- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jordania: Ny Lahatsarin'ny Fanovana Ara-tsosialy!

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tanora, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny 3 Novambra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Maro ireo hetsika ara-tsosialy antserasera tao anatin'ny taona vitsy farany noho ny fahalalahan'ny aterineto tao Jordania. Ohatra vitsy nataon'ireo tanora Jordaniana  ihany ny Ikbis.com [1], 7iber.com [2], ary Watwet [3]  mba hitadiavana fomba tsara sy mahomby kokoa hanehoan'izy ireo hevitra malalaka sy tsy misy fameperana. Anisan'ireo hetsika mamiratra rehetra ireo ny Aramram [4]  izay miavaka noho ny fampiasany ny teknolojian'ny taonjato faha-21 mba handrisihana ny fifanakalozan-kevitra momba ny olana ara-tsosialy, ara-politika, ara-toekarena, ary ara-tontolo iainana izay mahakasika ny vahoaka ny Jordaniana .

Ao anatin'ny tapatapa-dahatsary telo ka hatramin'ny dimy minitra, manasongadina ny tranga maromaro misy any Jordania ny Aramram. Nanapa-kevitra ny hanao antsafa niaraka tamin'ny Aramram izaho sy i Amahl Khouri [5] amin'ny dingana faharoa amin'ny Fandaharanasan'ny Tanora Mpitantana [6] izay natao tany Paris ny volana Novambra 2009, sy mba hamantatra bebe kokoa momba ny asan'izy ireo amin'ny fifanakalozan-kevitra nifanaovan'ny sobakolontsaina sy ny foko izay misy any Jordania :

Ankoatra ny asan'izy ireo ao Jordania, manantena ny hanitatra sy hanao tetikasa mitovy amin'izany any amin'ny firenena Arabo hafa ny Aramram mba handrisihana ny tanora handray ny vanim-potoan'ny fampahalalam-baovao sy hampiasa ny aterineto amin'ny heriny rehetra.