- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mihoatra Sisintany Ny Fisaonana An'i Stephen Hawking

Sokajy: Amerika Latina, Angletera, Meksika, Mediam-bahoaka, Siansa
[1]

Stephen Hawking. Sary nozarain'ilay mpisera Flickr, Lwp Kommunikáció, CC BY 2.0.

Niteraka alahelo manerana izao tontolo izao, ary tsy nanivaka i Amerika Latina, ny vaovao fahafatesan'i Stephen Hawking, nambàra tamin'ny 14 martsa 2018.

Hawking, 76 taona, dia fantatra eo amin'ny fiarahamonina siantifika noho ny teoriany ambony momba ny taratra  [2]avy amin'ny lavaka mainty, ary koa ny fikarohany momba ny niandohan'izao tontolo izao sy ny teoria Big Bang [3].

Na izany aza, nahazo laza teo amin'ny vahoaka ity Britanika fizisiana sady kôsmôlôgista ity noho ny ezaka nataony hitondra ny siansa ho an'ny mpihaino amin'ny ankapobeny kokoa sy hampahafantatra hevitra siantifika izay tsy dia mazava matetika. Anisan'izany ny fandrosoana amin'ny faharanita-tsaina artifisialy sy ny fiavotam-pahaveloman'ny olombelona.

Nikaroka izay heverin'ny sasany ho lohahevitra mampiady hevitra be loatra ihany koa i Hawking, toy ny fisian'ny maha-Andriamanitra ao anatin'ny famoronana izao tontolo izao.

Namoaka vaovao tahaka izany, tamin'ny fampiasana pi-maso mahaliana amin'ny mety ho fisian'ny tontolo mirazotra ny tranonkala miteny Espaniola Sopitas [4]:

No sabemos si en otros universos, pero al menos en éste, ayer el gran Stephen Hawking murió y, con la triste noticia millones de internautas salieron a expresar su admiración por tan genial personaje… y cuando decimos genial, no sólo hacemos referencia a su presencia y personalidad, sino a su trabajo como astrofísico que, incluso para quienes poco/nada saben de ciencia, no deja de parecer fascinante.

Tsy fantatsika ny momba ny tontolo hafa, fa amin'ity indray mandeha ity, fara fahakeliny, maty omaly ilay goavana Stephen Hawking. Amin'ity vaovao mampalahelo ity, mpisera aterineto an-tapitrisany no nivoaka naneho ny fiderany ho an'ity olona mahagaga ity. Raha miteny hoe mahagaga isika, dia tsy manondro fotsiny ny fanatrehany sy ny maha-izy azy, fa ao koa ny asany maha-astrô-fizisiana izay nahaliana hatrany, na dia ireo izay tsy mahalala firy na tsy mahalala mihitsy momba ny siansa aza.

Tamin'ny fanamarihana iray, Raúl Morales [5] nametraka ny fihetseham-pony tamin'ny fahafatesan'i Hawking toy izao [6] tao amin'ny tranonkala miteny Espaniôla natokana ho an'ny fianihana, fiakarana an-tendrombohitra sy fanatanjahan-tena hafa:

El físico y divulgador británico falleció […] después de más de medio siglo superando el pronóstico que daba la enfermedad que le aquejaba, y llevando a la humanidad varios pasos adelante en la exploración mayor a la que aspiramos: aquella que describe la realidad misma.

Si para descubrir cumbres empleamos la escalada, lo mismo que la espeleología para adentrarnos en cuevas, para explorar el universo utilizamos la ciencia, que no es más que la sistematización racional del mismo espíritu humano que nos hace cruzar un río o ir a ver qué hay detrás del cerro. Y sus practicantes son, al igual que un montañista, exploradores, pero de cumbres distintas, cumbres que, con frecuencia no se encuentran en nuestro planeta o, en el caso de Stephen Hawking, ni siquiera en nuestro espacio-tiempo.

Namoy ny ainy ilay Britanika fizisiana sady mpahay siansa malaza […] rehefa niady tamin'ny aretina niaretany nandritra ny dimam-polo taona mahery, ary nitondra ny zanak'olombelona ho any amin'ny fahitana zava-baovao tena manan-danja tiantsika andehanana: dia ny azavain'ny zava-misy tenany ihany.

