- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Netizen Report: Noraràn'i Sri Lanka Ao Anatin'ny Herisetra Ara-pinoana Ny Media Sosialy

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Moskea Jami Ul Alfar Jummah ao Colombo, Sri Lanka. Sary avy amin'i Aksam Zarook tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 3.0).

Manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany ny Advox Netizen Report.

Nanome baiko ho an'ireo mpandraharahan'ny fifandraisandavitra mba hanakana ny Facebook, Viber sy ny WhatsApp tamin'ny 7 martsa ny Vaomieram-pifandraisan-davitra ao Sri Lanka [2] ho setrin'ny herisetra ara-pivavahana.

Tao anatin'izay volana vitsy lasa izay, nitombo ny fifandonana teo amin'ireo Bodista, izay mandrafitra ny ankamaroan'ny mponina, sy ny Silamo, izay mandrafitra ny folo isanjato monja amin'ny mponina. Ny Alahady lasa teo, lehilahy bodista iray no maty taorian'ny fifandonana feno herisetra tamin'ny vondron-dehilahy Miozolomana, noho ny fifamaliana tamin'ny fitohanan'ny fiara tao amin'ny faritra afovoan'i Kandy. Ny ampitson'io, nitatitra ny mponina [3]fa vahoaka tsy latsaky ny 200 no nandoro ny moskea teo an-toerana sy ny tranon'ireo Silamo 15 farafahakeliny. Araka ny voalazan'ny mpikambana iray ao amin'ny filan-kevitry ny faritany, trano am-polony [4]sy orinasa maro no nisy nandroba hatramin'izay fotoana izay.

Ny 7 Martsa, nametraka ny firenena latsaka an-katerena  [5]mandritra ny folo andro ny manampahefana, sambany hatramin'ny taona 2011, raha tavafoaka tamin'ny ady an-tranony [6] i Sri Lanka.

Milaza ireo mpandrindra fa hitohy mandritra ny telo andro ny fanakanana. Nilaza tamin'ny AFP  [7]mikasika ny fepetra fanafenana anarana ny manampahefana iray fa nahita “hafatra manohitra ny Miozolomana nozaraina tao amin'ny tambajotra sosialy ny polisy, ka tao anisan'izany ny lahatsary navoakan'ny moanina Bodista hiringiriny iray mandrisika ny herisetra amin'ny Silamo.”

Naneho hevitra momba ny fepetra tamin'ny fanadihadiana tao amin'ny Groundviews [8], fampahalalam-baovaon'olon-tsotra tsy miankina iray monina ao an-drenivohitra Colombo, nilaza i Nalaka Gunawardene, mpanao gazety sady mpaneho hevitra ara-tsosialy, fa tsy misy dikany io paikady io ary mitondra voka-dratsy ho an'ny vahoaka manontolo, mahatonga ny fianakaviana tsy afaka mifanerasera amin'ny fotoanan'ny fisalasalana sy mampitombo ny herisetra an-dalambe. Nanoratra izy hoe:

…this is more a case of public order than a matter of national security. Faced with a major breakdown in law and order, the government should have policed the streets properly, before trying to police the Internet.

… Mikasika ny filaminam-bahoaka kokoa ity fa tsy resaka fiarovam-pirenena. Manoloana ny fahasimbana lehibe amin'ny lalàna sy ny filaminana, tokony hanara-maso tsara ny lalana araka ny tokony ho izy ny governemanta, alohan'ny hanandramana ny fanaraha-maso amin'ny aterineto.

Saodiana mpikatroka fanavaozana voasazy enin-taona an-tranomaizina

Voasazy higadra enin-taona an-tranomaizina  [9]i Essa al-Nukhaifi, Saodiana mpikatroka fanavaozana ara-politika sy zon'olombelona, voalohany indrindra noho ny siokany izay nitsikera ny fitsabahan'ny miaramila Saodiana tao Yemen. Taorian'ny famotsorana azy tao am-ponja, niatrika fandraràna fampiasana  media sosialy mandrindra ny enin-taona fanampiny i al-Nukhaif sy fandraràna tsy hivoaka ny faritra.

Tamin'ny taratasy vao haingana  [10]nosoratany tao amin'ny efitra figadrany tao amin'ny Fonja Foibe Mecca, izay nigadrany nandritra ny herintaona mahery, niresaka tamin'ny Printsy Saodiana Bin Salman i al-Nukhaifi:

I have been delighted to hear your speeches and media interviews in which you call for freedom of expression and respect for human rights, which is what we are calling for and share your wish to achieve….I am writing to you about them from a place of detention, where I being detained because of calling for these things.

