- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

An-tapitrisany Ireo Nidina Eny An-dalambe Mba Haneho Fanohanana Ny Tolon'ny Vehivavy Eo Amin'ny Tantaran'i Espaina

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Espaina, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Vaovao Tsara, Vehivavy sy Miralenta
[1]

Fihetsiketsehana 8-Marsa ao Madrid, Barcelona, Seville sy Vigo. Sary avy amin'ny tranonkala eldiario.es, lisansa CC-BY-SA.

Olona dimy tapitrisa mahery (mety ho enina tapitrisa mihitsy aza [2]) no nanao fitokonana tany Espaina tamin'ny 8 martsa mba hampiseho ny fanohanan'izy ireo ny tolona ho an'ny vehivavy amin'ny hetsika goavana iray izay heverin'ny maro ho fotoana manan-tantara eo amin'ny ady ho amin'ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy.

Tena nahomby tokoa io hetsika io ary nahazo fitantaram-baovao iraisam-pirenena [3] goavana. Manantona ny bolozin'izy ireo eny an-davarangana [4] izay hetsika fanehoana firaisankina ataon'ireo tsy afaka mandray anjara amin'ny fitokonana noho ny asa na ny adidy an-tokantrano ireo vehivavy.

Iray amin'ireo antony lehibe nahatonga ny fitokonana ny fiantraika ara-toekarena tamin'ny krizy izay namely ny vehivavy kokoa noho ny lehilahy.  3,4% ambony kokoa ny tsy fananan'asan'ny vehivavy [5] raha oharina amimn'ny tsy fananan'asan'ny lehilahy ary avo telo heny amin'ny lehilahy ny tsy fiarovana arak'asan'ny vehivavy. Ny elanelan-karama, araka ny tatitry ny Eurostat [6] farany, dia 14.9% izay midika ho vola fanampiana ambany sy isanjato ambony ho an'ny vehivavy miaina olana ara-toekarena.

Fanampin'izany, nanampy tamin'ny fitomboan'ny fitokonana ny fampahalalam-baovao mahazatra sy ny media sosialy. Tao anatin'izay andro vitsy lasa izay, mitantara betsaka ny hevitr'ireo mpanao politika manan-kery indrindra tamin'ity fitokonan'ny vehivavy ity ny gazety. Nahitana fanohanana tsy misy fepetra avy amin'ireo mpitarika ny vondrona Unidos Podemos (‘Mahavita zavatra rehefa Miray’) ny fanehoan-kevitra [7], ary nisy koa ny fanehoan-kevitra mivaivay avy amin'ny  PSOE [8] izay nanohana ny fitakian'ny vehivavy fa tsy ny fitokonana, tao koa ny fitsipahana mivantana avy amin'ny Antokom-bahoaka  [9]izay mitantana ny firenena.

Tsara marihana ny fiovam-pijery goavana noraisin'ny ny Antokom-bahoaka. Tany am-piandohan'ny herinandro naneho hevitra [10] ny mpikambana tao amin'ny antoko ary niampanga ny fitokonana ho mandrisika ny “fifandonana eo amin'ny lehilahy sy ny vehivavy” ary mikasa ny “hanapotika ny maodelin'ny fiarahamonina tandrefana misy antsika”, milaza izany ho “tsy tompon'andraikitra, elitista (manindrahindra ny sangany) sy tsy mankasitraka”. Tamin'ny andron'ny fitokonana, nahataitra ny rehetra ny Filoha Mariano Rajoy tamin'ny fanohanany ny hetsiky ny mpandala ny vehivavy sy nandà [11] ny fijerin'ireo mpitarika sasany ao amin'ny antokony, izay lasa lavitra mihitsy ny sasany tamin'ny fiampangana ny vehivavy ho sangany ary nanontany hoe [12] “iza no hikarakara ireo zokiolona sy ny zaza tsy ampy taona? “:

¿No pueden esas mujeres ir a la huelga? ¿No pueden las autónomas ir a la huelga? Esa huelga es para las élites feministas y no para las mujeres reales que tienen obligaciones.

Tsy marina ve fa tsy afaka manao fitokonana ireo vehivavy ireo? Tsy marina ve fa tsy afaka manao fitokonana ny mpiasa tena? Ity fitokonana ity dia ho an'ny vehivavy sangany fa tsy ho an'ny tena vehivavy manana adidy aman'andraikitra.

Hevitra mifanipaka: adihevitra momba ny fanavakavahana ao anatin'ny hetsika feminista Espaniola

Nitatitra  [13]ny vondrona Afroféminas fa tsy mikasa hanatevin-daharana ny fitokonana satria heveriny fa vokatra avy amin'ny “feminisma mahazatra, fotsy hoditra” izany:

No hay representación, ni visibilización de nuestras posturas, y nuestra principal reivindicación como mujeres racializadas [es que] el racismo se obvia, ya que en realidad, no se le da ninguna importancia. La brecha más grande es entre blancxs y racializadxs.

Tsy misy solontena na toerana ho an'ny fijerinay izany ary ny fanambaranay lehibe amin'ny maha vehivavy voahilikilika [dia] na dia miharihary aza ny fanavakavaham-bolonkoditra, raha ny tena izy, tsy omena lanjany izany. Ny elanelana lehibe dia eo amin'ny fotsy hoditra sy ny olona voahilikilika.

