Zava-baovao Tao Amin'ny Tranonkala Global Voices 2005

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona taona 2005 ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Mety efa tsikaritrao fa nanao fiovana madinika vitsivitsy tao amin'ny Global Voices izahay – antenainay fa hanampy anao hampiasa ny tranonkala amin'ny fomba mahomby kokoa izany (ary koa, antenainay fa handrisika anareo hanampy anay.)

Misy ankehitriny ny takelaka fikarohana eo ambony ankavanana isaky ny pejy ao amin'ny tranonkala. Rehefa mampiditra teny ao amin'ny takelaka fikarohana ianao dia hahazo lahatsoratra sy pejy ao amin'ny tranonkala Global Voices izay ahitana izany teny izany. Satria miseho eo amin'ny ilany havanana amin'ny efijery ireo lahatsoratra ireo, izay ahitana ny lahatsoratray araka ny tokony ho izy, mety hihevitra ianao fa tsy mahazo valiny. Nahazo ianao ka! Marina. Mampanantena izahay. Raha misosa tsara ny zava-drehetra dia hisongadina ao amin'ireo pejy ireo ny teny nokarohinao.

(Ny fanehoan-kevitra voalohany azonay dia nanambara fa somary misafotofoto ny rafitra fikarohana napetrakay Raha maro loatra ny olona mahita ny fikarohana vaovao ho misafotofoto, nosoloinay tamin'ny fikarohana izay mampiasa ny fitaovana fikarohana Google izany.)

Afaka misoratra anarana ao amin'ny Global Voices ianao ankehitriny ary mahazo ny lahatsoratray rehetra amin'ny alàlan'ny mailaka. Manantena izahay fa hanampy ireo olona te hahazo vaovao ao amin'ny Global Voices izany saingy aza mampiasa RSS. Mandehana ao amin'ny pejinay fisoratana anarana mailaka, ampidiro ny adiresy mailaka ary handefa mailaka fanamafisana any aminao izahay. Tsindrio ny rohy eo amin'ny mailaka alefanay ho anao, ary ho ampidirina ao anatin'ny lisitry ny mailaka ianao. Raha hiala tsy hisoratra anarana intsony, tsidiho fotsiny ny pejy fisoratana anarana ary ampidiro ny adiresy mailaka ary tsindrio ny bokotra “manala fisoratana anarana”.

Farany, nampiditra takelaka fenoina ahafahanao mampahafantatra anay momba ireo tantara malaza izay heverinao fa tokony hampidirina ao amin'ny bilaogy mpivoaka isan'andro sy ny bilaogy tianao ampidirina ao amin'ny Bridge Blog Index izahay. Mazava ho azy, mbola afaka mandefa mailaka aminay ianao raha manana soso-kevitra, na mampiditra bilaogy mivantana ao amin'ny Bridge Blog Index.

Hanohy hanatsara sy hifantoka amin'ny tranokala izahay mba handeha tsara araka ny tokony izy izany. Raha manana soso-kevitra momba ny endri-javatra tokony hampidirinay ianao, ampahafantaro anay izany, tsara kokoa raha ato amin'ny takelaka fanehoan-kevitra amin'ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.