Faly aho nandre ny kabarinao sy ny antsafa tamin'ny fampahalalam-baovao izay nitakianao ny fahalalaham-pitenenana sy ny fanajana ny zon'olombelona, izay izany no takianay ary zarao ny fanirianao mba ho tratra … Manoratra aminao momba azy ireo avy aty am-ponja aho, izay nigadrana ahy noho ny fitakiana ireo zavatra ireo.

Nitaky fanovàna goavana ho an'ny rafi-pitsarana, ny tany tan-dalàna sy ny rafitra fandraisana anjara ara-politika ao amin'ny Fanjakana i Al-Nukhaifi.

Nizeriana mpiasan'ny media voampanga noho ny heloka antserasera

Namely an'ireo mpanao gazety mirahalahy Timothy sy Daniel Elombah [11] avy ao amin'ny tranokalam-baovao tsy miankina Elombah [12] tamin'ny fiampangana heloka antserasera sy fampihorohoroana  [13]tamin'ny 1 Martsa ny fitsarana federaly tao Abuja. Mitantara momba ny Boko Haram sy ny fiampangana kolikoly ao amin'ny ambaratonga ambony ao amin'ny governemanta ity tranonkala ity.

Mpisera Shinoa miampanga mpiasa ara-teknika ao amin'ny Apple ho nangalatra lahatahiry sy tenimiafina

China Digital Times namoaka fiampangana [14] avy amin'ny mpisera Weibo iray izay milaza fa nangalaran'ny mpiasa ara-tekinika ao amin'ny Apple ny tahirin'izy ireo. Nipoitra andro vitsy monja izany rehefa nametraka ny asany [15] ao amin'ny Tanibe Shina hosahanin'ny orinasam-panjakana Shinoa Guizhou Cloud Big Data ny Apple.

Araka ny fiampangana, niditra sy nanao hosoka tamin'ireo kaonty maro samihafan'ireo mpiserasera ao amin'ny aterineto ilay mpiasa. Nilaza ny Apple taorian'izany fa nandroaka ilay mpiasa izy, saingy tsy afaka manome ny antsipirihany momba ny fiarovana ny tahirin'ny mpiserasera na kaonty iCloud, noho ny antony tsiambaratelo. Tsy afaka manamarina ny fiampangana noho ny antony tsy mahakasika azy ny China Digital Times.

Nanoratra tao amin'ny Weibo ilay mpiserasera hoe: “Nandroaka ilay mpiasa haingana izy ireo, saingy mbola tsy fantatra ny isan'ny mombamomba manokana sy tahirin'olon-tsotra nangalarina sy navoaka. Tokony hitandrina ireo mpiserasera Apple!”

Manakenda ny Telegram ve i Iran?

Ao anatin'ny herin'ity hetsi-panoherana amin'ny ririnina ao Iran [16] ity, nisy ny fandraràna vonjimaika ny fampiharana hafatra Telegram nanomboka ny 30 Desambra 2017 hatramin'ny 13 Janoary 2018. Milaza ny porofo ara-teknika vaovao [17] avy amin'ny Oniversiten'i Teheran sy ny Fanarahamaso Misokatra amin'ny Fitsabahana amin'ny Tambajotra fa nanohy nametra ny fampiasana fampiharana ny manampahefana  taoriana ny nanesorana ny fandraràna.

Nitory an'i Trump ireo mpisera Twitter voasakana 

Nametraka fitoriana [18] ny vondron'olom-pirenena Amerikana izay nosakanan'ny filoha amerikana Donald Trump ny Twitter-n'izy ireo, fitoriana miampanga ny filoha ho manitsakitsaka ny fahalalaham-pitenenana ao anaty seha-pifanakalozan-dresaka ho an'ny daholobe. Nolazain'ny Ivotoerana Knight First Amendment ao amin'ny Oniversiten'i Columbia fa nilaza ireo mpitory fa amin'ny fanakanana ireo olom-pirenena an-jatony tsy hamaly ny siokany ampahibemaso, mametra tanteraka ny zon'izy ireo tamin'ny fanitsiana voalohany i Trump. Hiatrika olana goavana manodidina ny fandraisana ny kabary antserasera ataon'ny manampahefam-panjakana sy ny fitsarana ny fahalalahana miteny ao amin'ny sehatra an-tseraseran'ny olon-tsotra ny raharaha.

Fikarohana vaovao

 

Misorata anarana ao amin'ny Netizen Report [22]

 

Afef Abrougui [23], Ellery Roberts Biddle [24] Rohith Jyothish [25], Rezwan Islam [26], Oiwan Lam [27], Karolle Rabarison [28] sy Sarah Myers West [29] no niara-nanoratra ity tatitra ity.