Korea: Ireo Koreanina Mpianatra Any Etazonia

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2008)

Misy Koreanina mpianatra maherin'ny 100.000 any Etazonia. Izany no vaovao nibahana tany Korea tamin'ny herinandro lasa teo. Roa taona amin'ity izao, nanampy an'i Korea ny fitomboana 10 isanjato isan-taona mba hijanona ho firenena lohany mpandefa mpianatra any Etazonia, eo alohan'i India sy Shina, Ireo Koreanina mpianatra ao amin'ny Oniversite an'ny Harvard no fahatelo betsaka indrindra aorian'ny Kanadianina sy Shinoa. Toa niteraka fanehoankevitra mavitrik'ireo mpampiasa aterineto io atontan'isa avy amin'ny Departemanta Amerikàna misahana ny Fiarovam-Pirenena io, tamin'ny andro fahefatr'ity volana ity, raha vao nanomboka nikiry tamin'ny fanomezan-danja ny fanabeazana amin'ny fomba Anglisy any amin'ny sekoly Koreanina ny governemanta Koreanina vaovao ary nanandrana ny hampiditra ireo ambaratongam-pianarana miteny Anglisy any amin'ny sekoly Koreanina tsotra.

Ny ankamaroan'ireo mpampiasa aterineto no mifantoka tamin'ny vola lanin'ireo Koreanina ho an'ny fanabeazana any Etazonia ary manontany ny lanjan'ny Anglisy eo amin'ny fiainan'izy ireo.

요 뉴스 접하면서 ‘나도 나갔다 와야 하는거 아닌가?’ 생각이 들었다. 근데 이건 순전히 미국 본토로 영어를 배우거나 교육을 위해 들어간 사람들의 수치로 동남아나 유럽, 호주 등으로 어학연수 등을 다니러 가는 사람까지 포함하면 정말 -_-;무역해 벌어들이는 수익이 모두 이런 것때문에 술술 빠져 나간다고 생각하니 좀 안타까운 생각이 든다. 물론 이들을 탓할 순 없지만 국가 교육이 얼마나 중요한지를 여실히 보여주는 대목이 아닌가 싶다. 교육에 대한 열정이 높은것을 탓할 수 없고, 보다 나은 환경에서 배우고자 하는 욕구를 말릴수 없지만 엄청난 비용을 들이면서까지 외국가서 공부해야만 할까? 배우고자 하는 사람의 의지만 있다면 솔직히 어느 곳에서 공부하던 큰 영향을 미치지 않는다는 것이 개인적인 생각이다. 물론 물가에 있는 말이 물을 더 쉽게 먹을 수 있겠지만 말이 물을 마시느냐 마느냐는 순전히 말의 의지에 따르지 않던가! 물론 나도 미국가서 2년정도 공부해 보고 싶은 마음이 있다. 물론 돈도 없어 실현될 가능성은 희박하지만 공부를 꼭 영어권 국가가서 해야 겠다는 생각은 들지 않는다.

가장 좋은 것은 바로 영어에 매달리는 사회적 풍토가 바뀌어야 하지 않을까 생각한다. 영어가 필수가 아니고 선택이 되었으면 하는 것이다. 세상 살면서 어떻게 모든 사람이 다 영어를 잘할 수 있고, 다 관심이 있을 수 있는가! 자신이 좋아하는 분야, 정말 관심있는 분야 공부하기도 힘든 판국에, 더불어 자신의 적성을 찾아 일자리 구하기도 힘든 판국에 무슨놈의 영어에 목을 매는가!물론 영어의 필요성은 느끼지만 요즘 한국의 작태는 정말 정도를 넘어선것 같다. 한글도 제대로 못하는 아이들에게 영어를 가르치는 현실이 안타깝다.[…]인적자원이다 인재다 강조는 하지만 정작 한국의 사회적 풍토에선 결국 사람이 돈으로 보이는 몹쓸 생각은 계속 변함 없으리라 생각한다[…]

운동 선수는 운동만 잘하면 되고, 학생은 공부만 열심히 하면 되는 대한민국. 언제나 실현될까? 과연 실현은 될까?

