- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Repoblika Dominikàna: Manontany momba Ny Ronono Omena ny Mpianatra

Sokajy: Amerika Latina, Repoblika Dominikana, Mediam-bahoaka, Sakafo, Tanora

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)
[1]

Sary avy amin'i Guille Padilla [2], lisansa Creative Commons

Amin'izay mety ho toa vaovao bitika tsy misy fiantraikany, ao anatin'ny raharaham-panafintohinana ronono ny Repoblika Dominikana ary efa nisy ny bilaogy nilaza fa ranon-tsiramamy no nomena ny mpianatra raha tokony ho ronono manontolo na ara-dalàna. Manoratra ny Daily Dominican [en]:

The Dominican Pediatrics Society (SDP) is calling for the Ministry of Education to discontinue the purchase of a breakfast drink that a TV investigative journalist Nuria Piera determined fails to meet its own established minimum standards of nutrition. Dr. Tharsis Hernandez, president of the SDP said that what the Ministry is serving is “whey” or “water with sugar.

Miantso ny Minisitry ny Fanabeazana ny Fikambanana Dominikana Misahana ny Kilonga sy ny Aretiny (SDP) mba hampitsahatra ny fividianana fisotro maraina izay nofaritan'ilay mpanao gazety mpanadihady, Nuria Piera tamin'ny fahitalavitra fa tsy mahafeno ny fepetra ambany indrindra ilaina haha-sakafo azy. Nilaza i Dr. Tharsis Hernandez, filohan'ny SDP fa “lactosérum” na “ranon-tsiramamy no omen'ny minisitera.

Manana fifanarahana amin'ireo mpamatsy ronono samihafa ny minisiteran'ny fanabeazana, iray amin'ireo ny Dominican Dairy Producers (Ladom), araka ny filazan'ny Blog Santo Domingo [es]. Ny minisitra Alejandrina German no manampahefana mitantana ny kalitaon'ny ronono omena ny ankizy eny an-tsekoly, manan-janaka vavy mitàna toerana ambony ao amin'ny Ladom izy. Nilaza i German fa tsy mampidi-doza ity ranoka ity [3]:

Pero esa no es la inquietud en relación al líquido que Lacteos Dominicanos (LADOM) introduce en nuestras escuelas públicas y pretende hacer pasar por leche. El problema está en que este líquido no tiene los nutrientes suficientes para llamarse leche y es comparable a un suero de agua con colorante. Frente a estas acusaciones Alejandrina Germán se hizo la loca y declaró que el líquido no intoxica. ¿Y cuando ha visto ella que el agua con colorante intoxica?

Na izany aza, tsy izany no olana mifandraika amin'ny ranoka izay omen'ny LADOM ho an'ny  sekolim-panjakana sy miezaka manome izany ho toy ny ronono. Ny olana dia tsy ampy sokajy ilaina izany ranoka izany ka tsy azo atao hoe ronono ary azo oharina amin'ny IV ho rano miloko. Manoloana ireo fiampangàna ireo, manao hadalana i Alejandrina Germán ary nilaza fa tsy misy poizina ilay rano. Efa nahita rano nolokoina mampidi-doza ve izy?

Piera, mpanao gazety ao amin'ny Color Vision no namoaka ny vaovao voalohany tamin'ny voalohandohan'ny volana Jona. Clave Digital [es] nibilaogy fa nahazo taratasy avy aminà ray aman-dreny iray momba ny haratsian'ny kalitaon'ny ronono nomena ny zanany izy ary nilaza ny tsy fahazoan'ny ray aman-dreny manome ronono hafa ho an'ny zanany. Nanao andrana manokana tamin'ny ronono i Piera, miaraka amin'ny namana mpanao gazety iray, Odalis Castillo, ary nahita fa tsy mahafeno ny fepetra faran'izay kely indrindra  amin'ny proteinina ny marika Ladom.

Nandà izany fanambaràna izany i German, araka ny filazan'ny Clave Digital [es], nilaza fa tsy nisy ronono mihitsy tao amin'ny rafi-pampianarana izay tsy nahafeno ny fepetra momba ny proteinina. Na izany aza, rehefa noteren'ny mpanao gazety, tsy nety nilaza momba ilay mpamatsy ronono naato nandritra ny fotoana fohy izy.

Nanoratra ilay bilaogera Leoncio Bautista ao amin'ny El Informador [es] [4]fa: nilaza ny filohan'ny Fikambanan'ny Mpivarotra Dominikana, Ivan Garcia fa iharan'ny fanafihana foana ireo Orinasan'ny Sakafo Dominikana (Ladom) isan-taona noho ny tsy fahafahan'ny mpamokatra hafa mahatratra ny fepetra tsara ananan'ny  Ladom; ary mitarika fiampangana diso tahaka ireny ny fifaninanana amin'ity karazana fihariana ity.

Explicó que ahora se han inventado que la leche que sirve esta industria al Desayuno Escolar “es pura agua”, una denuncia falaz, sin fundamentos, que no resiste al más mínimo razonamiento de una población inteligente, como la dominicana, que sabe distinguir entre lo bueno y lo malo, lo que tiene calidad en el mercado.

Manazava i (Garcia) fa ny fanambarana hoe “rano madio” ny ronono ao amin'io orinasa io izay atao Sakafo maraina eny an-tsekoly dia diso sy tsy misy porofo, ary tsy tohanan'ny hevitra bitika indrindra avy amin'ny mponina manan-tsaina, toy ny Dominikàna, izay mahafantatra ny fomba hanavahana ny kalitao tsara sy ny kalitao ratsy izay hita eny an-tsena.