(Fanamarihana. lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2008)
Notanterahan'ny Komity Nasionaly momba ny Serasera tany Taiwan tamin'ny faha 20 Septambra 2007 ny fivoriany faharoa, mba hiadiana hevitra momba ilay volavolan-dalàna vaovao faharoa momba ny serasera. Hampidirana ireto lalàna telon'ny serasera ireto — ny lalàna momba ny zanabolana sy ny fampielezana sary sy feo, ny lalàna momba ny onjam-peo sy ny fahitalavitra mandeha amin'ny hosona ary ny lalàna momba ny fampielezana sary feo ary ny fahitalavitra io lalàna vaovao io.
Avy amin'ny Newstory [1] :
通訊及傳媒產業從八O年代產生三大面向的發展:媒體「匯流」、「全球化」及「解除管制」,而通訊傳播管理法就是NCC因時制宜下的產物。
Amin'ny lafiny iray, matahotra ny NCCwatch [2], vondrona olon-tsotra, fa handrisika ny fanaovana ampihimamba ny haino aman-jery ity fironana ity. Satria heverina fa ny haino aman-jery no mivohy ny kolontsaina, dia tsy maintsy dinihanay ny votoatiny. Araka izany, taorian'ilay fivoriana faharoa, dia nohamafisin'ny NCCwatch [3] fa misy olana goavana amin'io volavolan-dalàna faharoa io :
一、反對NCC刪除徵收業者「特種基金」:[…]未來業者將不必負擔公共責任(將營業額百分之一成立基金)。[…]
二、反對NCC不當開放外資:[…]此舉不但對本地影視產業發展及勞工權益並無助益,未來本地文化及我國的文化主權也將受到嚴重戕害! […]
三、反對NCC取消跨媒體經營的限制:[…]放任跨媒體所有權集中,未來台灣媒體壟斷將更為嚴重。[…]
四、反對NCC降低業者違法之罰鍰:[…]不僅對改善媒體亂象全然無益,消費者權益將會受到嚴重侵犯![…]
五、反對NCC刪除本國自製節目比例明確規定 […]
(1)Toherinay ny fanafoanana ny hetra manokana (ho an'ny governemanta) alaina amin'ny mpandraharaha amin'ny haino aman-jery.[…] Raha tsy misy ny hetra manokana (1%-n'ny vola matin'ireo mpandraharaha amin'ny haino aman-jery), dia tsy manana andraikitra amin'ny sosialy intsony ny mpandraharaha amin'ny haino aman-jery. […]
(2)Toherinay ny famelàna ireo mpampiasa vola avy any ivelany hanana taha ambony (49%) amin'ny petrabola any anatin'ireo orinasanà fandefasana fahitalavitra eto amin'ny firenena.[…] Tsy hanome tombontsoa ny sehatry ny haino aman-jery eto an-toerana sy ny asantsika ity lalàna ity, sady hanimba ny kolotsaintsika sy ny maha-isika antsika izany.[…]
(3)Toherinay ny fanafoanana ny fepetra izay mandrara ny fitantanana karazana orinasa haino aman-jery samihafa. […] Handrisika ny fampivangongoana ny fanànan'ny haino aman-jery io lalàna io no sady hampihombo ny ampihimamba amin'ny sehatry ny haino aman-jery.[…]
(4)Toherinay ny fampihenana be tsy misy toa azy ny sazy ho an'ireo mpandraharaha amin'ny haino aman-jery nandika lalàna. […] Tsy afaka hiaro ny mpanjifa amin'ny hetraketraka ataon'ny haino aman-jery ambany kalitao io lalàna io.[…]
(5)Toherinay ny fanafoanana ny fitsipika izay mamaritra ny ampahany marina amin'ny fandefasana fandaharana tokony ho vokarina eto an-toerana. […]
Noresahan'ny Newstory [4] ihany koa ny momba ny sasantsasany amin'ireo andininy mampiahiahy ao amin'ilay volavolan-dalàna vaovao faharoa, izay azo fintinina amin'ireto teboka telo ireto :
(1) “條文「頻道事業提供之節目或廣告,不得有煽動族群仇恨或性別岐視情形」,[…]如果沒有認定標準,這項條文很難執行。”
(2) “現行規定廣告總時間不得超過每一節目播送總時間六分之一,[…]現改為每日廣告時間不得超過播送時間的六分之一 。”
(3) “草案新增除新聞與兒童節目外,允許置入性廣告,但必須要在畫面上呈現「廣告」或「贊助者」字樣。 “