Roa taona misesy izao, nahasarika fandraisana anjara betsaka avy amin'ireo mpikatroka sy mpiaro ny fiteny ny Fanamby Sary sy Soratra amin'ny Tenindrazana izay fomba hanasongadinana ny maha-zava-dehibe ny fahasamihafan'ny fiteny ao amin'ny tranonkala miaraka amin'ny fifantohana manokana amin'ny teny indizeny (tompotany), tandindonin-doza, na fiteny vitsy an'isa.
Manomboka ny 14 febroary, ny Fanamby iray herinandro dia tapitra ny 21 febroary, daty izay hankalazana ny Andro Iraisam-pirenena Ho an'ny Tenindrazana isan-taona. Ireo izay nandray anjara dia namorona sary sy soratra mahatsikaiky na manome aingam-panahy tamin'ny tenindrazan'izy ireo, nizara izany tao amin'ny tambajotra sosialy, ary nandrisika ny hafa mba hanao toy izany koa. Ny vokatra azo dia sary maroloko misy ireo fiteny marobe ao amin'ny sehatr'izy ireo manokana amin'ny aterineto noho ny ezaka nataon'ny tsirairay, ny fikambanana ary ny vondrom-piarahamonina.
Nampitambatra indray ireo fikambanana sy vondrona mpiara-miasa vaovao miasa amin'ny famelomana ny fiteny manerana izao tontolo izao ny Fanamby. Jereo ato ny lisitra feno misy ireo mpiara-miasa tamin'ny Fanamby tamin'ity taona ity.
Nadika tamin'ny fiteny 34 tamin'ny taona taona 2017 ny tranonkala lehibe misy ny fanentanana, ary tamin'ity taona ity, noho ny asan'ny mpilatsaka an-tsitrapo, dia nitombo 26 ny fiteny vaovao, ka ireto avy: Triqui, Odia, Swahili, Somali, Punjabi, Lombard, Hindi, Malagasy, Alemà, Romaniana, Bangla, Santali, Igbo, Doteli, Tiorka, Aromanian, Extremaduran, Italiana, Shinoa Mandarin, Breton, Nubian, Gujarati, Nepal Bhasa, Acadian, Serba, ary Huastec.
Niara-nikarakara ny fanamby ny Rising Voices, miaraka amin'ny Living Tongues Institute, First Peoples’ Cultural Council, Indigenous Tweets, Endangered Languages Project, sy ny Digital Language Diversity Project.
Niangavy ireo mpandray anjara izahay mba hampiditra tenirohy milaza ny fiteny izay namoronana ny sary sy soratra, ary koa ny #memeML. Araka ny asehon'ny zavon-teny etsy ambany, ny fiteny vitsy an'isa Eoropeana no tena naneho hevitra be indrindra tao amin'ny Twitter.

Lisitry ny zavon-teny avy amin'ny #memeML 2018 nangonin'ny Keyhole.co
Ary araka ny hita amin'ity zavon-teny (word cloud) novokarin'ny Keyhole ity, tsara ny manamarika fa ny fandraisana anjaran'ireo vondrona teny vitsy an'isa ao Eoropa tahaka ny Catalan, Asturian, Basque, Irlandey, Cornish ary Galoà no anisan'ireo tena mavitrika. (Naotin'ny tonia: Mariho fa na tsy zavona aza ny dikan'ny cloud fa rahona dia io no azo heverina fa manakaiky kokoa ny fisainan'ny teny malagasy.)
Mba hahalalanao tsara kokoa ireo toerana ara-jeografika izay nandray anjara tamin'ny Fanamby, nampiseho ny topi-maso malaky amin'ny fampiasana ny tenirohy Keyhole amin'ny Twitter fa nisy ny lahatsoratra orizinaly na fanohanana amin'ny endrika fizarana sioka (retweet) avy amin'ny ankamaroan'izao tontolo izao.

Fandraisana anjara ara-jeografika tamin'ny #MemeML 2018 araka ny nangonin'ny Keyhole.co
Faly koa izahay mahita ny fandraisana anjara avy amin'ireo faritra vaovao manerana izao tontolo izao, tahaka an'i Ejipta, izay nanampy tamin'ny famoronana sary sy soratra tamin'ny fitenin'izy ireo ny mpiaro ny teny sy kolontsaina Nubian. Araka ny hita amin'ny dikan-tenin'izy ireo, kitendry marobe no tsy afaka mamokatra tarehin-tsoratra abidia takiana amin'ity karazana soratra ity, ka noforonina tamin'ny fampiasana jpg ny tranonkala, izay maneho bebe kokoa ny fanamby atrehin'ny vondrom-piarahamonina sasany. Nahafaly anay koa ny fandraisana anjara bebe kokoa avy any India, izay nanampy tamin'ny fitondrana fiteny vaovao ireo mpikatroka ao an-toerana, tahaka ny Hindi, Odia, Punjabi, ary Santali.
