- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Myanmar : Lahatsary Avy Amin'ny Mponina Taorian'ny Fandalovan'ny Rivodoza Nargis

Sokajy: Myanmar (Birmania), Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Vaovao Mafana, Voina, Vonjy Voina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny  May 2008)

Ny 2 May 2008, nandalo tao Myanmar (Birmania) ilay rivodoza Nargis, izay nahatonga fahasimbana goavana ary an'arivony ireo olona namoy ny ainy sy ireo tsy hita popoka. Angamba ho natao laharam-pahamehana ilay toe-draharaha raha tany amin'ny firenena hafa no nitrangàny. Kanefa, noferan'ny governemanta miaramila na ny “junta” ny fidiran'ireo fanampiana avy any ivelany tamin'ny fandidiany ny tokony handalovan'ireo fanomezana rehetra amin'izy ireo aloha. Nanome toromarika ho an'ny mpanao gazety ihany koa ny junta mikasika ny fomba tokony hitaterana ny vaovao manodidina ilay rivodoza, nametra ny famoahan'izy ireo tatitra, indrindra amin'ny famoahana ireo sarin'olona maty na koa ny tatitra momba ny tsy fahampian'ny fanampiana ho an'ireo niharan-doza,, araka ny nambaran'ny [1], filazam-baovao iray anaty aterineto ao an-toerana.

Na eo aza ny fandraràna atao amin'ny olona tsy hitondra fakantsary sy hakahaka sary, dia mbola mnisy olona nandeha nivoaka ihany naka sary ireo fahasimbàna. Misy ny hatezerana noho ny tsy nahavitan'ny manampahefana nanomàna ireo tanàna handalovan'izany, na dia efa fantatr'izy ireo mialoha aza fa misy rivodoza mananontanona ary mety ho lehibe ny faharavana haterany. Ireto sary manaraka ireto izay navoakan'ilay mpampiasa YouTube aungsayapyi [2] dia mety hisy fiantraikany amin'ny olona tsy mahazaka : sary tena mahery setra be izy ireto, ahitàna fatin'olona ary tokony hojerena amim-pandanjalanjàna fatratra sy miaraka amin'ny faneken'ny olon-dehibe (Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: nasain'ny junta nesorina ny lahatsary, ary nofafàna ny fantson'i aungsayapii tao amin'ny Youtube) :

https://www.youtube.com/watch?v=8PemtGzevT4&amp=&hl=en [3]

Ilay mpampiasa Youtube AfterNargisYgn [4] izao vao nandefa lahatsary maromaro mampiseho ny vokatr'ilay rivodoza tao Yangon, tanàna lehibe indrindra ao Myanmar izay fantatra tamin'ny anarana hoe Rangoon. Niara-nanàla ireo hazo nidaraboka ny olona, nivezivezy tanaty rano ary nanao izay hanamainana ny kidorony sy ny akanjony, aryt amin'ny ankapobeny niezaka ny nanadio sy nanohy ny fiainana andavanandrony avy.

Nandefa horonantsary misy ny tanànan'i Latbutta taorian'ilay rivodoza ilay mpampiasa Youtube Burma4u [5]ahitàna ireo tra-boinan'ny Nargis nitangorona teny amin'ny tobin'ny tra-boina, manao izay hahazoana torimaso no sady mieritreritra izay mety hahazo azy ireo amin'ny hoavy atsy ho atsy sy ny any aoriana any.

Lahatsary lalina iray momba ny hoavin'ny vahoaka Birmàna avy amin'i myochitmyanmar, [6] mpampiasa Youtube iray hafa nampakatra lahatsary miaraka aminà dikanteny Anglisy eo ambaniny, nanadihady ireo izay nieren-doza tao Laputta sy ireo mpialoka ao mikasika ny zava-misy : any amin'ny toby misy ireo mpialoka, eny an-dalambe : fizaràna vary sy akanjo fitafy ho an'ny ankizy, fandraisana andraikitry ny olon-tsotra tsy misy ny Filankevi-Panjakana ho an'ny Fandriampahalemana sy ny Fampandrosoana hitantana azy ireo. Mifanindran-dàlana amin'izany, sary iray avy amin'ny Burma News [7] no nampiseho ny endriky ny fanampiana avy amin'ny Vokovoko Mena, hita amidin'ny olona eny an-dalana eny, nefa voalaza fa tokony ho an'ireo tra-boina tamin'ilay rivodoza.

Ity Lahatsary manaraka ity (maty ny sehatra nisy azy), izay mbola avy amin'i aungsayapyi [2] ihany no maneho ny fomba iveloman'ny olona any amin'ny tobin'ny tra-boina noho ireo fanomezana avy amin'olon-tsotra, sy ny fahatongavanà miaramila Jeneraly iray, nampanantena akanjo fitafy, sakafo na rano. Manomboka milaza amin'ireo tra-boina izy ireo fa ireo olona namoy ny ainy ireo dia maty noho ny vitan-dratsiny, noho izany tokony hihevitra ny tenany ho tsara vintana izy ireo amin'izao fahavelomany izao. Nanome toromarika ny mba hivondronan'izy ireo araky ny tanàna niaviany avy izy ireo ary hiala tao. Narahina soratra amin'ny teny Anglisy eo ambany mba ahazoana tsara ny fandehan'ilay izy :

Tao amin'ny  blaogin'ny YouTube, [8]notsipihan'izy ireo manokana ihany koa ny ezaky ny vondrona mpandefa lahatsary hanampy an'i Myanmar sy ny famatsiany fanampiana, samy asongadin'izy ireo na ny vaovao anaty aterineto na ny fanapahankevitra samy irery izay mandrakitra an-tsary ilay rivodoza ka mamela izao tontolo izao hahafantatra ny zava-mitranga any amin'io firenena kely Atsimo Atsinanan'i Azia io. Ohatra, i, Nightwatcher1982 [9] avy ao Holandy izao dia nampanantena fa hanome vola 5 Dolara ho an'ny Vokovoko Mena izy ho an'ny lahatsary tsirairay valin'ny lahatsariny, ary raha hitany manokana fa lahatsary tsara ilay izy dia hanome 10 dolara izy :

Global Voices [10] dia namoaka vaovao betsaka momba ilay voina, nitambatra tao ny vaovao avy amin'ny loharanom-baovaon'olon-tsotra tao an-toerana mikasika ny fanampiana ara-tsakafo, ny rano ary ny fiainan'ireo niharam-boina satria tsy mitsaha-mitombo ny isan'ireo olona mamoy ny ainy. Iangaviana ianareo tsy isalasala hitsidika ny pejy manokana mikasika ilay rivodoza niseho tao Myanmar na ny Special Myanmar Cyclone Coverage page [11] ary hamaky ny lahatsoratra nosoratan'ireo ekipanà mpanoratra an-tsitrapo mahafinaritra ahitàna fandikàna bilaogy Birmàna izay miresaka ny fiainana ao Myanmar amin'izao fotoana izao. Azonao atao ihany koa ny manaraka resaka fanampiana an'i Myanmar ao amin'ny Twitter [12].

Hisy ihany koa  andro iray hatokana hanaovana hetsika ho an'ny bilaogy manerantany ho an'ireo Birmàna tra-boina ny 17 May, [13] izay hampahafantaràna ny olona ny olana misy any Myanmar, ary efa misy koa ireo efa mikarakara fanangonam-bola sy hetsika hitadiavam-bola.