- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta: Milaza Zavatra Betsaka Ny Lahatsary

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tanora, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 28 Janoary 2011 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Anisan'ny fandaharana manokana ny Hetsi-panoherana tany Egypta ny taona 2011 [1] ity lahatsoratra ity .

[2]Nizara teny fampilazana sy nizara lahatsary tamin'ny aterineto ny mpikatroka tamin'ny fanomanana ny andro faha-efatra nanaovana fihetsiketsehana, nanentana ny olona mba hanatevin-daharana ny hetsi-panoherana notontosaina ny Zoma. Nihetsika ny governemanta tamin'ny alàlan'ny fanakanana ny fidirana tamin'ny sehatry ny media sosialy maro talohan'ny nanakatonana tanteraka ny tambajotra iray manontolo [3] ny marainan'ny  28 Janoary. Mbola maro ireo horonantsary nalefa no hita tao amin'ny YouTube. Famintinana vetivety:

Lasa nalaza be ity lahatsary avy amin'ny hadi15 [4] ity minitra vitsy taorian'ny nivoahany antserasera. Manasongadina hira iray avy amin'ny tarika rock Thirteen Senses, “Into the Fire” izy ity, mitantara ny telo andro farany momba ny hetsi-panoherana an-dalambe ilay lahatsary, ary manasongadina ny fahasamihafana nisy teo amin'ireo mpanao diabe: tanora sy antitra; lehilahy sy vehivavy; Miozolomana, Kristiana, tsy mpino, izay mihira avokoa ny teny filamatra; noho ny antony tokana izany rehetra izany.

Nandefa ity horonantsary ity tao amin'ny YouTube i (Anonymousworldwar3 [5]), vondrona mpikatroka malalaka manohana ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao antserasera, nampitandrina ny governemanta Egyptiana mba hampitsahatra ny sivana :

  [6]

Namoaka ity lahatsary ity mitondra ny lohateny hoe Sharek  i sharek2011 [6] , mandray anjara, miantso ny olona mba hanatevin-daharana ireo mpanao diabe :

Lahatsary iray hafa avy ao amin'ny TowardsUnity [7]  izay manasongadina ireo andro vitsy farany nisian'ny fifandonana:

http://www.youtube.com/watch?v=25N2HQ86zJg

Ny kianja lehiben'i Kairo, Maydan El-Tahrir izay nangalan'i sarahngb [8] ity lahatsary ity no natao kianja foibe ho an'ireo  mpanao fihetsiketsehana tao Kairo:

http://www.youtube.com/watch?v=18l2mAhraQ0