Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Taiwan: Adihevitra Momba Ny Volavolan-Dalàna Ataon'ny NCC

(Fanamarihana. lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2008)

Notanterahan'ny Komity Nasionaly momba ny Serasera tany Taiwan tamin'ny faha 20 Septambra 2007 ny fivoriany faharoa, mba hiadiana hevitra momba ilay volavolan-dalàna vaovao faharoa momba ny serasera. Hampidirana ireto lalàna telon'ny serasera ireto — ny lalàna momba ny zanabolana sy ny fampielezana sary sy feo, ny lalàna momba ny onjam-peo sy ny fahitalavitra mandeha amin'ny hosona ary ny lalàna momba ny fampielezana sary feo ary ny fahitalavitra io lalàna vaovao io.

Avy amin'ny Newstory :

通訊及傳媒產業從八O年代產生三大面向的發展:媒體「匯流」、「全球化」及「解除管制」,而通訊傳播管理法就是NCC因時制宜下的產物。

Misy fomba fijery telo ny momba ny fampiroboroboana ny sehatry ny fifandraisandavitra sy ny haino aman-jery taorian'ny taona 1980 : fifanojòna, fanatontoloana ary ny fanesorana ny fepetra. Mifototra amin'ny saina no namoronan'ny NCC io lalàna vaovao momba ny serasera io.

Amin'ny lafiny iray, matahotra ny NCCwatch, vondrona olon-tsotra, fa handrisika ny fanaovana ampihimamba ny haino aman-jery ity fironana ity. Satria heverina fa ny haino aman-jery no mivohy ny kolontsaina, dia tsy maintsy dinihanay ny votoatiny. Araka izany, taorian'ilay fivoriana faharoa, dia nohamafisin'ny NCCwatch fa misy olana goavana amin'io volavolan-dalàna faharoa io :

一、反對NCC刪除徵收業者「特種基金」:[…]未來業者將不必負擔公共責任(將營業額百分之一成立基金)。[…]

二、反對NCC不當開放外資:[…]此舉不但對本地影視產業發展及勞工權益並無助益,未來本地文化及我國的文化主權也將受到嚴重戕害! […]

三、反對NCC取消跨媒體經營的限制:[…]放任跨媒體所有權集中,未來台灣媒體壟斷將更為嚴重。[…]

四、反對NCC降低業者違法之罰鍰:[…]不僅對改善媒體亂象全然無益,消費者權益將會受到嚴重侵犯![…]

五、反對NCC刪除本國自製節目比例明確規定 […]

(1)Toherinay ny fanafoanana ny hetra manokana (ho an'ny governemanta) alaina amin'ny mpandraharaha amin'ny haino aman-jery.[…] Raha tsy misy ny hetra manokana (1%-n'ny vola matin'ireo mpandraharaha amin'ny haino aman-jery), dia tsy manana andraikitra amin'ny sosialy intsony ny mpandraharaha amin'ny haino aman-jery. […]

(2)Toherinay ny famelàna ireo mpampiasa vola avy any ivelany hanana taha ambony (49%) amin'ny petrabola any anatin'ireo orinasanà fandefasana fahitalavitra eto amin'ny firenena.[…] Tsy hanome tombontsoa ny sehatry ny haino aman-jery eto an-toerana sy ny asantsika ity lalàna ity, sady hanimba ny kolotsaintsika sy ny maha-isika antsika izany.[…]

(3)Toherinay ny fanafoanana ny fepetra izay mandrara ny fitantanana karazana orinasa haino aman-jery samihafa. […] Handrisika ny fampivangongoana ny fanànan'ny haino aman-jery io lalàna io no sady hampihombo ny ampihimamba amin'ny sehatry ny haino aman-jery.[…]

(4)Toherinay ny fampihenana be tsy misy toa azy ny sazy ho an'ireo mpandraharaha amin'ny haino aman-jery nandika lalàna. […] Tsy afaka hiaro ny mpanjifa amin'ny hetraketraka ataon'ny haino aman-jery ambany kalitao io lalàna io.[…]

(5)Toherinay ny fanafoanana ny fitsipika izay mamaritra ny ampahany marina amin'ny fandefasana fandaharana tokony ho vokarina eto an-toerana. […]

Noresahan'ny Newstory ihany koa ny momba ny sasantsasany amin'ireo andininy mampiahiahy ao amin'ilay volavolan-dalàna vaovao faharoa, izay azo fintinina amin'ireto teboka telo ireto :

(1) “條文「頻道事業提供之節目或廣告,不得有煽動族群仇恨或性別岐視情形」,[…]如果沒有認定標準,這項條文很難執行。”

Tsy misy dikany ny andininy hoe ‘ ireo votoaty sy dokambarotra atolotry ny orinasa mpampiely dia tsy tokony handrisika ny fifanolanana eo amin'ny vondrona etika’ raha tsy faritantsika ny hoe ‘fandrisihana ny fifanolanana eo amin'ny vondrona etika.’

(2) “現行規定廣告總時間不得超過每一節目播送總時間六分之一,[…]現改為每日廣告時間不得超過播送時間的六分之一 。”

Ny fitsipika mifehy ny faharetan'ny dokambarotra amin'izao fotoana izao dia latsaky ny 1/6 isaky ny fandaharana, […] nefa novaina ho latsaky ny 1/6-n'ny fotoana manontolon'ny fandaharana rehetra alefa .

(3) “草案新增除新聞與兒童節目外,允許置入性廣告,但必須要在畫面上呈現「廣告」或「贊助者」字樣。 “

Ao anatin'ilay volavolan-dalàna, ny fandefasam-baovao sy ny fandaharana ho an'ny ankizy ihany no tsy azo andefasana dokambarotra, saingy azo aseho amin'ny efijery (écran) ny ‘dokambarotra’ sy ny ‘mpanohana’.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.