Myanmar : Lahatsary Avy Amin'ny Mponina Taorian'ny Fandalovan'ny Rivodoza Nargis
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2008)
Ny 2 May 2008, nandalo tao Myanmar (Birmania) ilay rivodoza Nargis, izay nahatonga fahasimbana goavana ary an'arivony ireo olona namoy ny ainy sy ireo tsy hita popoka. Angamba ho natao laharam-pahamehana ilay toe-draharaha raha tany amin'ny firenena hafa no nitrangàny. Kanefa, noferan'ny governemanta miaramila na ny “junta” ny fidiran'ireo fanampiana avy any ivelany tamin'ny fandidiany ny tokony handalovan'ireo fanomezana rehetra amin'izy ireo aloha. Nanome toromarika ho an'ny mpanao gazety ihany koa ny junta mikasika ny fomba tokony hitaterana ny vaovao manodidina ilay rivodoza, nametra ny famoahan'izy ireo tatitra, indrindra amin'ny famoahana ireo sarin'olona maty na koa ny tatitra momba ny tsy fahampian'ny fanampiana ho an'ireo niharan-doza,, araka ny nambaran'ny, filazam-baovao iray anaty aterineto ao an-toerana.
Na eo aza ny fandraràna atao amin'ny olona tsy hitondra fakantsary sy hakahaka sary, dia mbola mnisy olona nandeha nivoaka ihany naka sary ireo fahasimbàna. Misy ny hatezerana noho ny tsy nahavitan'ny manampahefana nanomàna ireo tanàna handalovan'izany, na dia efa fantatr'izy ireo mialoha aza fa misy rivodoza mananontanona ary mety ho lehibe ny faharavana haterany. Ireto sary manaraka ireto izay navoakan'ilay mpampiasa YouTube aungsayapyi dia mety hisy fiantraikany amin'ny olona tsy mahazaka : sary tena mahery setra be izy ireto, ahitàna fatin'olona ary tokony hojerena amim-pandanjalanjàna fatratra sy miaraka amin'ny faneken'ny olon-dehibe (Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: nasain'ny junta nesorina ny lahatsary, ary nofafàna ny fantson'i aungsayapii tao amin'ny Youtube) :
https://www.youtube.com/watch?v=8PemtGzevT4&=&hl=en
Ilay mpampiasa Youtube AfterNargisYgn izao vao nandefa lahatsary maromaro mampiseho ny vokatr'ilay rivodoza tao Yangon, tanàna lehibe indrindra ao Myanmar izay fantatra tamin'ny anarana hoe Rangoon. Niara-nanàla ireo hazo nidaraboka ny olona, nivezivezy tanaty rano ary nanao izay hanamainana ny kidorony sy ny akanjony, aryt amin'ny ankapobeny niezaka ny nanadio sy nanohy ny fiainana andavanandrony avy.
Nandefa horonantsary misy ny tanànan'i Latbutta taorian'ilay rivodoza ilay mpampiasa Youtube Burma4u ahitàna ireo tra-boinan'ny Nargis nitangorona teny amin'ny tobin'ny tra-boina, manao izay hahazoana torimaso no sady mieritreritra izay mety hahazo azy ireo amin'ny hoavy atsy ho atsy sy ny any aoriana any.
Lahatsary lalina iray momba ny hoavin'ny vahoaka Birmàna avy amin'i myochitmyanmar, mpampiasa Youtube iray hafa nampakatra lahatsary miaraka aminà dikanteny Anglisy eo ambaniny, nanadihady ireo izay nieren-doza tao Laputta sy ireo mpialoka ao mikasika ny zava-misy : any amin'ny toby misy ireo mpialoka, eny an-dalambe : fizaràna vary sy akanjo fitafy ho an'ny ankizy, fandraisana andraikitry ny olon-tsotra tsy misy ny Filankevi-Panjakana ho an'ny Fandriampahalemana sy ny Fampandrosoana hitantana azy ireo. Mifanindran-dàlana amin'izany, sary iray avy amin'ny Burma News no nampiseho ny endriky ny fanampiana avy amin'ny Vokovoko Mena, hita amidin'ny olona eny an-dalana eny, nefa voalaza fa tokony ho an'ireo tra-boina tamin'ilay rivodoza.
Ity Lahatsary manaraka ity (maty ny sehatra nisy azy), izay mbola avy amin'i aungsayapyi ihany no maneho ny fomba iveloman'ny olona any amin'ny tobin'ny tra-boina noho ireo fanomezana avy amin'olon-tsotra, sy ny fahatongavanà miaramila Jeneraly iray, nampanantena akanjo fitafy, sakafo na rano. Manomboka milaza amin'ireo tra-boina izy ireo fa ireo olona namoy ny ainy ireo dia maty noho ny vitan-dratsiny, noho izany tokony hihevitra ny tenany ho tsara vintana izy ireo amin'izao fahavelomany izao. Nanome toromarika ny mba hivondronan'izy ireo araky ny tanàna niaviany avy izy ireo ary hiala tao. Narahina soratra amin'ny teny Anglisy eo ambany mba ahazoana tsara ny fandehan'ilay izy :
Tao amin'ny blaogin'ny YouTube, notsipihan'izy ireo manokana ihany koa ny ezaky ny vondrona mpandefa lahatsary hanampy an'i Myanmar sy ny famatsiany fanampiana, samy asongadin'izy ireo na ny vaovao anaty aterineto na ny fanapahankevitra samy irery izay mandrakitra an-tsary ilay rivodoza ka mamela izao tontolo izao hahafantatra ny zava-mitranga any amin'io firenena kely Atsimo Atsinanan'i Azia io. Ohatra, i, Nightwatcher1982 avy ao Holandy izao dia nampanantena fa hanome vola 5 Dolara ho an'ny Vokovoko Mena izy ho an'ny lahatsary tsirairay valin'ny lahatsariny, ary raha hitany manokana fa lahatsary tsara ilay izy dia hanome 10 dolara izy :
Global Voices dia namoaka vaovao betsaka momba ilay voina, nitambatra tao ny vaovao avy amin'ny loharanom-baovaon'olon-tsotra tao an-toerana mikasika ny fanampiana ara-tsakafo, ny rano ary ny fiainan'ireo niharam-boina satria tsy mitsaha-mitombo ny isan'ireo olona mamoy ny ainy. Iangaviana ianareo tsy isalasala hitsidika ny pejy manokana mikasika ilay rivodoza niseho tao Myanmar na ny Special Myanmar Cyclone Coverage page ary hamaky ny lahatsoratra nosoratan'ireo ekipanà mpanoratra an-tsitrapo mahafinaritra ahitàna fandikàna bilaogy Birmàna izay miresaka ny fiainana ao Myanmar amin'izao fotoana izao. Azonao atao ihany koa ny manaraka resaka fanampiana an'i Myanmar ao amin'ny Twitter.
Hisy ihany koa andro iray hatokana hanaovana hetsika ho an'ny bilaogy manerantany ho an'ireo Birmàna tra-boina ny 17 May, izay hampahafantaràna ny olona ny olana misy any Myanmar, ary efa misy koa ireo efa mikarakara fanangonam-bola sy hetsika hitadiavam-bola.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...