Teo am-pijerena io vaovao io, nahatsapa aho hoe “tsy tokony andeha ihany koa ve aho izany?” Ho an'ireo mpianatra any Etazonia io atontan'isa io. Tena mampivanàka raha ampidirintsika ireo mpianatra mandeha any Azia Atsimo Atsinanana, Eoraopa sy Aostralia…-_-  Mikoriana any amin'izany ireo tombony azontsika tamin'ny varotra sy ny indostria, nahatsiaro kivy aho. Mazava ho azy fa tsy afaka hanome tsiny azy ireo aho, kanefa mampiseho ny lanjan'ny fanabeazam-pirenena izy io. Tsy afaka mitsikera ny fanomezan'ny olona lanja ny fanabeazana aho ka hanakana ny fanirian'ireo olona te-hianatra ao anatinà fepetra tsara kokoa. Kanefa tsy maintsy hianatra any ivelany ve isika, ka handany ireo vola be ireo? Raha manana ilay faniriana hianatra ny olona iray, mihevitra aho fa tsy dia midika zavatra lehibe loatra na aiza na aiza izy ireo no mianatra. Mazava ho azy fa mora ho an'ny soavaly eo akaikin'ny tetezan-drano ny hisotro rano. Tsy miakina amin'ilay soavaly anefa ve izany hoe afaka misotro izy sa tsia? Te hianatra any Etazonia ihany koa aho: mandritra ny roa taona. Tsy manam-bola aho hany ka tsy manana fahafahana ny amin'izany. Mihevitra ihany koa aho anefa fa tsy voatery hianatra any amin'ny firenena miteny Anglisy.

Izao ny zavatra tena manan-danja indrindra: tokony hiova ilay toetra tia mifikitra loatra amin'ny teny Anglisy. Tsy dia tena hoe ilaina be ny teny Anglisy, fa safidy io. Ahoana no hahafahan'ny olona rehetra hiteny Anglisy tsara? Ary ahoana ny fomba hahaliana ny olona rehetra aminy? Sarotra ny mahita tany izay tiantsika hianarana ary sarotra ny mahita asa tiantsika hianarana. Ary ahoana ny fomba hiraiketantsika amin'ny teny Anglisy? Mazava ho azy fa haiko ny ilàna ny teny Anglisy, kanefa lafo loatra izany amin'izao. Mankarary aina ny mahita ny zava-misy hoe manandrana mampianatra teny anglisy an'ireo ankizy izay tsy mahay miteny Koreanina tsara akory […] Manome lanjany ny loharanon-karenan'ny olona sy ny talentany isika, fa ny fiarahamonina anefa dia mahita ny olombelona ho toy ny vola […] Ao Korea, tsy maintsy avo lenta amin'ny fanatanjahantena ireo atleta ary tsy maintsy mahay amin'ny fianarana ireo mpianatra. Rahoviana io no hifanaraka amin'ny zavamisy? Afaka ny hifanaraka amin'ny zavamisy ve io?

Ireto misy fanehoankevitra fohy marobe ilazan'izy ireo eo noho eo ny zavatra eritreretiny :

증말 속터지는 한국적 현실..무엇이 사람들을 이토록 영어에 미치게 하는가?
미국유학에 미치게 하는가?

Mahalasa adala ahy ny zava-misy ao Korea. Inona ny mahatonga ireo olona ho lasa adala amin'ny teny Anglisy? Maninona no lasa adala amin'ny fianarana any Etazonia izy ireo?

이러니 대한민국이 미국이 숨겨진 [주]라는 소릴 듣지

Izany no mahatonga an'i  Korea antsoina hoe ilay firenena miafin'i Etazonia.

Hita ho tena tsy nahafaly ireo mpampiasa aterineto ilay vaovao.

