- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Aesthetics Japan’ Misioka Ny Hatsaran'i Japana, Manomboka Amin'ny Jiro Mitsitsy Hatramin'ny Tampon-tendrombohitra Be Zavona

Sokajy: Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina
Osaka, Japan [1]

Osaka, Japan [1]” avy amin'ilay mpisera Flickr Pedro Szekely [2]. Zon'ny mpamorona: CC BY-SA 2.0

Tsy misy ny tsy fahampian'ny kaonty media sosialy natokana hamoahana sary mahafinaritra ao Japana. Satria mandrakitra ny fiainany andavanandro ao Japana [3] amin'ny alalan'ny sary ilay mpaka sary an-dalam-be Lee Chapman, ny Tokyo Camera Club [4] ao amin'ny Instagram kosa dia manolotra sary mahavariana misy an'i Tokyo sy ny any ivelany  [5]ho an'ireo mpanjohy azy mihoatra ny 400.000. Ao anatin'izany ihany koa, ny kaonty Twitter Aesthetics Japan [6] dia namoaka sary maro samihafa mba handrisika ireo mpanjohy hankasitraka ny hakanton'ny vondronosy amin'ny alàlan'ny sary maneho ny sehatra, ny zavakanto ary ny sakafo.

Ireto misy santionany amin'ireo sarin'i Japana nozarain'ity kaonty Twitter ity.

Yasaka Pagoda | avy amin'i yorozuya.yoh tao amin'ny Instagramp

Tokyo avy orana! avy amin'i @torataroo11

Natsangana tamin'ny taona 2016 ny kaonty ary manana mpanjohy maherin'ny 93.000 ankehitriny.

Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Global Voices tamin'ny alalan'ny fitaovana Fandefasan-kafatra mivantana, Twitter, nilaza ny tompon'ny kaonty, izay mitantana tranonkala e-varotra ihany koa ho an'ireo mpankafy sarimiaina, ary tsy te hitonona anarana ihany koa fa nanomboka ny kaonty izy ireo noho ny fitiavan'izy ireo ny zava rehetra momba an'i Japana, ary nanomboka tamin'ny fahazazana ny fahalianana: “Natiora sy Maritrano Edo nentim-paharazana no nahasarika ahy. Ary rehefa nihalehibe aho, nahatonga ahy ho tia azy hatrany ny jiro mitsitsy ao Tokyo. “

Fiainana andavanandro ao Tokyo | avy amin'i Takashi Yasui

Shibuya amin'ny Alina | avy amin'ny moto_ph0t0 tao amin'ny Instagram

Tamin'ny resadresaka, haingana avy hatrany ny mpanoratra nilaza fa tsy azy ireny sary ireny. Fa kosa, mandrindra ny sary izy ireo, izay avy amin'ny Flickr, Twitter na loharano hafa.

Matetika mifanohitra amin'ny sehatra voajanahary sy fiainana amin'ny alina mamirapiratra ao Japana ny tantara mba hampisehoana ireo endrika samihafa ao amin'ny firenena. Sary amin'ny Alina ao Tokyo, Osaka, ary Kyoto no tena misongadina

Memory Lane | avy amin'ny @liamwong [15]

Shizuoka, Japana | avy amin'ny cww44 tao amin'ny Instagram

Masoandro miposaka! avy amin'ny @st19721 [20]

Ahitana sarin-tsakafo mifanaraka ihany koa ny tranonkala, anisan'izany ny sakafo mahafinaritra avy amin'ny toetry ny kafe ary koa boaty tsara tarehy bento.

Zava-kanto Latte avy amin'ny Cafe Reissue

Mofo Shiba Inu (みたら柴)

Toa mankasitraka ny ezaka ireo mpankafy, ka misy ireo mampahatsiahy ny zavatra niainany manokana tany Japan, raha gaga tsotra izao tamin'ny hatsaran'ny sary voarindra kosa ny hafa.

Mahafatifaty loatra ity