Tantara tamin'ny 27 Marsa 2018
Tsy Mitsahatra Velively Ny Ady Amin'ny Fanamombàna Ao India
Tamin'ny taona 2013-14, fanamombàna 4 tapitrisa no natao tany India, ka 100.000 monja no natao tamin'ny lehilahy. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa mandany 85% amin'ny teti-bolany amin'ny fandrindrana ny fianakaviana amin'ny fanamombàna i India. Tamin'ny taona 2014, vehivavy 15 no maty tao amin'ny fanjakan'i Chhattisgarh noho ny fanamombàna tandrevaka amin'ny tobim-panjakana.
Inona No Ambaran'ny Biby Famantarana Olaimpika sy Paralaimpika 2020 Japoney Manoloana Ny Fahasembanana
Rehefa mamaky amim-pitandremana fatratra ny famariparitana ilay endrika anefa, na izany aza, dia ho hitanao fa tsy toy ilay biby Olaimpika iray hafa namany, ilay biby famantarana Paralaimpika fa tsy nofaritana mazava ho "atleta" izy.
#SayNOto66d: Mandrakitra Ny Fitomboan'ny Tranga Fanalam-baraka Antserasera Ao Myanmar
Ny tranonkala #SayNOto66d dia mandrakitra ireo raharaha fanalam-baraka ao Myanmar no sady manome vaovao ho fanohanana ny hetsika hanafoanana ilay lalàna.
Libanona: Olona Miisa 90 No Voalaza Fa Maty Tamin'ny Fianjeran'Ilay Fiaramanidina Ethiopian Airlines Tany An-dranomasina
Niraradraraka tao amin'ny Twitter ny teny fampiononana taorian'ny nianjeran'ilay fiaramanidina Ethiopian Airlines tany amin'ny faritr'i Mediteranea minitra vitsy taorian'ny nialany tany Beirota, Libanona. Voalaza fa maty avokoa ireo olona miisa 90 tao anatiny rehefa nirehitra nandritra ny kotro-baratra ilay fiaramanidina ka nianjera tany an-dranomasina.
Pakistàna: Fifidianana sy Fanisàna
Raha mivoaka hifidy ireo vahoaka ao Pakistàna, miresaka momba ny fifidianana kosa ny tontolon'ny bilaogy. Manaraka ny fifidianana ny All Things Pakistan, ary manainga ireo mpamaky azy mba hizara ny fitantarana avy any amin-dry zareo..
Pôrtô Rikô: Nalahelo Noho Ny Horohorontany Ny Bilaogera
Tokony ho tsaroana amin'ny tantaran'ny heriny sy ny fiaretany tsy manam-petra i Haiti. Haïti no firenena voalohany tany Amerika Latina nahazo ny fahaleovan-tenany, ary repoblika mainty voalohany taorian'ny fanjanahan-tany manerantany. Ankehitriny, tsy maintsy tsaroana mihoatra ny hatramin'izay, ny vahoaka Haitiana sy i Haïti..
Zava-baovao Tao Amin'ny Tranonkala Global Voices 2005
Mety efa tsikaritrao fa nanao fiovana madinika vitsivitsy tao amin'ny Global Voices izahay - antenainay fa hanampy anao hampiasa ny tranonkala amin'ny fomba mahomby kokoa izany (ary koa, antenainay fa handrisika anareo hanampy anay.)
Korea: Ireo Orinasa Mitsikilo Ny Fivezivezenao Any An-Kabone
Ireo Orinasa Mitsikilo Ny Fivezivezenao Any An-Kabone ... Inona no hevitrao? Nahazao setriny mahaliana ny lahatsoratra iray tao amin'ny bilaogy koreàna miresaka ny momba ireo orinasa izay mitsikilo ny fihetsika tsirairay ataon'ny mpiasany.