Nahatonga ny vehivavy sasany ho tezitra ity fomba fijery ity, tahaka an'i “qwerty”, izay naneho hevitra [14] tao amin'ny tranonkala:

Vamos, el problema es que no os victimizan lo suficiente. En lugar de pelear por salir adelante, a llorar para dar pena. Claro que sí, guapis.

Jereo tsara, ny olana dia tsy manao anao ho lasibatra tsara izy ireo. Raha tokony hiady mba handroso ianareo dia mitomany fangorahana. Mazava ho azy, ry mahatehotia.

Saingy nahatakatra ny anton'ireo fihetsiketsehana ireo ny ankamaroan'ny olona, toa an'i Carolina, izay nandray anjara [13] tamin'ny adihevitra tao amin'ny tranonkala ihany koa:

Gracias por vuestro testimonio, de este nos queda reflexionar y trabajar todo lo posible para incluir a todas. No hay excusas que valgan, hay que trabajar esto ya. Gracias.

Misaotra tamin'ny fijoroanao vavolombelona, tsy maintsy misaintsaina an'io olana io isika ary manao izay rehetra azo atao mba hampidirana ny tsirairay. Tsy misy fialantsiny manankery. Mila miara-miasa amin'ireo olana ireo isika. Misaotra anao.

Ny toeran'ny Fiangonana sy ny valiny ao amin'ny media sosialy

Ny fiangonana katôlika koa dia naneho hevitra momba ny hetsika feminista, na dia mifanohitra aza ny heviny. Etsy ankilany, nilaza ny arsevekan'i Madrid, Carlos Osoro [15] fa nahatakatra ny antony mahatonga ireo vehivavy manohana ny fitokonana satria tsy maintsy “hiaro ny zony” izy ireo, ary nofaranany hoe: “Te hanohana izany ihany koa aho, fa raha ny marina, efa manohana i Maria Virijiny.” Na dia izany aza, niresaka [16] tamin'ny Radio Maria ny Eveka San Sebastian Ignacio Munilla, fanta-daza amin'ny fomba fijeriny mpandala ny nentin-drazana hiringiriny mampiadihevitra. Hoy izy:

Es curioso cómo el demonio puede meter un gol desde las propias filas. El feminismo, al haber asumido la ideología de género, se ha hecho una especie de ‘hara kiri’

Mahaliana ny fomba ahafahan'ny devoly manatratra tanjona eo amin'ny laharana misy azy. Feminisma, raha nandray ny foto-kevitra (maha-)lahy sy vavy, ka nanjary karazana ‘hara-kiri’ (manondro ny fomba famonoan-tena Japoney ara-pomba, Seppuku)

Nanosika ilay mpisera Twitter antsoina hoe Filosofía Perdida hamaly izany:

#EsMachismoCuando [17] (#OvianaNyMashisma) hitanao ny devoly amin'ny feminisma sy ny fitovian-jo saingy tsy hitanao amin'ny pederasty (toetran'ny lehilahy tia lehilahy) na pedophilia (fametavetana ankizy) izany.

Nalaza tao amin'ny media sosialy ny tenirohy #EsMachismoCuando (#OvianaNyMashisma) ary niteraka adihevitra mafana:

#EsMachismoCuando (#OvianaNyMashisma) mpamono olona ny vehivavy manala zaza, saingy mody lazaina fa mpamono olona ny lehilahy mamono ny vadiny.

#EsMachismoCuando (#OvianaNyMashisma) mandefitra ny lehilahy ary mihomehy mihitsy amin'ny fanambaniana vehivavy ataon'ny hafa ary tsy manana herim-po hanasazy azy ireo isika.

#EsMachismoCuando (#OvianaNyMashisma)

- Maninona ianao no miakanjo tahaka izao? Andeha ho any am-pianarana sa hanao fety?
-Mipetraha tahaka ny vehivavy
-Tsy maintsy mitady lehilahy manam-bola ianao
-Hafa izany ho an'ny anadahinao (rahalahinao), zazavavy ianao
-Iza no hanambady anao raha tsy mahay manendy atody?

Nampiasa izany tenirohy izany ihany ny hafa mba haneho hevitra mifanohitra tanteraka:

#EsMachismoCuando (#OvianaNyMashisma) ireo izay miantso ny tenany fa feminista dia manery ahy hankahala ny lehilahy rehetra, mba hanaraka ny antso hoe ‘machete to macho’.

EsMachismoCuando (#OvianaNyMashisma) liana ny vehivavy. Tsy misy vehivavy teraka manana fifanarahana eo an-tanany manery azy hanambady, hanan-janaka, sns. Safidy izany. Tsara ny milalao ho lasibatra amin'ny fotoana rehetra. Tsy afaka milomano  sady mikarakara ny akanjonao amin'ny fotoana iray ianao. Maniry ny zava-drehetra ianareo (ny sasany aminareo).

#EsMachismoCuando (#OvianaNyMashisma) misaraka ny mpivady ka lasa tsy manana trano ny lehilahy ary manome vola fanampiana ho an'ny ankizy isaky ny 15 andro; ary koa, raha misy vehivavy manameloka lehilahy iray sy misambotra azy tsy mba manontany azy akory; rehefa izay tianao ho hita ihany no hitanao.

Na dia eo aza ny fanehoan-kevitra samihafa sy ny adihevitra mafana, mazava fa ny 8 martsa 2018 dia hipetraka ho tantara ho toy ny andro manan-danja ho an'ny fitakian'ny vehivavy ao Espaina.