Na dia tsy afaka mizara ireo sary sy soratra rehetra noforonina nandritra ny herinandron'ny Fanamby aza izahay, ity sombiny tamin'ireo sary sy soratra manerana ny bolan-tany hita tao amin'ny Twitter sy Instagram:
Afrika Atsimon'i Sahara
Ny faranita-tsaina no manao ny rehetra
Eoropa
“please tell me more about how Guernsey-French isn't a real language” for #MemeML (though I know this one's too late – thanks for a week of good fun @risingvoices) pic.twitter.com/Hy9vce5cHU
— Adam Clayton (@TheAdamClayton) February 23, 2018
“Lazao ahy bebe kokoa azafady ny momba ny Guernsey-Frantsay, tena fiteny tokoa ve izy io” ho an'ny #MemeML (na dia fantatro aza fa tara izy ity- misaotra tamin'ny herinandro mahafinaritra @risingvoices)
“I will look for you, I will find you, and I will speak to you in #Jèrriais” #MemeMLpic.twitter.com/TJSidd2hKS
— L'Office du Jèrriais (@le_jerriais) February 21, 2018
“Hotadiaviko ianao, ho hitako ianao, ary horesahako amin'ny fiteny #Jèrriais ianao”
#MemeML unos poucos que yá fixera ha tiempu. #Leonese #Llionés pic.twitter.com/NXrGDzUI6F
— ? ? ? ? ? ? (@Daviid_mdr) February 21, 2018
Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra
@nubian_app#memeML#NubianMeme#NubianProverb#EndangeredLanguages#Nobiin#علمني_نوبي pronounced: hotta Likka Meera pic.twitter.com/RKlrX5QBPl
— The Nubia Initiative (@NubiaInitiative) February 21, 2018
@nubian_app#memeML#NubianMeme#NubianProverb#EndangeredLanguages#Nobiin#علمني_نوبي tononina hoe: hotta Likka Meera
ס׳קומט איצט פֿאָר אַן אינטערנאַציאָנאַלער איניציאַטיוו צו שאַפֿן “מימס” אויף קלענערע שפּראַכן. אָט איז אונדזער באַשטײַער.
Several groups are running an initiative to create memes in indigenous and minority languages. Here is our small contribution@risingvoices@IndigenousTweetpic.twitter.com/ny0b4PKl4s— Yugntruf (@yugntruf) February 20, 2018
Vondrona maromaro no mitantana tetikasa famoronana sary sy soratra amin'ny fiteny indizeny sy vitsy an'isa. Ity ny fandraisana anjara kely avy aty aminay @risingvoices@Indigenous
Amerika Avaratra
#mememl#wetsuweten translates to: “cousin, give me some dried fish” pic.twitter.com/gRdwLzCm4v
— dani_christ (@dogen84) February 19, 2018
#mememl#wetsuweten adika hoe: “rahalahy, omeo trondro maina aho”
Amerika Afovoany sy Meksika
Un meme local para los de Xaya | Promocionando un #Internet con más #diversidad lingüística con el Desafío Meme en Lengua Materna 2018 #DILM #Maya #MemeML @gvenespanol @risingvoices
Más info aquí ➡ https://t.co/qcxJcTHnvP pic.twitter.com/PzMbDMIBW5
— Saaz Sánchez (@lussasil) February 16, 2018
#MemeML #QatzijGT #kaqchikel
Diseño: Mariela Miguel. pic.twitter.com/vjyIkiecCU— Qatzij GT (@QatzijGT) February 18, 2018
#DidzaXhidza Desafío de los Memes en las Lenguas Maternas #MemeML pic.twitter.com/RlkBaRhNDP
— Kiado Cruz (@Kiadorindani) February 22, 2018
#memetriqui Ya tengo sueño, nos vemos mañana chiquita.
Te-hatory aho, fa rahampitso
Amerika Atsimo
Chumgeeluuuu #MemeML #Mapuzugun #MotherLanguageDay #Wallmapu pic.twitter.com/lluj6OQRFm
— MapucheDE (@mapusol) February 21, 2018
Azia
ᱡᱟᱱᱟᱢ ᱯᱟᱹᱨᱥᱤ ᱛᱮ ᱨᱚᱲ ᱫᱚ ᱥᱟᱹᱨᱤ ᱟᱹᱰᱤ ᱨᱚᱢᱚᱡᱽ ᱜᱮ !#MemeML #Santali_Language #ᱥᱟᱱᱛᱟᱲᱤ_ᱯᱟᱹᱨᱥᱤhttps://t.co/i9G4KMjAsz pic.twitter.com/4lkqdcXxWY
— OL CHIKI Tech (@OL_CHIKI_Tech) February 15, 2018
ହେଲେ ମାଲିକେ, ଏ ସୁଆଗ ବୋଇଲେ କିସ ବା? #swag #memeML #Odia #MotherLanguageDay pic.twitter.com/WFeaGQ8w5s
— Prateek Pattanaik (@pattaprateek) February 23, 2018
Raha hijery sary-sy-soratra bebe kokoa avy amin'ny Fanamby Sary-sy-Soratra amin'ny Tenindrazana avy amin'ny teny manerantany isan-karazany, jereo azafady ny tenirohy #MemeML ao amin'ny Instagram, Twitter, na Facebook. Misy ihany koa ny vondrona Facebook-n'ny Fanamby miaraka amin'ny fandraisana anjara avy amin'izao tontolo izao. Misaotra anao tamin'ny fandraisana anjara tamin'ity taona ity!