Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

15 Marsa 2018

Tantara tamin'ny 15 Marsa 2018

Inona No Novakian'ireo Mpamaky Ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny (5 – 11 Marsa 2018)

Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 209 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tato amin'ny tranokalan'ny Global Voices

Ahoana No Ahafahana Mitazona Ny Aterineto Malalaka sy Azo Antoka Ho An'ny Feo Rehetra?

Antsika ny aterineto ary mila mamerina izany sy mandany fotoana mianatra momba ny fiarovana tahiry, ny tsiambaratelo, ny fanafenan-tsoratra sy mizara ny fahalalana amin'ny hafa isika.

India: Fankafizana Sarimihetsika RajniKanth, Bolywood sy Fandinihana Tranonkala

Ny lazan'ny Bollywood any ivelan'i India, farafaharatsiny tamin'ny voalohany, dia fiakaran'ny fanembonan'ireo vondrom-piarahamonina Indianina mpila ravinahitra. Kanefa any Afrika Andrefana, tsy misy fanampiana goavana avy amin'ireo Indiana mpijery, namolavola fanarahana be ny sarimihetsika Bollywood tany Afrika hatramin'ny taona 1950.

Palestina: Ny Sarin'ny Fandalovana Tao Gaza

Ho an'ireo Palestiniana voaraoka tamin'ny taniny,  zava-tsarotra sy mampalahelo ny fiverenana an-tanindrazana indray. Nitsidika an'i Gaza ilay bilaogera Palestiniana Ibrahim ary tsy nahaloa-peo izy nahita izany.  Ny rakitsariny no navelany ho antsika mba hamintinana ny fitsidihany

Korea: Fifanenàn'ny Fombam-Pivavahana Tao Anaty Fiarandalamby Ambanin'ny Tany (Metro)

Fomba fijery maro no ateraky ny resaka fombam-pivavahana ho an'ireo mpisera amin'ny aterineto koreana. Nahasarika ny sain'ny olona maro tao amin'ny tranonkala koreana iray malaza ny traikefan'ilay olona iray sy ilay mpitondra fivavahana bodista tao anaty fiarandalamby.