Tari-Dian'ny GV Raha Hitsidika An'i Taipei, Taiwan

Sary avy amin'i I-Fan Lin, nahazoana alalana

Ity manaraka ity no lahatsoratra voalohany amin'ny andian-dahatsoratra vaovao hatombotsika ato amin'ny Blog Community izay ao anatin'ny tetikasa GV LIFEstyles. Fahafahana ho an'ny mpikambana ato amin'ny fiarahamonim-pirenena GV mba hizara hevitra sy toro-hevitra momba ny tanindrazany na tanàna misy azy. Raha mikasa ny hitsidika an'i Taipei ianao, aza misalasala mifandray amin'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity raha mila soso-kevitra bebe kokoa, na mety handamina fotoana hiarahana misotro kafe mihitsy aza!

I-Fan Lin no anarako ary monina ao Taipei, Taïwan aho. Ireto ny soso-kevitro:

Toerana tsara tsidihana raha hijery ny fiposahan'ny masoandro / masoandro mody:

Cape Santiago is the best place to see sunrise in the great Taipei region. It is the easternmost point of the island of Taiwan, and there is a lighthouse.

To watch the sun set, Tamsui is the best place location. The tip to enjoy sun set in Tamsui is to walk along the riverbank until you reach the Hobe fishing harbor (toward the direction of Fort San Domingo). After the sun sets, it is time for the delicious food in Tamsui Old Street.

Cape Santiago no toerana tsara indrindra hijerena ny fiposahan'ny masoandro ao amin'ny faritra lehibe ao Taipei. Io no faritra atsinanana indrindra ao amin'ny nosy Taiwan, ary ahitana tilikambon-jiro.

Raha hijery ny fodian'ny masoandro, Tamsui no toerana tsara indrindra. Ny fankafizana ny masoandro mody ao Tamsui dia ny mandeha mitsangatsangana eny amoron'ny renirano mandrapahatonganao ao Hobe, toerana fanjonoana (mankany amin'ny Fort San Domingo). Aorian'ny fodian'ny masoandro, fotoana ho an'ny sakafo matsiro ao amin'ny Tamsui Old Street.

Sakafo tsara indrindra ao an-toerana “tokony” andraman'ny mpitsidika:

Bawan. Sary nalain'iy IcyNeko (CC BY 3.0).

For meat lovers, you should try ba-wan. Ba-wan is basically steamed meat dough. The dough is made of sweet potato starch and rice starch. After steamed, the skin of ba-wan becomes al dente and semi-translucent, which makes the meat inside very tempting.

Vegetarians can easily find veggie food and veggie-only restaurants in Taiwan because we have a large veggie population.

Veggie or not, if you are very adventurous, you can try stinky tofu. (I have warned you!) Usually it is veggie.

Ho an'ireo mpankafy sakafo, tokony anandrana ny ba-wan ianao. Pâty amin'ny hena nandrahoina amin'ny etona ny Ba-wan. Vita amin'ny tavolom-bomanga sy tavolom-bary ny pâty. Rehefa avy nahandroina tamin'ny etona, dia lasa tsy masaka loatra (al dente) sy tantera-pahazavana ampahany ny hoditry ny ba-wan, izay mahatonga ny sakafo mampite-hanandrana.

Ireo vezetariana dia mora mahita sakafo veggie sakafo sy trano fisakafoanana veggie any Taiwan satria betsaka ny mponina vezetarianay aty aminay.

Vezetariana na tsia, raha toa ka manjavozavo aminao dia azonao atao ny manandrana tofu. (Efa nampitandrina anao aho!) Veggie izany matetika.

Toerana tsara indrindra hifaneraserana amin'ny mponina ao an-toerana:

If you don't mind crowds, pay a visit to the markets. Dongmen market is a good choice before noon, and in the evening night markets like the one in Ningxia Road.

If you look for a quiet place where you can still mingle with locals, try Eslite Bookstore at Xinyi, which is open until midnight. Another choice is enjoying some cups of good tea with locals in a tea house. Wisteria Tea House is a good choice in downtown, but only in Maokong can you find 24-hr tea houses with great night view.