Raha miezaka mianika manatratra ny fara-tampony isika, miditra ambanin'ny tany mba hahita zohy, dia mampiasa ny siansa mba hitrandraka izao tontolo izao, izay tsy inona fa fampivondronana mahazatra an'izany fanahy maha olona izany ihany izay mahatonga antsika hiampita renirano, na hahita ny zava-misy eny ambadiky ny tendrombohitra. Tahaka ny mpihanika tendrombohitra, mpitrandraka zava-baovao, saingy amin'ny fara-tampony samihafa, fara-tampony izay tsy hitantsika matetika eto amin'ny planeta na, raha mikasika an'i Stephen Hawking, tsy ao anatin'ny toerana sy ny fotoanantsika akory ity asa ity.

Amin'ny lahatsoratra mitondra lohateny hoe “Izao rehetra izao no laboratoaran'i Stephen Hawking”, izay nivoaka tao amin'ny gazety Pôrtô Rikàna, El Nuevo Día, nofaritana [7] toy izao ny fahasarotan'ny teorian'i Hawking:

Todo el mundo conocía la brillantez cósmica de Stephen Hawking, pero pocos podían comprenderla. Ni siquiera astrónomos de primera línea.

Nahafantatra ny fahirata-tsaina ara-kôsmika an'i Stephen Hawking ny rehetra, saingy vitsy no nahatakatra izany. Eny fa na dia ireo astrônôma mahay dia mahay aza.

Fanampin'izany, tao amin'ny tranonkala ihany, nanangona ireo andian-teny sasany malaza an'i Hawking izy ireo, anisan'izany ity iray ity:

Si los extraterrestres nos visitan alguna vez, creo que el resultado sería parecido a cuando Cristóbal Colón llegó por primera vez a América, lo que no salió muy bien para los nativos americanos.

Raha sendra mitsidika antsika ny vahiny ivelan'ny tany, mieritreritra aho fa ho tahaka ny fiantsonan'i Christophe Colomb voalohany tao Amerika no fiafarany, izay tsy nahazoan'ireo Amerikana Indiana tombony akory

Tao amin'ny Twitter, naneho hevitra tahaka izao ireo mpiserasera:

Very iray tamin'ireo mpahay siansa mamiratra indrindra hatramin'izay isika, izay angamba Isaac Newton ihany no azo ampitahaina aminy. Mandria am-piadanana Stephen #Hawking

Mpilaza vaovao Meksikana Carmen Aristegui nahatsiaro an'i Hawking nilalao tamin'ny fandaharana tamin'ny fahitalavitra Amerikana “The Big Bang Theory,” ary nanonona ilay mpilalao fototra Kaley Cuoco:

“Nampihomehy antsika izy ary nampihomehy azy isika. Noresahana betsaka tamin'ny Teorian'ny Big Bang ny fiainany sy ny asany ary nahasoa antsika izany.”

Mpisera Twitter Isma nizara ity vaovao mahaliana ity:

Maty tamin'ny 14 Martsa i Hawking: Andron'ny Pi (π) sy tsingerintaona nahaterahan'i Einstein. Iray andro aorian'ny tsingerintaonan'ny fahitana ny Uranus ihany koa.

Nahazo loka marobe teo amin'ny androm-piainany i Hawking, kintana mamiratra indrindra eo amin'ny siansa [13]. Anisan'izany ny Filohan'ny Matematika Lucasian ao amin'ny Oniversiten'i Cambridge (toerana efa notazonin'i Isaac Newton [14]) sy ny medailin'ny filoham-pirenena ho an'ny Fahalalahana (natolotr'i Barack Obama [15] tamin'ny taona 2009), mari-boninahitra sivily ambony indrindra nomena tany Etazonia. Nomena ireo mpahay siansa hafa ihany koa ny medaily, tahaka ilay Meksikana mpahay simia Mario J. Molina [16], izay nahazo izany tamin'ny taona 2013.