Tonizia: Miteny Anglisy Ireo Bilaogera Toniziana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nialàn'ny bilaogera Toniziana hatrizay ny maneho hevitra amin'ny teny Anglisy (fiteny fahatelo ao amin'ny firenena), fa aleony manoratra amin'ny teny Arabo (indraindray amin'ny fitenim-paritra Toniziana) na Frantsay. Nametra ny isan'ireo vahiny mpihaino izany, amin'ny lafiny iray, ary nanohintohina ny fidirana amin'ny eritreritr'izy ireo sy ny hevitr'izy ireo ho an'ireo tsy miteny Arabo sy tsy miteny Frantsay. Saingy vao haingana, nampiasa teny Anglisy tamin'ny lahatsorany ireo bilaogera sasany. Ireto ny sasany amin'ireo bilaogy amin'ny teny Anglisy.

Tamin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe: AlJazeera.net tsy azo idirana ao Tonizia, Amin Zayani manasongadina ny sivana mampiady hevitra momba ny AlJazeera.net: Afaka mijery ny Al Jazeera malalaka ny Toniziana raha toa ka voasivana ny tranonkala. Nanoratra izy:

You switch on your TV and satellite receiver in Tunisia and you can watch Aljazeera, Aljazeera English, Aljazeera Children, Aljazeera Documentary, Aljazeera Live, Aljazeera Sport all day.

But you type the web address in your browser and you can not access it. Strange, isn't it?

Mandefa ny fahitalavitrao sy ny fandraisana zanabolana ao Tonizia ianao ary afaka mijery ny Aljazeera, Aljazeera Anglisy, Aljazeera ho an'ny Ankizy, Aljazeera Lahatsary Fanadihadiana, Aljazeera Mivantana, Aljazeera Fanatanjahantena mandritra ny tontolo andro.

Saingy manoratra ny adiresy habaka ao amin'ny aterinetonao ianao ary tsy afaka miditra ao. Hafahafa, sa tsy izany?

Mitondra ny lohateny hoe: Tilikum The Killer Whale, Foetus.me nanoratra tantara kely momba ny fahafahana:

Remind ‘em who you are. Remind ‘em how free and wild you really are. These people forgot you’re the apex predator of the oceans. Don’t bear with them, they dreamed of power, wicked as they see it, food related and cruel. Tell them that true power is to respect others freedom and build up on that. Show them that they are responsible and accountable. Nature will prevail my friend.

Ampahatsiahivo azy ireo hoe iza ianao. Ampahatsiahivo azy ireo hoe malalaka sy tsy misy mpifehy tokoa ianao. Adinon'ireo olona ireo fa ianao no mpihinana ranomasina voalohany. Aza mizaka azy ireo, nanofy fahefana izy ireo, masiaka araka ny fahitan'izy ireo azy, mikasika ny sakafo sy lozabe. Lazao azy ireo fa ny tena fahefana dia ny fanajana ny fahalalahan'ny hafa sy miorina amin'izany. Asehoy azy ireo fa tompon'andraikitra izy ireo ary mila mandray andraikitra. Hanjaka ny voajanahary ry namako.

Amor blogging his world namoaka lahatsoratra momba ny fitsipiky ny fanangonam-baovao izay ifandirana amin'ny Google ao Shina:

A new set of rules and instructions from the Chinese government itself suppresses China media outlets from reporting almost anything about Google’s recent pull out from China.
The instructions, nabbed by China Digital Times, outline a series of rather disturbing edicts to media outlets that are covering the Google story. While this is nothing new, the Chinese government’s broad and suppressive mandates are still striking.

Manakana ny fampahalalam-baovao Shinoa tsy hitatitra saika ny zavatra rehetra momba ny fanesorana ny Google vao haingana ao Shina ireo andiana fitsipika sy toro-lalana vaovao avy amin'ny governemanta Shinoa .
Ireo torolàlana ireo, izay nangonin'ny China Digital Times, dia manasongadina andian-dalàna manelingelina ny fampahalalam-baovao mitatitra ny tantaran'ny Google. Na dia tsy zava-baovao aza izany, mbola henjana hatrany ny tendrim-pahefana midadasika sy manafay ataon'ny governemanta Shinoa.

Sam’ s World manome antsika ny fijeriny momba ny Fihaonambe Voalohany momba ny Aterineto Arabo, natao tao Beirota vao haingana. Hoy izy:

For the first time, the Arab web industry has its conference bringing together leaders from across the MENA, Europe and Silicon Valley to discuss cutting-edge trends and emerging opportunities.

How to settle up your e-business or manage/promote your e-commerce? Online advertising, social media, entrepreneurship, startups, emerging opportunities … These and more will be discussed during the 2 days Arabnet 2010 event (March 25 & 26)

Sambany nanana ny fihaonambeny voalohany mampiray ireo mpitarika manerana ny Afovoany Atsinanana Afrika Avaratra, Eoropa sy Silicon Valley ny indostrian'ny aterineto Arabo mba hiresaka ireo fironana sy ireo fanararaotra misandratra.

Ahoana no fomba hametrahana ny e-fihariana na mitantana/mampiroborobo ny e-varotrao? Dokambarotra antserasera, media sosialy, fandraharahana, startups (fananganana orinasa), fanararaotra misandratra… Izany ary mbola maro ireo horesahana mandritra ny hetsika Arabnet 2010 roa andro (25 & 26Martsa)

Sula7fet, mpianatra teny Anglisy sady mpikambana vaovao ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Toniziana mizara amintsika ny sombiny tamin'ny boky novakiany:

The Paranoid Style in American Politics by Richard Hoftasadter , when reading the title I first thought that the issue s discussed in the book will be mainly addressed to the American reader , I remember taht i took a moment , hesitated for a while , and then asked how much ?

Ny Endrika fatra-piahiahy amin'ny Politika Amerikana nosoratan'i Richard Hoftasadter, rehefa namaky ny lohateny, ny eritreritro voalohany dia hoe miantefa indrindra any amin'ny mpamaky Amerikana aloha ny lohahevitra ao amin'ny boky, tsaroako fa naka fotoana aho, nisalasala nandritra ny fotoana fohy ary avy eo nanontaniana hoe ohatrinona ?

Antenaina fa hanome aina vaovao ho an'ny tontolon'ny bilaogy Toniziana ity fironana ara-piteny vaovao amin'ny fampiasana ny teny Anglisy ity ary hampiditra izany ho an'ny mpamaky manerana izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.