- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpikambana Ao Amin'ny NewsFrames Slack Ve Ianao?

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, NewsFrames, lingua

Miarahaba antsika rehetra, indro misy fanavaozambaovaon'ny NewsFrames, miampy ny antsipirihany mikasika ny toerana itafatafan'ny olon-drehetra momba ireo tetikasa NewsFrames.

Ny tena marina, tianay ho fantatrao hoe aiza no mitranga ny tafa ao amin'ny Slack — jereo etsy ambany ireo fantsom-baovao sy tetikasa sasantsasany efa miasa. Raha mbola tsy ao amin'ny Slack ianao, andefaso imailaka i Nevin amin'ny nevin.thompson[at]globalvoices.org, ary ho ampidiriny ao ianao. Na, mamelà fotsiny hafatra eto ambany eto.

Resadresaka 6 ao amin'ny Slack : Iza Amin'Ireo No Mahaliana Anao ?

Hatramin'ny volana Janoary izay nanombohanay, tena nazoto tokoa izahay tao amin'ny Slack niaraka tamin'ireo mpikaroka sy mpandray anjara an-tsitrapo maro, nieritreritra, nanao vakiraoka  ary nikaroka sy nanoratra tantara.

Ankoatra ilay fantsom-baovao MainFrames Slack reniny [1], nanolotra lohahevitra ara-tantara ihany koa ilay vondrona ary nanomboka niasa taminà tetikasa, miresaka azy ireny izahay ao anatin'ireto fantsona manaraka ireto:

1) Fikorontanan'ny vaovao : fampahalalam-baovao diso, fanovàna vaovao, fampielezan-kevitra (rohy mankany amin'ilay fantsona Slack [2])

2) Famelabelarana: fanehoana kolontsaina, ny lahy sy vavy, ny firenena (rohy mankany amin'ilay fantsona Slack [3])

3) Fifindràmonina : tantara momban'ny fifindràmonina (rohy mankany amin'ilay fantsona Slack [4])

4) “Rising Frames”: fampiharàna ny fanadihadiana ireo rakitra mba hahafahana mandinika ny fampahafantàrana ny olona ireo vondrom-piarahamonina zanatany sy ireo voahilikilika : (rohy mankany amin'ilay fantsona Slack [4])

5) “Power Mapping” : fametrahana ny “meme”  ho anaty sarintany (rohy mankany amin'ilay fantsona Slack [5])

6) Lisitr'ireo Filazambaovao : ampio izahay hanome loharanom-baovao marim-pototra ho an'ny firenenao na ny faritra misy anao ho an'ny Media Cloud (rohy mankany amin'ilay fantsona Slackl [6])

Ankoatra izay, ho an'ireo mpandika teny ao amin'ny Lingua dia nanokatra ny #nf_translation koa izahay ho toerana iray hifanohanana/hifanampiana momba ny fomba fandikàna ireo teny manahirana ao amin'ny NewsFrames (framing, framespotting, sns). Anontanio ny Lingua Community Slack [7] raha mila fanazavana fanampiny.

Inona no Lohahevitra NewsFrames mifandraindraika aminao ?

Koa raha vonona ny hiroso ianao, iangaviana hifandray mivantana amin'i Nevin na i Connie ao amin'ny newsframes[at]globalvoices.org.  Na tonga dia midira avy hatrany anatin'ny iray amin'ireo fantsona Slack etsy ambony etsy ireo.

Manontany tena ve ianao hoe inona no zavatra atolotry ny NewsFrames? Jereo ireto famaritana mahafinaritra ireto :
https://www.journalism.co.uk/news/newsframes-is-building-tools-and-a-community-for-collaborative-media-analysis/s2/a716601/ [8]

Te hahafantatra misimisy kokoa mikasika ny fomba fiasan'ny NewsFrames? Jereo ireo fitarihàna maro samy hafa ao amin'ny NewsFrames, toy ito :
https://newsframes.globalvoices.org/tools/how-to/ [9]

Misaotra … ary manantena ny hahita anao ao amin'ny Slack!

Connie, Nevin ary ny ekipan'ny NewsFrames