- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ghana: Mpanenon-damba ao Ashanti

Sokajy: Ghana, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aogositra taona 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny alina lasa teo, nametraka lahatsary fohy mikasika ny fanenoman-damba nentim-paharazana kente ao amin'ny faritra Ashanti ao Ghana aho. Ny Kente, angamba lamba Afrikana faran'izay malaza indrindra, dia miloko marevaka, avy amin'ny endrika samihafa, natokana ho ampiasain'ny mpanjaka Ashanti ny sasany. Nalaina tamin'ny fanenoman-damba kente manan-tantara ao an-tanànan'i Bonwire, adiny iray ao atsimon'i Kumasi ny lahatsary. Asongadina ao ireo mpanenon-damba telo, izay samy mampiasa volom-borona nentim-paharazana mba hanaovana lamba. Ahitana mozika notontosain'ilay mpitendry amponga Ghaneana Obo Addy ihany koa ny lahatsary, nahazoana alalana avy amin'i Alula Records [1]. Misy dikan-teny roa amin'ilay lahatsary: tosaka ambony (13 megs) ary tosaka ambanimbany (roa megs).

 kente weavers [2]

Kente Weavers of Ashanti:
High res video [2]
Low res video [3]

Fanamarihan'ny famokarana:

Nalaina tamin'ny 23 Jolay 2005 tao an-tanànan'i Bonwire, faritra Ashanti, Ghana ny lahatsary, nampiasa fakantsary nomerika Konica-Minolta dImage A-200. Nampidirina tao amin'ny solosaina Macintosh G4 ny tahiry Quicktime nalaina tamin'ny fakantsary ary navoaka tamin'ny Final Cut Pro HD 4.5. Natambatra ny endrika roa tamin'ny lahatsary tamin'ny alalan'ny fampiasana ny “codec compression 3ivx”. Teo amin'ny 90 minitra teo ny fotoana namoahana azy, tafiditra amin'izany ny fanatambarana.

PlayPlay [2]