Kambodza: Hiverina Hanao Politika Ny Printsy Ranariddh

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nampanantena fa havitrika indray amin'ny politika ny Printsin'i Kambodza, Norodom Ranariddh, izay Praiministra teo aloha sady mpitarika ny antoko mpandala ny mpanjaka tao amin'ny firenena. Niala tao amin'ny firenena izy roa taona lasa izay rehefa nizarazara ny antokony sy taorian'ny fiampangana azy ho nanodinkodim-bola tamin'ny fotoana tsy nahateo azy. Manombana ny fiantraikan'ny fanambaràn'ny Printsy Ranariddh eo amin'ny politika Kambodziana ireo mpisera aterineto sy ireo manampahaizana amin'ny politika.

Niala tamin'ny politika tamin'ny taona 2008, nahagaga ny rehetra tao Kambodza ny Printsy Ranariddh rehefa nanambara vao haingana fa hiverina hanao politika izy mba hanamafisana ny hetsika mandala ny fitondra-mpanjaka. Niresaka tao amin'ny faritanin'i Kampong Cham tamin'ny voalohandohan'ny volana teo anoloan'ny mpanohana 500 teo ho eo, nanoritra izy fa ho valin'ny fanangonan-tsonia fangatahana azy hiverina amin'ny fitarihana ao Kambodza izao fiverenany izao. Manazava bebe kokoa izy ao amin'ny Phnom Penh Post:

“I am preparing myself to lead the Norodom Ranariddh Party,…Doing politics is the same as being addicted to opium, but what is important is that there have been a lot of petitions inviting me to lead the Norodom Ranariddh Party.”

“Manomana ny tenako aho hitarika ny Antoko Noradom Ranariddh, … Ny fanaovana politika dia mitovy amin'ny fiakinandoha amin'ny zavamahadomelina, saingy ny tena zava-dehibe dia ny fisian'ny fanangonan-tsonia maro manasa ahy hitarika ny Antoko Norodom Ranariddh.”

Ao amin'io lahatsoratra io ihany, nanamafy ny fomba fijeriny elatra afovoany ny printsy fa sady tsy manohana izy no tsy manakiana ny governemanta. Amin'izany fomba fijery izany, manantena ny Printsy fa hiaraka amin'ny vondrona royalista sy izay antoko hafa vonona tahaka ny Antokon'ny Zon'olombelona. Na dia izany aza, sarotra ny manatontosa ity drafitra ara-politika ity satria misy ny fandavàna sy ny fifandirana tsy voavaha eo amin'ireo vondrona samihafa. Misy ihany koa ny fanontaniana raha miara-dalana amin'ny demaokraty izy na komonista.

Naneho hevitra mikasika ny fiverenan'ny printsy eo amin'ny politika, nampitandrina ny praiminisitra Hun Sen fa hampifandray ny fanjakam-panjaka amin'ny governemanta izany ary mitaky ny fametraham-pialan'ny printsy amin'ny maha-mpanolotsainan'ny mpanjaka azy, dia ny rahalahiny Norodom Sihamoni izany. Manazava ny antony tokony hialàn'ny printsy amin'ny maha-mpanolotsain'ny mpanjaka: i Hun Sen

“If you want to do politics, you have to quit the Supreme Council as adviser to the King, otherwise the King will lose neutrality on the matter of politics.  The name of the King will be used for propaganda, saying I am a brother of the King, I am the son of former King, and it will link the King with politics.”

