Tantara tamin'ny 14 Marsa 2018
Ahoana Ny Fomba Nandrahonan'ny Filohan'i Ekoadaoro Ny Satirista Antserasera Iray Tsy Hanohizany Izany Intsony ?
Mitantara ny tranga hafahafan'ny Filoha Correa mifanandriana amin'i Crudo Ecuador, pejy Facebook iray namoaka ny sary-sy-soratra ara-politika i Silvia Viñas avy ao amin'ny Radio Ambulante.
Japàna: Topimaso Amin'i Yasukuni, Ilay Sarimihetsika.
Nahatonga adihevitra ny sarimihetsika fanadihadiana iray naha-be resaka momba ilay fasan'i Yasukuni, notontosain'ny Shinoa iray mpanatontosa sarimihetsika tamin'ny alalan'ny famatsiambola nomen'ny masoivohom-panjakana Japoney, taorian'ny nikarakaran'ny vondrona iray eo amin'ny fitondrana, ny LDP, ny fandefasana izany mba hitsarana ny "tsy fiandaniany". Nanolotra fomba fijery samihafa momba ilay toe-draharaha sy ilay hevitry ny governemantan'izy ireo izay lazain'ny sasany fa sarimihetsika "politika" ireo blaogera.
Mpikambana Ao Amin'ny NewsFrames Slack Ve Ianao?
Miarahaba antsika rehetra, indro misy fampahafantaràna ny NewsFrames, miampy ny antsipirihany mikasika ny toerana itafatafan'ny olon-drehetra momba ireo tetikasa NewsFrames.
Fihetsiketsehana An'arivony Teny An-dalamben'i Kashmir Taorian'ny Namonoan'ny Tafika Indiana Sivily Efatra
Toeram-ponenan'ny olona an'arivony tapitrisa na miampy ireo miafina i #Kashmir. Mbola tsy maty ny fahazarana taloha eo amin'ny Mpitandro ny Filaminana. Tsy mba liana amin'ny zon'olombelona na ny fandraisana andraikitra i India. Tiany ny mifehy an'i Kashmir amin'ny alalan'ny tahotra.
Nanamarika Ny Fanoherana Ny Fankahalana Vehivavy Tany Pakistana Ny Diabe Aurat (Diaben'ny Vehivavy)
"Efa maro ny hatezerana ary nivoaka ihany izany ny farany ary fomba iray hitondrana izany fahatezerana izany ho any amin'ny toerana misy ny zavatra matanjaka sy mahafinaritra ity diabe ity."
Egypta: Nahavita Niala Tamin'ny Fanakanana Ny Aterineto Ny Lahatsary Roa
Nahasarotra ny fandefasana sary momba ny zava-nitranga tao Egypta ny fahatapahan'ny Aterineto sy ny tambajotra finday tany Egypta tao anatin'ny andro vitsivitsy , saingy nahavita niodidina izany ny horonantsary sasany.
Kazakhstan: Miady Hevitra Momba Ny Milina Fikarohana Nasionaly Ny Bilaogera
Nanoratra tao amin'ny bilaoginy, natokana hiresahana momba ny olan'ny fampandrosoana ny Teknolojiam-baovao ilay bilaogera Kazakhstani Nurlan, niresaka momba ilay antsoina hoe "KazNet" mety hanana ny milina fikarohany tsy ho ela izy ary nanonona dokambarotra napetraka tao amin'ny tranonkala ofisialin'ny Sampam-panjakana ho Fampiasana Solosaina sy ny Fifandraisana (AIC).