- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Haiti: Sioka Avy Eny Ifotony

Sokajy: Karaiba, Haiti, Mediam-bahoaka, Voina, Vonjy Voina

(Marihana fa efa tamin'ny volana Janoary taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Satria manakoako nanerana izao tontolo izao ny hatsiravin'ny horohorontany tany Haïti, mponina ao an-toerana maromaro, mpanao gazety avy any ivelany, ary mpiasa mpamonjy voina no nisioka avy eny ifotony. Misy ireo miasa mba hanangona fanampiana sy vola, ny hafa kosa miezaka mampiseho amin'izao tontolo izao ny zava-mitranga ao Haiti. Ny sasany indray mitatitra momba ny tranga tany amin'ireo toerana manokana, manantena hanamaivana ny ahiahin'ireo hava-tiana any ivelany (hatramin'izao, tsy dia misy fanazavana firy momba ireo naratra sy maty nivoaka an-tserasera).

Vao maraina, olona maro teny ifotony no nisioka momba ny korontana any Haïti tamin'izany fotoana izany. @fredodupoux nilaza [1] hoe:

fredodupoux is based in Haiti

fredodupoux monina ao Haiti

@bhatiap nanamarika [2]ny tsy fisian'ny polisy:

bhatiap noted the lack of police presence

bhatiap nanamarika ny tsy fisian'ny polisy

@PIH_org (Sakaiza amin'ny Fahasalamana) ao Boston mavitrika mitady dokotera [3], indrindra indrindra mpandidy momba ny taolana ho alefa any Haiti:

A Boston-based organization is seeking volunteer doctors

Fikambanana ao Boston mitady dokotera mpilatsaka an-tsitrapo

Mpisera Twitter sasany indray mitatitra momba ireo tranobe, lalana manokana, ary koa vaovao hafa ho an'ireo izay mitady fianakaviana na miezaka mandehandeha manerana ny firenena. Manamarika i @yatalley fa tsy azo idirana ny lalana avy ao Port-au-Prince renivohitra, hatrao an-tanànan'i Jacmel [4]:

Yael Talleyrand reports from Jacmel, Haiti

Yael Talleyrand mitatitra avy ao Jacmel, Haiti fa tapaka ny lalana ary tsy misy ny lalana andehanana na dia amin'ny moto aza

@RAMHaiti nanamarika ny faharavàna goavana eny amin'ny toeram-pivavahana. Mitatitra momba ny fiangonana iray ao Port au Prince, hoy izy [5]:

Richard Morse is tweeting from Port au Prince

Richard Morse misioka avy ao Port au Prince

@fredodupoux niditra tao amin'ny distrikan'i Delmas [6] ivelan'i Port au Prince, faritra anisan'ny tena rava.  Hoy izy nisioka [7]:

Frederic Dupoux noted massive destruction in Delmas, Haiti

Frederic Dupoux nanamarika ny faharavàna goavana ao Delmas, Haiti

Satria mbola mitohy hatrany ireo sioka, misy ny fomba maro hanarahana ny vaovao.  @georgiap nanangana ny lisitr'ireo mpisera Twitter [8] eny ifotony ao Haiti. Manana lisitra misaraka [9] ahitana ireo fikambanana mpamonjy voina sy mpanao gazety eny ifotony ihany koa aho. Ary araho hatrany ny pejy fitantarana manokana momba an'i Haiti [10].ato amin'ny GV