Ahoana No Ahafahana Mitazona Ny Aterineto Malalaka sy Azo Antoka Ho An'ny Feo Rehetra?

‘Ahoana no ahafahantsika mitazona ny aterineto malalaka sy azo antoka ho an'ny feo rehetra?’. Sary avy amin'i Faaris Adam, nahazoana alalana.

‘Misy fomba hisaintsainana momba ny mahasoa ny aterineto?’ hoy i Malavika Jayaramand nanontany, manam-pahaizana momba ny lalànan'ny fiainana an-takonana sy ny teknolojia ary mpandrindra ny resadresaka, ‘Ahoana no ahafahantsika mitazona ny aterineto misokatra sy azo antoka ho an'ny feo rehetra?’

Nanokatra ny adihevitra momba ny fahasalaman'ny aterineto amin'izao fotoana izao ity fanontaniana ity, ahitana an'i Jayaramand mitarika ny adihevitra sy ny talen'ny tetikasa Demaokrasian'Aterineto, Anja Kovacs, talen'ny UNESCO ho an'ny Fahalalahana maneho hevitra sy Fampandrosoana ny Media: Guy Berger, ary ny solontenan'ny Facebook: Snehashish Ghosh.

Jayaramand no voalohany namoaka ny olan'ny fikatonan'ny aterineto, nanazava izy fa nahitana fanakatonana aterineto miisa 60 farafahakeliny tao India fotsiny tamin'ny taona 2017- tarehimarika izay tsapany fa mety hitombo hatrany. Ahoana no hanazavana izany fitomboan'ny fikatonan'aterineto? Araka ny voalazan'i Kovacs, misy ny fomba fisainana ampiasaina hanamarinana ny fanakatonana aterineto. Ao anatin'ity fomba fisainana ity, rehefa lazaina fa atahorana ny ‘fiarovam-pirenena’ na ‘filaminam-bahoaka’, atao sorona “ara-dalàna” ny fahafahana miteny. Manome vahana ny fanakatonana ny aterineto ilay fomba fisaina ity. Na izany aza, nanamarika ireto manaraka ireto haingana i Anja :

As grave a situation as Internet shutdowns are, it is not the worst threat against the Internet's health. What’s worse is surveillance. Not only by governments, but also by corporations.

Nowadays, as our digital and physical bodies are merging — given that our bodies are increasingly becoming data — the obliged question becomes: how to protect our rights as strongly as we did before?

We need to put checks and balances in place. How is it even possible that we can sign away our right to privacy? What has happened to the world when there isn’t a tiny part of privacy that we can’t sign way?

Na dia mampidi-doza aza ny fanakatonana ny aterineto, tsy loza mitatao ratsy indrindra amin'ny fahasalaman'ny aterineto izany. Ny tena ratsy indrindra dia ny fanarahamaso. Tsy avy amin'ny governemanta ihany, fa avy amin'ny vondron'orinasa ihany koa.

Amin'izao fotoana izao, satria mitambatra ny vatana nomerika sy ny vatan-tenantsika – satria miha-lasa tahiry hatrany ny vatantsika – dia lasa toy izao ny fanontaniana: ahoana no hiarovana ny zontsika mafy tahaka ny efa nataontsika teo aloha?

Mila mametraka fanarahamaso sy fampifandanjana isika. Ahoana no nahatongavana fa afaka manaisotra ny zontsika amin'ny fiainana an-takonana isika? Inona no nitranga tamin'izao tontolo izao rehefa tsy misy ampahany kely amin'ny fiainana an-takonana tsy azontsika omena lalana?

Mba hahafahan'ny aterineto ho misokatra kokoa sy salama kokoa, dia ilainy mametraka maodelim-pihariana izay manalavitra ny “fanarahamason'ny orinasa”.

Ho an'i Berger sy ny UNESCO, tsy ny olon-drehetra sy ny vondrona rehetra liana amin'ny fampiroboroboana ny fahasalaman'ny aterineto no afaka hifaninana amin'io maodelim-pihariana efa misy io, ka ny vahaolana novolavolaina dia ny fandrisihana hatrany ny maodely fandraisana anjaran'olo-marobe amin'ny fitantanana ny aterineto.

