- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kazakhstan: Miady Hevitra Momba Ny Milina Fikarohana Nasionaly Ny Bilaogera

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny 11 Desambra 2008, nanoratra [1] tao amin'ny bilaoginy, natokana hiresahana momba ny olan'ny fampandrosoana ny Teknolojiam-baovao ilay bilaogera Kazakhstani Nurlan, niresaka momba ilay antsoina hoe “KazNet” (ampahan'ny w.w.w Kazakhstani) mety hanana ny milina fikarohany tsy ho ela izy ary nanonona dokambarotra napetraka tao amin'ny tranonkala ofisialin'ny Sampam-panjakana ho amin'ny Fampiasana Solosaina sy ny Fifandraisana (AIC) [2] [ru]:

Dear users,
The department of information technologies at the Governmental Agency on Informatization and Communications is pleased to inform you that we plan to create a National Search System within the framework of KazNet development. The search system will be society-oriented. In this regard, we ask the Internet community to help us in choosing a name for the search engine.

Ry mpiserasera,
Ny sampan-draharahan'ny teknolojiam-baovao ao amin'ny Sampam-panjakana momba ny Fampiasana Solosaina sy ny Fifandraisana dia faly mampahafantatra anao fa mikasa hamorona Rafitra Fikarohana Nasionaly ao anatin'ny sehatry ny fampandrosoana ny KazNet izahay. Ny rafitra fikarohana dia hifantoka amin'ny fiarahamonina. Noho izany, mangataka amin'ny fiarahamonin'ny aterineto izahay mba hanampy anay hisafidy anarana ho an'ny mili-pikarohana.

Ao anatin'ny adihevitra etsy ambany, misy ireo bilaogera miresaka tsy momba ny mety ho anaran'ny mili-pikarohana fotsiny ihany, fa ny tena ilàna ny fanavaozana manontolo koa.

Araka izany, mihevitra i Zhomart [3] [ru], fa “fomba iray hafa amin'ny fanadiovam-bola” izany. Misalasala momba ny fahaizana ara-teknika hanatanterahana azy i Valentin [4] [ru]:

“It's fishy. The best they can do is to create a websites catalog. Actually, what is the reason of making something that already exists? They will not have enough capacity to create something better than the existing search engines. It's going to be some fake at the expense of taxpayers’ money”.

“Maimbomaimbo izany. Ny fomba tsara indrindra azon'izy ireo atao dia ny mamorona katalaogin-tranonkala. Inona marina no antony hanaovana zavatra efa misy? “Tsy hanana fahaizana ampy hanamboarana zavatra tsara kokoa noho ny mili-pikarohana efa misy izy ireo. Mety ho hosoka amin'ny fandaniana ny volan'ny mpandoa hetra izany”.

Assasin [5]indray mihevitra fa tokony hamaha ny olana anatiny aloha izy ireo:

“What are you talking about, a search engine? They cannot even do a dns server properly. Look – aic.gov.kz doesn’t return the page, only http://www.aic.gov.kz works. There was an online conference with Kuanyshbek Esekeev [6], the AIC chairman on “e-government”. He was not able to respond to concrete questions! A search engine… It would probably take 50 years for them to make one”.

“Inona no resahanao, milina fikarohana? Tsy mahavita lohamilina dns araka ny tokony izy akory izy ireo. Jereo – tsy mamerina pejy ny aic.gov.kz, fa ny http://www.aic.gov.kz ihany no mandeha. Nisy ny valandresaka antserasera niarahana tamin'i Kuanyshbek Esekeev [6], filohan'ny AIC momba ny “e-governemanta.” Tsy nahavita namaly fanontaniana mivaingana izy … Milina fikarohana … Mety ho 50 taona no hanaovany izany “.

Be dia be ny fisalasalana, ary zara raha takatra izany. Inona no ilaina hanamboarana bisikileta? Inona no ilaina amin'ny fanamboarana milina fikarohana vaovao (iza no manampy azy hanao izany – Yandex, Google sa Microsoft), raha efa manome tondro marina sy mahita tsara ireo tranonkala Kazakhstani ny milina fikarohana efa misy. Tsy mitaky fotoana na fampiasana vola fanampiny izy ireo, indrindra ao anatin'ny fotoan-tsarotra amin'ny krizy ara-toekarena.

Ankoatra izany, ao anatin'ny toerana somary hafahafa ny fitaovana vaovao. Raha ny tena marina, mbola tsy mazava loatra ny dikan'ny hoe “mitodika any amin'ny fiarahamonina” amin'ilay milina fikarohana. Ankoatra izay, raha natao hampiraisana ny firenena sy hanesorana ny sisintany ny aterineto, nahoana no mila milina fikarohana ao an-toerana i Kazakhstan, na dia mandeha tsara aza izany? Inona moa izany: fanamafisana orina ny tenany, antony iray handaniana ny tetibolam-panjakana sa tena filàna ara-teknika?

Raha miresaka fatratra momba io olana io ny bilaogera, nanonona tarehimarika vitsivitsy i Alexandr Lyakhov [7]mpikarakara ny Lokan'ny Aterineto Kazakhstani Fanao Isan-taona [8] sy iray amin'ireo bilaogera voalohany sy hajaina indrindra ao amin'ny KazNet:

According to the paragraph 8.1.1 of “the Program of fighting Internet inequality in Kazakhstan for 2007-09″ (it is being implemented by AIC), KZT 28,8 million (nearly $242,000) was to be spent in 2007 and 2008 from the budget for the development of an “intellectual search system”.

Araka ny paragrafy 8.1.1 amin'ny “Fandaharan'asa momba ny ady amin'ny elanelana be loatra ao amin'ny aterineto any Kazakhstan tamin'ny taona 2007-09″ (natsangan'ny AIC izany), 28,8 tapitrisa KZT (efa  242.000 dolara) no nolaniana tamin'ny taona 2007 sy 2008 tamin'ny teti-bola ho fampandrosoana ny “rafitra fikarohana ara-tsaina”.

 

Bilaogera Valentin [4] nivazivazy ratsy fa mety ho mora kokoa ny manarama olona izay hahazo fangatahana, google ho azy ireo ary mandefa ny valiny any amin'ny mpiserasera.

Saingy efa lasa lavitra noho ny vazivazy ny raharaha: andro maromaro lasa izay, bilaogera Zhomart  [9]namoaka taratasy misokatra ho an'Andriamatoa. Esekeev, filohan'ny AIC, tao amin'ny bilaoginy, mamariparitra ny olana ary mangataka ny fanajanonana ny tetikasa. Nangataka tamin'ireo bilaogera ihany koa izy mba hanasonia izany taratasy izany sy handefa ny taratasy any Astana.