- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanjary Mpitati-baovao Momba Ny Ady Ny Tanoran'i Ghouta Hanasongadinana Ny Fijalian'ny Sivily

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Noor sy Alaa maka sary ny faharavàna nateraky ny fanafihana an'habakabaka nataon'ny fitondrana Syriana tao Ghouta Atsinanana. Nahazoana alalana.

Ity lahatsoratra manaraka ity dia andiana fijoroana vavolombelona avy ao Ghouta Atsinanana. Nilatsaka taorian'ny fijoroana vavolombelona roa avy amina mpanampy mpitsabo [1] sy mpitsabo nify [2] tao Ghouta Atsinanana (manodidina an'i Damaskosy), nivoaka ny 20 Febroary sy 4 Martsa avy izany, ary navoakan'ny fikambanana Act For Ghouta [3]. Namoaka fijoroana vavolombelona avy ao Damaskosy ihany koa ny Global Voices, izay azonao vakiana ato [4][mg].

Fehezin'ireo mpikomy manohitra ny fitondrana, teo ambany ny fahiranon'ny fitondrana Syriana an'i Bashar Assad sy ny mpiara-dia aminy i Ghouta Atsinanana nanomboka tamin'ny faran'ny taona 2013 [5]. Saingy tao anatin'ny herinandro vitsivitsy, nihamafy ny herisetra. Tao anatin'ny tapa-bolana teo anelanelan'ny harivan'ny 18 Febroary hatramin'ny harivan'ny 3 Marsa, nilaza ny tahiry ara-pitsaboana avy amin'ny Médecins Sans Frontières (MSF) [6] fa 4.829 no naratra ary 1.005 no maty na 344 naratra ary 71 no maty isan'andro. Simba be ihany koa ny fotodrafitrasa sivily, hopitaly sy tobi-pahasalamana [7] 25 mahery [7] no simba [7],  mihoatra ny indray mandeha isan'andro tao anatin'ny efatra andro ny sasany.

Mpirahavavy avy ao Ghouta Atsinanana,  Al-Noor 12 taona sy Alaa, 8 taona, no niditra Twitter tamin'ny kaonty itambaran'izy ireo [8] mba hiresaka momba ny fitohizan'ny fahirano.

Nahita ankizy kamboty sy tsy manan-kialofana am-polony tsy misy mpikarakara rehefa nilaozan-dray aman-dreniny ireo tovovavy sy ny renin'izy ireo. Noforonin'i Al-Khateeb ny kaonty Twitter ho an'ireo zanany vavy, manantena fa hahita ny zava-nitranga ao Ghouta ny olona ka mangataka (isian'ny) hetsika.

Nifandray tamin'ilay tanora Noor, izay niresaka ny antony naniriany ho lasa mpanao gazety ny Global Voices (GV):

I want to be a journalist to convey the innocents’ suffering or study chemistry to make medicine to the people.

Te-ho mpanao gazety aho mba hampita ny fijalian'ireo tsy manan-tsiny na hianatra shimia mba hanamboatra fanafody ho an'ny vahoaka.

Na dia eo aza ny fahirano, nankany an-tsekoly i Noor ary iray tamin'ireo mpianatra kilasy fahaefatra mamiratra indrindra tao an-tsekoly. Saingy voadaroka baomba nalefan'ny fitondrana Assad vao haingana ny sekoliny ary nanakana azy tsy handeha any an-tsekoly hafa ny hetsika ara-miaramila misy [5].

Ankehitriny, ao an-trano no handanian'i Noor sy ny fianakaviany ny ankamaroan'ny fotoana.

Tafavoaka velona tamin'ny fanafihana an'habakabaka izy ireo, fanafihana nikendry ny mpifanolo-bodirindrina amin'izy ireo ary naratra kely tamin'izany i Alaa.

Mandehandeha eny an-dalambe na mitsidika toeram-pialofana izy roa vavy indraindray mba haka sary sy hiresaka momba ny fitomboan'ny krizy maha-olona. Nilaza i Al-Khateeb, renin'izy ireo, raha niresaka tamin'ny GV fa nanjary sahiran-tsaina fatratra izy ireo:

Most of the time the girls stay close to me and hug me and start crying when an air strike hit nearby. We don't have much food, only some herbs like parsley, nor water to drink or shower.

Amin'ny ankapobeny mijanona eo akaikiko izy roa vavy ary mamihina ahy sy manomboka mitomany rehefa misy daroka an'habakabaka mitranga eo akaiky. Tsy manana sakafo be dia be izahay, fa anana vitsivitsy tahaka ny persily, ary tsy misy rano sotroina na handroana.

