- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona No Novakian'ireo Mpamaky Ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 12-18 Marsa?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Amerika Avaratra, Amerika Latina, Azia Afovoany sy Kaokazy, Azia Atsimo, Azia Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Karaiba, Oseania, Mediam-bahoaka
[1]

Sary avy amin'ilay mpisera Flick, Carlos Perez. CC BY-NC-ND 2.0

Mikaroka, manoratra, mamoaka lahatsoratra, ary mandika tantara ny vondrom-piarahamonina ato amin'ny Global Voices amin'ny tanjona hanohanana ny zon'olombelona sy hananganana ny tetezam-pifanakalozana manavatsava firenena, kolontsaina ary fiteny.

Tsy mamoaka lahatsoratra fotsiny izahay mba hahazo ‘kitika’ na hanaraka fironam-baovao fa manao izany kosa izahay satria tianay hatrany mba hisy fiantraikany manerana izao tontolo izao ny asa mafy ataonay.

Noho izany, ny fomba iray ilaina mba hamantarana izany dia ny fomba hamalian'ny mpamaky ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Andeha hojerentsika ary hoe iza ireo mpamaky ary inona avy ireo lahatsoratra nahasarika ny sain'izy ireo nandritra ny herinandron'ny 12 ka hatramin'ny 18 Martsa 2018.

Aiza eto amin'izao tontolo izao ireo mpamaky ny Global Voices?

Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 208 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tato amin'ny tranokalan'ny Global Voices :

1. Etazonia
2. Brezila
3. Frantsa
4. Meksika
5. Japana
6. Espaina
7. Però
8. Kolombia
9. Fanjakana Mitambatra
10. Italia
11. Alemaina
12. Taiwan
13. Filipina
14. Rosia
15. India
16. Bangladesh
17. Kanadà
18. Arzantina
19. Indonezia
20. Madagasikara

Saingy ampahany kely amin'ny fahasamihafana misy eo amin'ireo mpamaky ihany ireo. Andao ampiasaintsika ny True Random Number Generator [2] avy ao amin'ny Random.org ary hitopi-maso kely ireo firenena vitsivitsy hafa ao amin'ny lisitra isika:

187. Sierra Leone
207. Tiorka & Nosy Caicos
180. Monakô
99. Ghana
176. Belize

Global Voices amin'ny Teny Anglisy

Ny tranonkala amin'ny teny Anglisy no ahitana ny ankamaroan'ny votoaty mivoaka voalohany ato amin'ny Global Voices. Ireto ny lahatsoratra dimy voalohany be mpamaky indrindra tamin'ny herinandro lasa teo:

1. Lehilahy Trinidadiana Iray Namadika Ny Lavaka Amin'ny Arabe Ho Lasa Tavibe Fandroana Amin'ny Rano Mafana Tao Anatina Hetsi-panoherana Mahatsikaiky Nandaitra   [3]
2. Maty Nisy Nitifitra Tao An-tanànan'i Rio de Janeiro Ilay Mpanolo-tsainan'ny Tanàna sady Mpikatroka Zo Malaza. [4]
3. Zom-pirenena, Fanarahamaso sy Hetra: Angano Dystopika [5]
4. Manomboka amin'ny Graffiti hatramin'ny Politika, Lasa Miha-Miharihary ao Eoropa Atsinanana ny Kabary Anti-Semitika sy Neo-Nazi. [6]
5. Miverina ao Tonizia Indray ve ny Sivana? Didim-pitsarana Mandràra ny Lalao Anaty Aterineto “Blue Whale (Trozona Manga)” [7]

Global Voices Lingua

Ny Lingua dia tetikasa iray mandika an-tsoratra ireo tantara ato amin'ny Global Voices amin'ny fiteny hafa ankoatra ny teny Anglisy. Misy 30 eo ho eo ny tranonkala Lingua mavitrika. Ireto ambany ireto ny tantara be mpamaky indrindra na nanaovana fandikanteny tao amin'ny tranonkalan'ny fiteny mavitrika tsirairay avy tamin'ny herinandro lasa teo.

Arabo

Aymara

Bangla

Boligara

Shinoa (notsorina)

Shinoa (nentim-paharazana)

Tsheky

Holandey

Esperanto

Farsi

Frantsay

Alemà

Grika

Hindi

Hongroà

Italiana

Japoney

Koreana

Kiorda

Makedoniana

Malagasy

Nepaley

Pôlôney

Portiogey

Punjabi

Romaniana

Rosiana

Serba

Espaniola

Tiorka

Urdu