“Raha te hanao politika ianao dia tsy maintsy miala amin'ny Filankevitra Faratampony amin'ny maha-mpanolotsain'ny Mpanjaka, raha tsy izany, lasa mitongilana eo amin'ny resaka politika intsony ny mpanjaka. Ho ampiasaina amin'ny fampielezan-kevitra ny anaran'ny Mpanjaka, milaza fa rahalahin'ny mpanjaka aho, zanaky ny mpanjaka teo aloha aho, ary hampifandray ny Mpanjaka amin'ny politika izany. “

Mety efa tsinjo mialoha izany fihetsika izany, ka izany no antony nanambaran'ny printsy nandritra ny fivoriana tao amin'ny faritanin'i Kompong Cham fa tsy natao hiteraka ady amin'ny Praiminisitra ny fiverenany amin'ny politika. Taorian'ny nanoratan'i Norodom Sihanouk, Rain'ny Mpanjaka tao amin'ny tranonkalany mba hanehoana ny fanohanany feno an'i Hun Sen amin'ny maha mpitarika an'i Kambodza, nanazava ny Printsy Ranariddh fa misokatra amin'ny fananganana governemanta iraisana miaraka amin'ny mpitarika ny Antokom-bahoaka Kambodziana izy.

Notsikerain'ny the Son of the Khmer Empire (zanaky ny Ampira Khmer) izany fomba fijery izany, izay nanoratra fa tsy manana vina ara-politika mazava ny printsy ary mety ho tetika iray eo amin'ny printsy sy ny praiminisitra io tranga io.

  • Prince Ranarith is a half-dead politician who has no vision and challenge in order to win over Hun Sen to safeguard the country and the people of Cambodia, but he just does politics for his survival only.
  • This could be a political ploy plotted by Hun Sen because Hun Sen does worry about the strength of Sam Rainsy Party (SRP). Until now Hun Sen still thinks that Ranarith can still be used in order to divide the strength of  majority Cambodians who are not pro-Cambodian People’s Party. More importantly, Kem Sokha may join Ranarith and this would strengthen this new force and for sure weaken the second biggest party- SRP. When this achieved Hun Sen would lead Cambodia at his will.
  • Politisiana maty ampahany ny Printsy Ranarith izay tsy manana vina sy fanamby mba handresena an'i Hun Sen mba hiarovana ny firenena sy ny vahoakan'i Kambodza, saingy manao politika ho amin'ny fahavelomany fotsiny izy.
  • Mety ho tetika ara-politika napetrak'i Hun Sen izany l  satria manahy mikasika ny tanjaky ny Antoko Rainsy Samy (SRP) izy. Hatramin'izao, mbola mieritreritra i Hun Sen fa mbola azo ampiasaina ihany i Ranarith mba hampizarazara ny herin'ny ankamaroan'ny Kambodziana izay tsy mpomba ny Antokom-bahoaka Kambodziana. Ny tena zava-dehibe dia mety hiaraka amin'i Ranarith i Kem Sokha ary mety hanamafy ity hery vaovao ity izany ary azo antoka fa hamparefo ny antoko faharoa lehibe indrindra – SRP. Rehefa tratra izany dia hitarika an'i Kambodza amin'ny sitrapony i Hun Sen.

Raha nahasarika ny sain'ireo antoko politika malaza sy fampahalalam-baovao nentim-paharazana ny fiverenan'ny printsy, dia toa tsy nisy ny fanehoan-kevitra goavana avy amin'ny mpiserasera ao an-toerana izay matetika mifanakalo hevitra sy vaovao amin'ny alalan'ny fitaovan'ny tambajotra sosialy amin'ny aterineto toy ny bilaogy, facebook ary twitter. Miharihary fa ny Ivotoerana Kambojiana misahana ny Zon'olombelona irery ihany, fikambanana tsy miankina iray ao an-toerana no nanatontosa fitsapa-kevi-bahoaka momba ny olana tamin'ny alàlan'ny facebook izay nahazo mpamaly latsaky ny 10 hatramin'izao:

Is the return of Norodom Ranaridh a good thing for Cambodian politics?

Zavatra tsara ho an'ny politika Kambodziana ve ny fiverenan'i Norodom Ranaridh?

Mety hamaly amin'ny ampahany ny fanontaniana izany raha hisy fiantraikany goavana eo amin'ny politika Kambodziana ny fiverenan'ny printsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.