Nalaina horonantsary sy nalefa tao amin'ny Twitter ny takaitra navelan'ny fanafihana tamin'ny 22 Febroary 2018. Fampitandremana: mampihoro-koditra ny lahatsary.

Tahian'Andriamanitra, vonjeo izahay!

Ao amin'ny lahatsary, mitomany i Noor:

Why is he bombing us? What have we done to him? And what does he want from us?

Nahoana no midaroka baomba anay? Fa inona no nataonay taminy? Ary inona no tadiaviny aminay?

Maniry ny fampitsaharana ny daroka baomba i Noor sy Alla, tahaka ny ankizy hafa mba ahafahan'izy ireo miverina an-tsekoly sy miaina fiainana ara-dalàna, hoy ny renin'izy ireo Al-Khateeb tamin'ny GV.

Mandrakitra ny ady

Matetika heverina fa ady voarakitra indrindra eo amin'ny tantara ny ady Syriana, noho ireo Syriana tenany nandrakitra izany.

Fito taona lasa izay, raha nipetraka tao an-dakilasy i Mahrous Mazen, 20 taona,, tsy nieritreritra mihitsy izy fa ho lasa mpaka sary mpanao gazety mitantara ny fijalian'ireo mponina ao an-tanànany, Douma, iray amin'ireo tanànan'i Ghouta Atsinanana.

Saingy noho ny horohoron'ny ady nahazo an'i Syria, nanapa-kevitra ho lasa mpaka sary i Mazen.

Mahrous Mazen mihazona kamerà sy maka sary ny fanafihana an'habakabaka ataon'ny fitondrana Syriana. Loharanontsary: Twitter [14].

Maka ny fakantsariny isanandro i Mazen mba haka sary ny fandringanana, ny maty sy ny naratra nateraky ny hetsika daroka baomba nataon'ny fitondrana Syriana sy ny Rosiana mpiara-dia aminy.

Mamoaka sary isan'andro ao amin'ny Twitter, Facebook ary Instagram i Mazen na mandefa izany any amin'ny sampam-baovao “mba hahitan'izao tontolo izao ireo horohoro ireo”, hoy izy tamin'ny GV.

Mpaka sary mandrakitra ny fiainana andavanandron'ny olombelona ao #Eastern_Ghouta  [15]atao fahirano, ao #Douma
Tohano ny kaonty azafady
Misaotra ny rehetra

Nilaza tamin'ny GV i Mahrous fa maty tamin'ny fanafihana an'habakabaka nataon'ny fiaramanidin'ny fitondrana tamin'ny taona 2014 ny rainy. Monina amin'ny toeram-pialokalofana ao Ghouta miaraka amin'ny fianakaviany sy ny mpifanolo-bodirindrina aminy izy ankehitriny.

Toerana ambanin'ny tany tsotra fotsiny ireo toeram-pialokalofana, tsy misy fitaovana ilaina hiarovana ny sivily amin'ny fanafihana an'habakabaka.

Every shelter hosts 30 to 40 family, I've visited one in Arbin that hosts 120 families.

Mampiantrano fianakaviana 30 hatramin'ny 40 ny toeram-pialokalofana tsirairay, nitsidika iray tao Arbin izay ahitana fianakaviana 120 aho.

Manohy i Mazen

It's very hard to get an internet connection in order to upload the photos and videos because of intensive shelling. Many families are still buried under the rubbles and can't be reached by White Helmets [19].

Sarotra be ny mahazo fifandraisana aterineto mba hampakarana ireo sary sy lahatsary noho ny fipoahana baomba misesisesy. Fianakaviana marobe no mbola mihitsoka anaty korontan-trano rava sy tsy mety hitan'ny Aroloha Fotsy [19].

Nilaza tamin'ny GV i Mazen fa tsy manaiky ny handao an'i Ghouta izy. Matahotra ny fandringanana tanteraka an'i Ghouta izy, manondro ny tanànan'i Aleppo [20], izay rava tanteraka tamin'ny taona 2016. Tsy matoky ny fanambaran'ny fitondrana ankehitriny hiantoka fialokalofana azo antoka i Mazen satria matetika izy (fitondrana) manitsakitsaka izany fifanarahana izany.

Manamarika ihany koa izy fa na dia nokendrena [21] aza ny Firenena Mikambana (ONU) any Syria raha namely ny toerana ao akaikin'ireo kamiao fanampian'ny Firenena Mikambana teo am-pizarana sakafo ny fiaramanidina kely. Nogiazan'ny fitondrana  [22]ihany koa ireo fitaovam-pitsaboana ho alefa any Ghouta tamin'ny 5 martsa.