1. 어제 뉴스 보니 재미 한국 유학생이 10만명을 넘어섰고, 미국에 유학생을 보낸 나라 중 순위가 1등이라고 한다. 인구도 4,700만명 밖에 안되는 나라가 인도나 중국, 일본을 물리치고 또다시 세계적인 쾌거를 달성한 것이다. 일단 뭐든 1등은 좋은 것이다. 한국에서는 일단 1등이 최고니까..
2. 미국에서 유학하고 있는 학생들의 유학비용으로만 한 해에 50억달러가 넘는 돈이(공식 통계로만 잡힌) 송금되고 있다고 하니, 누구 말마따나 자동차, 반도체 팔아 힘들게 번 돈 다 유학비용으로 날리고 있는 셈이기도 하다. 그런데 놀라운 점은 10만 3천명의 재미 유학생 중 대학 이상에 유학하는 학생수가 6만 2천명이고, 나머지 4만 1천명 정도는 조기 유학생이라는 사실이다. 4만 명 이상의 미성년자를 미국에 조기 유학 보낼 수 있는 한국의 경제력도 놀랍고, 이렇게 어린 아이들을 기꺼이 미국으로 보내는 한국 부모들의 용기도 놀랍다.
3. 얼마 전에 어떤 모임이 있어서 교수, 국책연구원 박사, 공사 부장 등등과 같이 저녁식사를 한 적이 있었는데.. 그 중 2명인가 제외하고는 모두들 자식 중의 한 두명은 모두 미국에 있더라는 사실.. TV에서 조기 유학이 어떻고 기러기 아빠가 어떻고하는 뉴스를 들을 때는 마치 먼나라 이야기처럼 들렸는데, 막상 옆에서 조기 유학에 대해 너무나 당연스럽게 이야기하는 걸 지켜보니 정말 실감이 나는게 아니라 오히려 현실이 더 생경스럽더라는… 그 분들의 이야기를 듣다 보니 미국의 어떤 도시들은 마치 한국의 전라도나 경상도 어딘가에 있는가 아닌가 하는 착각이 다 들기도 하더라. 너무나 자연스럽게 이야기들을 하시니…
4. 한미 FTA 협상 시의 재밌는 에피소드 하나. 당시 협상에서 교육인적자원부는 미국의 교육시장 개방 요구만은 반드시 막겠다고 내부적으로 마지노선을 설정했었다고 한다. 하지만 막상 협상을 하니, 미국은 한국 교육시장 개방에 별다른 관심이 없었다는 사실.. 한국 교육 시장 개방해서 한국에 학교 짓고 투자해서 얻는 이익보다 그냥 한국 학생들이 미국으로 유학오도록 내버려둬서 이 유학생들이 미국에서 쓰는 돈이 훨씬 크기 때문이었다는… 공식 통계로 1년에 50억달러이니 비공식적으로는 1년에 70~80억달러나 되지 않을까 싶다. 별다른 투자도 없이 이 정도 수익을 1년에 낼 수 있는 산업이 얼마나 될까?
5. 미국으로 유학 가는 이들을 뭐라고 탓할 수도 없다. 그들이나 그 부모가 똑똑한 거니까.. 나는 요즘 사실 한국에서 살면서 내가 지금 사는 곳은 어디일까 하고 헷갈릴 때가 많기도 하다. 요즘 영어못하면 한국에서도 생활 못한다. 우리는 서울 SH공사(도대체 뭐의 약자인지도 모르겠다.)가 만든 아파트에 살며, 서울메트로(나는 처음에 서울 지하철에서만 배포되는 무가지인 줄 알았다.)에서 운영하는 메트로전철을 타고, 서울시에서 개최하는 Hi Seoul 페스티벌에 참석하며, ex 하이웨이를 Hi-Pass로 신속통과하고 K-Water(수자원 공사의 새 브랜드다)를 마시고 코레일 KTX를 타고 오린쥐를 까먹으며 Feel 경남으로 놀러 가니까..
6. 이게 우리의 자화상이다. 이런 현실에서 영어로 국사도 가르치고 국어도 가르치자고 하는 건 너무나 당연하고도 자연스러운 발상이다. 아니, 미국으로 송금되는 50억달러가 넘는 돈을 줄이려는 너무나도 애국적이고도 경제학적인 발상인 것이다. 그리고 10만명이 넘는 유학생들이 모두 미국에서 취직을 하는 것도 아닐텐데 미국에서 취직이라도 안되면 유학생들이 나쁜 길에 빠져서 제2의 조승희가 될지도 모르는데, 이런 학생들을 한국으로 유인하기 위해 영어만 잘하면 군대도 면제시켜 주고 교사자격증도 주어야 하는 것이다…

