- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Saripika: Fivorian'ny GV Advocacy Tany Budapest

Sokajy: IrĂ na, Syria, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Tamin'ny 26 Jona 2008 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mpikatroka marobe no nivory tao Budapest mba hiresaka momba ny fandrahonana ny fanehoan-kevitra malalaka antserasera sy hitady fomba hanaovana hetsika manohitra ny sivana manerantany.

Rehefa nanomboka ny fivoriana maraina dia nisaotra ireo rehetra tonga tamin'ny vovonana teo am-panokafana izany ilay mpiara-manorina ny Global Voices Ethan Zuckerman. Nanamarika i Sami Ben Gharbia, talen'ny Global Voices Advocacy fa tsy afaka nanatrika ny vovonana ny mpikatroka sasany noho ny olana momba ny visa sy ny famerana hafa.

Ireo sary sasany tamin'ny vovonana araka ny fandroson'ny fivoriana:

Ny Fivoriana Maraina:

[1]

Rob Faris mihaino an'i Rebecca MacKinnon

[2]

Ny sasany amin'ireo mpanao famelabelaran-kevitra

[3]

Ny sasany tamin'ireo mpandray anjara

[4]

Nart Villenueve: Mamantatra ny fanivanana aterineto

[5]

Mpandray anjara hafa

[6]

Roger Dingledine: manapatapak'ahitra momba ny TOR

[7]
Chris Walker: Miresaka TOR & Psiphon

Fivoriana Hariva:

[8]

Robert Guerra miresaka momba ny fomba fijerin'ny mpisera

[9]

Ireo mpandray anjara mifanakalo hevitra

[10]

Xiao Qiang miresaka momba ny fomba hanamafisana ny feon'ny olom-pirenena

[11]

Paul Maassen manontany hoe “ilaina ve ny famatsiam-bola ho an'ny fikatrohana antserasera?”

[12]

Ireo mpandray anjara milaza ny fomba fijeriny

[13]

Fotoana vakijejy (famoahan-kevitra)

Araho ao amin'ny tranonkalan'ny vovonana [14] sy ao amin'ity tranonkala ity ny vaovao fanampiny.