Na dia izany aza, araka ny filazan'ireo mpandrindra adihevitra taty aoriana, na dia tadiavina aza ny “fandraisana anjaran'olo-marobe, voasariky ny fifandraisana ara-tombontsoa sy fahefana izany amin'ny farany:

. @MalJayaram “Inona no dikany hoe fandraisana anjaran'olo-marobe-isma (stakeholder-ism ), firy no nasaina hanatrika ny hetsika toy ny IGF satria nikitika ny boaty ny rehetra : vehivavy, pelaka, tompotany .. mba hahatonga ny dingana ho hita toa hiaraha-mitantana kokoa. Saingy midika indrindra ve izany fa manana feo tokoa isika? ” # GV2017

Raha mikasika ireo olana momba ny fahefana ireo, nanamarika i Kovacs fa ireo orinasa tahaka ny Facebook no nanamora ny fahafahan'ny mpiserasera niditra tamin'ny aterineto, saingy mampiasa fahefana be ihany koa izy ireo.

Raha maro amintsika no manana hery kely amin'ny fanovana ny tontolon'ny aterineto, inona no azon'ny orinasa tahaka ny Facebook atao mba hanamafisana ny fahasalaman'ny aterineto? Mba hamaliana ity fanontaniana ity, nanasongadina ny asa nataon'i Facebook mba hiadiana amin'ilay antsoina hoe valan'aretina ‘vaovao faikany’ i Ghosh, ady izay tsapan'i Ghosh fa ampahany amin'ny fandraisana anjaran'ny Facebook amin'ny fahasalaman'ny aterineto.

Nisokatra tamin'ny adihevitra an-tserasera manaraka momba ny fanekena sy ny fampiasana angon-drakitra ny sehatra (rihana):

@MalJayaram: momba ny Facebook: Te hahita asa vita amin'ny sehatra tena izy ankehitriny aho fa tsy miankina amin'ny mpiserasera izay rohy malemy indrindra sy tsy azo antoka indrindra ary marefo

.@sanasaleem manontania ny tsotra saingy indrisy fa mahery vaika: miresaka fankatoavana ve ny olona ao anatin'ny orinasa? #gv2017

Tsy afaka mandeha lavitra ny fahaizana mamaky teny sy manoratra, tokony hanana fifanakalozan-kevitra matotra momba ny etika sy ny fankatoavana ny sehatra maro. “Fankatoavana amboarina” araka ny filazan'i @sanasaleem no fironana misy ary misy koa ny zavatra tsy tokony hangatahantsika fankatoavana

Zava-dehibe tokoa. Tsy fankatoavana ny fankatoavana raha a)  lasa ampihimamba ny sehatra ary b) midadasika sy tsy hay vakiana ny fifanarahana

Mahaliana, miresaka momba ny fankatoavana mifandraika amin'ny fitaovana teknolojia amin'izao fotoana izao, izany hoe ny Facebook. Ka mieritreritra aho … raha toa ka manamarika (tag) olona ho azy amin'ny lahatsoratra ny FB, moa ve tsy toy ny lehilahy mametraka ny sandriny manodidina ny valahanao ary manantena anao fa tsy hanao na inona na inona momba izany ianao?

Nametraka fanontaniana ny mpanatrika iray @jackpoint627 mikasika ny antony mahatonga ny tefin'ny tsiambaratelo (fiainana an-takonana) ao amin'ny tolotra tsy atao fiaingana (par defaut) ao amin'ny tefin'ny tsiambaratelo (fiainana an-takonana) ambony indrindra sady nanasongadina fa matetika tsy maintsy miatrika ny vokatr'izany ny rafitra ara-pitsarana

Tsy tonga lafatra na tena tsara ny Facebook, saingy mahafinaritra izy ireo mandefa valinteny any amin'ny #GV2017 mba hiantsonana eny an-tsehatra.

Araka ny fanamarihana farany nataon'i Kovacs, ny lasa mazava kokoa dia hoe mila miady foana isika, amin'ny maha fiarahamonim-pirenena.

The Internet is ours and we need to reclaim it and spend time learning about data protection, privacy, encryption and share their knowledge with others.

Antsika ny aterineto ary mila mamerina izany sy mandany fotoana mianatra momba ny fiarovana tahiry, ny tsiambaratelo, ny fanafenan-tsoratra sy mizara ny fahalalan'izy ireo amin'ny hafa isika.

Jereo ny fanombohan'ity resadresaka ity ao amin'ny LIVESTREAM (fandefasana mivantana) ao amin'ny Youtube >>

<< Jereo ny lisitra feno misy ny lahatsary tamin'ny Fihaonambe

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.