Tatitra Avy Amin'ny Vovonana Nataon'ny Biraom-Pitantanana Global Voices

 

Ireo biraom-pitantanana ao amin'ny Global Voices mamaly fanontaniana tamin'ny fivorian'ny Vondrom-piarahamonina 2017. Sary: Jer Clarke, navoaka teo ambanin'ny lisansa CC-BY.

Iray tamin'ireo fivoriana izay natao nandritra ny Vovonan'ny Vondrom-piarahamonina GV tany Sri Lanka ny adihevitra lehibe maro nifanaovana tamin'ireo mpikambana ao amin'ny biraom-pitantanana. Ny hampahatsiahy ny vondrom-piarahamonina ny andraikitra sy ny adidin'ny biraom-pitantanana tamin'ny fiteny mazava no tanjonay, ary hanome fahafahana ho an'ny mpanatrika mba haneho hevitra sy haneho fanontaniana.

Sady mivantana (maina) no manara-dalàna ny asan'ny biraom-pitantanana, saingy mahatsapa izahay fa zava-dehibe ny mampahafantatra ny fomba asan'izany araka izay azonay atao. Izany no ezahako atao ato anatin'ity lahatsoratra ity!

Niresaka lohahevitra maromaro izahay nandritra ny fotoam-pivoriana, saingy tahaka ny tamin'ny fizarana maro tamin'ny Vovonana dia tsy nanam-potoana firy izahay nitantarana ny zava-drehetra nataonay. Taorian'ny Vovonana, nangoninay ireo fanontaniana avy amin'ny fivorian'ny biraom-pitantanana sy ny fivoriana “Ask the Core Team” (Anontanio ny Biraom-Pitantanana), ary mikasa izahay ny hanolotra ireo valim-panontanina amin'ny alàlan'ny andiana bilaogin-dahatsoratra ao amin'ny Vondrom-piarahamonina sy hanavao ihany koa ny Torolalana Global Voices raha ilaina izany herinandro sy volana maromaro taty aoriana .

Maro tamin'ireo fanontaniana maro izay voarainay no tafiditra tao anatin'ny sokajy roa lehibe:

  • Fitantanana ny birao: inona no asa ataon'ny birao, ary inona no fahefana ananany
  • Paikady: Ahoana no hanapahantsika hevitra momba ny fomba fijery sy ny lalan-kizoran'ny Global Voices?
  • Fandaniana ara-bola: ahoana ny fomba ahitana sy hitsinjarana ny vola, ary ahoana ny fomba hizarantsika vaovao mikasika ny fandaniana ara-bola
  • Fandaharanasa: ahoana ny fomba hametrahana ny laharam-pahamehana sy ny tetikasa ary ny fizarana samihafa
  • Famoahan-dahatsoratra: Ahoana ny fomba hanapahan-kevitra momba izay lohahevitra tokony hotaterina, inona ny fiteny hiasana amin'izany, ary ahoana ny fomba handaminana ny fandroson'ny asa amin'ny famoahan-dahatsoratra
  • Ny mpikambana manokana: Ahoana ny fomba hanapahantsika hevitra mikasika ny karazana asa tokony omena vola sy ny fomba hanatanterahantsika ny fanapahan-kevitra fitadiavana mpikambana mpandray vola?

Hanombohana izany dia indro misy fampahatsiahivana fohy momba ny asam-pitantanan'ny birao (filan-kevi-pitantanana):

Ny fihaonana in-efatra isan-taona no andraikitra voalohany sahanin'ny biraom-pitantanana ao amin'ny Global Voices ary ny fandraketana ny adihevitra nifanaovan'izy ireo araka ny fizotram-pandaharana. Aorian'ny fivorian'ny birao tsirairay dia zarainay ho an'ny besinimaro ireo fizotram-pandaharana amin'ny antsipiriany ireo ao amin'ny lisitry ny vondrom-piarahamonina, mba hahafahanay mametraka ny fizotran'ny fandroson'ny fomba sy ny asan'ny birao mba ho hita sy ho fantatry ny besinimaro araka izay azo atao. Ahitana ny zava-drehetra noresahinay nandritra ny fivoriana ny fizotram-pandaharana zarainay amin'ny vondrom-piarahamonina, afa-tsy ny vaovao saropady toy ny fiarovana sy ny filaminana, ny olana sasantsasany momba ny mpikambana, ny vaovao ara-bola, ary ny antsipiriany momba ny fivorian'ny birao mpanatanteraka.  Atrehan'ireo solontenan'ny birao miisa sivy sy ireo tale mpitantana sy mpanatanteraka ny fivorian'ny biraom-pitantanana. Hitanao ato amin'ny dosie PDF ireo antsipirian'ny fivorian'ny biraon'ny vondrom-piarahamonina nandritra ny Vovonana.

Ny andraikitry ny biraom-pitantanana ankapobeny dia:

  • mihaona isan-telo volana
  • mijery ny teti-bola isan-taona ary ny fandaniana isan-telo volana sy isan-taona
  • mametra ny tahan'ny karama ho an'ny tale mpanatanteraka sy ny tale mpitantana ary mamerina mijery ny tahan'ny karama sy ny dingana ho an'ny hafa
  • Manome alalana, manadihady ary mankatoa ny fanaraha-maso ara-bola isan-taona
  • Mifanakalo hevitra, manohana ary manampy amin'ny fametrahana paikadin'ny fitantanana ho an'ny fikambanana
  • manome fifandraisana, hevitra ary jery todika ny fizotry ny fanangonam-bola
  • manadihady sy manamafy fa ny politika, ny fomba fiasa, ny taratasy fanamarinana sy ny sata ara-dalana mifehy ny Global Voices dia mifanaraka amin'ny lalàna sy fitsipika manan-danja
  • manavao ny birao amin'ny alalan'ny fanendrena ireo mpikambana hafa ao amin'ny birao, anisan'izany ny fanaraha-maso ny fifidianana ny solontenan'ny vondrom-piarahamonina ao anatin'izany.

Ahitana ireo mpikambana roa maharitra dia ireo mpanorina ny Global Voices Rebecca MacKinnon sy Ethan Zuckerman ny mpikambana ao amin'ny biraom-pitantanana amin'izao fotoana izao; ireo solotenan'ny vondrom-piarahamonina voafidy miisa telo dia i Annie Zaman, Laura Vidal ary Marianne Diaz Hernandez; ary ireo mpikambana efatra voatendry, dia i Sue Gardner , Miguel Paz, James Deane ary ny filohantsika, Mohamed Nanabhay.

Vonona hamaly hatrany ny fanontaniana ny solontenan'ny vondrom-piarahamonina ary hanome ireo hevitra sy ny fanontaniana ary ny olana any amin'ny birao. Miangavy anareo mba hifandray aminay – Eto izahay hanampy anareo!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.