Raha tsy manahirana anao ny be olona, mandehana mitsidika tsena. Ny tsena Dongmen no safidy tsara alohan'ny mitataovovonana, ary ao amin'ny Ningxia Road ny tsena hariva tahaka izany.

Raha mitady toerana mangina ahafahanao mifangaro amin'ny mponina ao an-toerana ianao, dia andramo ny Trano Fivarotam-boky Eslite ao Xinyi, izay misokatra hatramin'ny misasakalina. Safidy iray hafa ny mankafy misotro dité miaraka amin'ny mponina ao amin'ny trano fisotroana dite. Wisteria Tea House no safidy tsara ao afovoan-tanàna, saingy ao Maokong ihany no ahitanao trano fisotroana dité 24 ora miaraka amin'ny tazana mahafinaritra amin'ny alina.

Toerana tsara indrindra miaraka amin'ny tontolo voajanahary:

Yangmingshan National Park. The park is easily accessible to the city by public transportation, and there are a lot of hiking trails. In addition to forests and waterfalls, you can also find volcanoes and hot springs there.

Valan-javaboaharim-pirenena Yangmingshan. Mora idirana ao an-tanàna amin'ny alalan'ny fitateram-bahoaka ny vala, ary maro ny dia an-tongotra. Ankoatra ny ala sy ny rian-drano, afaka mahita volkano sy loharano mafana ao ihany koa ianao.

Sary avy amin'i I-Fan Lin, nahazoana alalana.

Fotoana tsara indrindra hanaovana ny fitsidihana:

Spring time (March to June) and Autumn time (October and November).

Lohataona (Martsa hatramin'ny Jiona) Mihitsan-dravina (Oktobra hatramin'ny Novambra)

Toerana tsara hijerena zava-kanto an-dalambe:

Ximending, especially around the Taipei Cinema Park.

Ximending, indrindra manodidina ny Vala Sinemà Taipei.

Toerana tsara hahatsapana ny tantaran'ny tanàna:

Longshan Temple is a good choice to see the old Taipei. It was built in 1738, and it is still a very popular temple. Nearby Bopiliao also represents the settlement started more than 200 years ago.

On the other hand, 228 Memorial Peace Park can tell you the modern history of Taiwan in a nutshell. This park and the nearby Presidential Office Building and part of the National Taiwan University Hospital were all built in the Japanese colonial period. The 228 Memorial museum in the park was originally a radio station, contributing to the civilian support in the 228 incident, in which the Kuomintang from China repressed Taiwanese protesters. In addition, this park has been one of the favorite meeting spots for the city's gay population for decades, and a gate of this park was painted in rainbow colours to show the support for the LGBT movement.

Ny Tempolin'i Longshan no safidy tsara hijerena an'i Taipei fahiny. Niorina tamin'ny taona 1738,  mbola tempoly tena malaza izy. Bopiliao eo akaiky ihany koa dia mampiseho ny fanorenana nanomboka 200 taona mahery izay.

Amin'ny lafiny iray, ny 228 Memorial Peace Park dia afaka milaza aminao ny tantara maoderin'i Taiwan amin'ny fomba fohy. Samy naorina tamin'ny vanim-potoana fanjanahantany Japoney ity vala ity sy ny Tranobe Biraon'ny Filoham-pirenena eo akaiky ary ampahany amin'ny Hopitaly Oniversite Nasionaly ao Taiwan. Onjam-peo tany am-boalohany ny Mozea 228 Memorial ao amin'ny vala, nanampy tamin'ny fanohanana sivily tamin'ny tranga 228, izay nanaovan'ny Kuomintang avy any Shina famoretana an'ireo mpanao fihetsiketsehana Taiwaney. Ankoatra izany, iray amin'ireo toera-pivorian'ny pelaka ao an-tanàna nandritra ny am-polo taona ity valan-javaboary ity, ary nolokoina loko avana ny vavahadin'ity valan-javaboary ity mba hanehoana ny fanohanana ny hetsika LGBT.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.