1. Araka ilay vaovao omaly, mahatratra 100.000 mahery ireo Koreanina mpianatra any Etazonia ary i Korea no firenena voalohany amin'ny fandefasana mpianatra any Etazonia. Maharesy an'i Indià, Shina ary Japàna ilay firenena manana mponina miisa 47 tapitrisa fotsiny. Azontsika ny voalohany. Amin'ny filaharana rehetra, tsara ny toerana voalohany. Ao Korea, ny filaharana voalohany no tsara indrindra.
2. Araka ny atontan'isa ofisialy, mandefa 5 tapitrisa dolara Amerikanina mahery isantaona i Korea mba ho volan'ireo mpianatra mianatra any Etazonia. Toy ny tenin'ny olona hoe, mafy ny fahazoantsika vola amin'ny fivarotana fiarakodia sy nykojakoja elektroika (semiconductors) ary ariantsika amin'ny fianarana daholo ilay vola. Ity no tena mahatalanjona, ao anatin'ireo Koreanina mpianatra 103.000 any Etazonia, 62.000 ireo mpianatra amin'ny ambaratonga ambony ary 41.000 ny mpianatra amin'ny ambaratonga voalohany sy faharoa. Gaga amin'ny tanjaka ara-toekrena'i Korea aho noho izy afaka mandefa zaza tsy ampy taona maherin'ny 40.000 any Etazonia ary noho ny fahafoizan'ireo ray aman-dreny Koreanina handefa an-kafaliana ireo zanany ho any Etazonia .
3. Nandritra ny fivoriana, andro maro lasa izay, nanana vintana niara-nisakafo tamin'ny mpampianatra, mpikaroka ary mpitantana orinasa aho. Ankoatr'ireo olona roa tao, dia samy mandefa daholo any Etazonia ny zanany iray na roa izy rehetra. Toy ny tantara any amin'ny firenena lavitra ilay izy raha nahita ilay vaovao momba ilay raim-pianakaviana gisa (fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: ny ‘goose father’ na raim-pianakaviana gisa dia anondroana ireo raim-pianakaviana miasa eo amin'ny firenena niaviany ary mandefa kosa ny vola ho fanohanana ny vady aman-janany miaina sy mianatra any ivelany ) sy ny fianarana mialoha be any ivelany aho. Raha ny marina, eo am-pijerena ireo olona izay miresaka momba ny fianarana any ivelany mialoha be, tsapako ny zava-misy any lavitra fa tsy ny akaiky. Eo am-pihainoana ny tantaran'izy ireo, sahiran-tsaina aho hoe maro amin'ireo tanàna any Etazonia no mitovy amin'ny faritanin'ny Jeolla na Kyungsang. Voajanahary ny firesahan'izy ireo an'ireo tanàna ireo.
4. Ampahany iray mahaliana tamin'ny fotoan'ny fifampiresahana teo amin'ny Korea sy Amerika momba ny FTA. Tamin'izany fotoana izany, efa nandà tamin'ny fomba rehetra ny fisokafan'ny tsenan'ny fanabeazana amin'i Etazonia ny Minisitrin'ny Fanabeazana. Kanefa raha nanomboka ny fifampiresahana izy ireo, tsy liana tamin'ny tsenan'ny fanabeazana i Etazonia. Raha ny marina, mampidi-bola kokoa ho an'i Etazonia noho ny fananganana sekoly ary ny fahazoana tombony amin'ny fampiasana vola ny famelàna ireo mpianatra Koreanina ho tonga hianatra any Etazonia. Miteny ny atontan'isa ofisialy fa 5 tapitrisa dolara ny tombony isantaona, ary noho izany, tsy maintsy any amin'ny manodidina ny 7-8 tapitrisa dolara any izy io. Amin'ny tsy fampiasana vola, indostria toy ny ahoana no hahazo izany tombony be izany?
5. Tsy afaka manome tsiny ireo olona mandeha any Amerika mba hianatra aho. Manan-tsaina izy ireo na ny ray aman-dreniny… Raha mipetraka aty Korea aho amin'izao, sahiran-tsaina indraindray amin'ny toerana ipetrahako ankehitriny. Tsy afaka miaina tsara ianao raha vao tsy mahay miteny Anglisy tsara. Mipetraka amin'ny trano be izay namboarin'ny ‘Seoul SH Construction’ izahay (tsy haiko ny dikan'ilay fanafohezan-teny), mandray ‘fiarandalamby ambanin'ny tany’ izay tantanin'ny ‘Seoul Metro (tamin'ny voalohany nihevitra aho fa anarana taratasy izy ity)’, mandeha any amin'ny ‘Fetibe Hi Seoul’ izay karakarain'ny Governemanta metrôpôlitanina ao Seoul, mampiasa ny ‘Hi-Pass’ raha hampiasa ny ‘Highway taloha’, hisotro ny ‘Rano-K’ (anarana vaovaon'ny Fotodrafitrasan'ny Rano), hitaingina ny ‘Korail KTX’, ary handeha ho any amin'ny ‘Feel Kyungnam.’
6. Io no fanehoanay an-tsary ny aminay. Ao anatin'io zava-misy io, mahazatra ny mampianatra ny tantaram-pirenena sy ny fiteny Koreanina amin'ny teny Anglisy. Na angamba mety ho hevitra mifono fitiavan-tanindrazana sy ara-toekarena mba hampihenana 5 tapitrisa dolara ny vola alefa ho any Etazonia. Tsy hahita asa any Etazonia daholo ireo mpianatra miisa 100.000 ireo. Rahefa tsy mora ny ahitany asa any, mety hivily any amin'ny làlana ratsy izy ireo ary mety ho lasa Cho Seung-hui faharoa. Andao ho sarihana ho aty Korea ireo mpianatra ireo, tokony ho ataontsika tsy afa-miala amin'ny asa fanompoana firenena izy ireo ary homentsika diplaoma ahafahany mampianatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.