vovonan'ireo mpandraharaha Kazakhstan [5], izay tokotokony ho herinandro talohan'ny nivoahan'ny lahatenin'ny filoha niaraka tamin'ireo sosokevitra maromaro momba ny fanatsaràna ny raharaha ara-barotra – ary ao anatin'izany ny fanafoanana ny fanaraha-maso.

Fampandrosoana iray hafa mahaliana  taorian'ny lahatenin'ny filoha  ny momba ny antsony hitsitsiana fatratra ny harena sy ny vola. Nasongadin'ny vavahadin-tserasera Neweurasia ny lahatsoratra iray [6] momba ny fifandraisan'ity antso ity  amin'ilay fankalazana ny tsingerintaona fahafolon'ny Astana ho avy eo. Nafindran'ny filoha Nazarbayev avy any Almaty ho any Astana ny renivohitr'i Kazakhstan 10 taona lasa izay. Avy eo novàna hifanaraka amin'ny tsingerintaona nahaterahan'ny filoha ny andron'ny Astana.

Naharitra am-bolana maro ilay lanonana ary nahitàna kaonseritry ny kintan'ny pop maneran-tany, ny fampisehoana ny sambokelin'i Venise sy ny fandihin'i Vienne  ets, ets….. Andro vitsivitsy taorian'ilay famoahana lahatsoratra, nobaikon'ny filoha Nazarbayev ny governemanta hanatsotra kokoa ilay fety, hoy ny tatitra [7] nataon'i Adam Kesher.

Mandritra izany fotoana izany, tsy ny olona rehetra no mandinika politika amin'ny heviny ôfisialy. Mieritreritra [8] i Nemtschin hoe mba inona/iza izy raha tsy rava ny Firaisana Sovietika.

“Sivy taona aty aorian'ny niasàna tsy tapaka tao amin'ny orinasa iray, afaka mahazo efitra iray ao amin'ny trano  “fandriam-pianakaviana aho” . Mahazo mipetraka eo akaikin'ny toerana misy ilay fahitalavitra Sovietika ratsy aho amin'izao fotoana izao, manao ambonin'akanjo sy kiraro fanaovana fanatanjahantena avy any Vietnam, misotro labiera sovietika ratsy ary manonofy ny fiara ratsin'ny sovietika. Amin'izao fotoana izao manana trano feno fitaovana elektrônika aho, finday roa, akanjo avy any ivelany amin'ny taonina. Afaka mividy “cognac ” tsara na divay mena aho, ary mitondra fiara tsara tarehy avy any ivelany. Tsara ny fiainana”.