- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta: Ny Hira Rap-n'ny Revolisiona

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Tonizia, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 4 Febroary 2011 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mampahafantatra antsika ny tarika mpihira rap Egyptiana antsoina hoe Arabian Knightz izay maniry ny hanaparitaka ny fomba fijeriny momba ny hetsika mitranga ao amin'ny fireneny ny Mideast Tunes [1]. Toy izao no voalazan'ny tranonkala:

In the midst of Revolution, Egyptian rap group, Arabian Knightz, releases the first song to come out of Egypt since the revolution and complete internet/communications blackout. The song titled, “Rebel”, is produced by, Iron Curtain, and features a sample of Lauryn Hill on the hook. “Rebel” was recorded right in the middle of the Revolution and subsequently is being released on the first day of restored internet services

Namoaka ny hirany voalohany tao anatin'ny Revolisiona Egyptiana indrindra ny tarika mpiangaly Rap Egyptiana, Arabian Knightz, ary nivoaka tany Egypta nanomboka tamin'ny fiandohan'ny revolisiona sy ny fahatapahan'ny aterineto/fifandraisana izany. Novokarin'i Iron Curtain ilay hira mitondra ny lohateny hoe “Rebel” (Mpikomy), ary manasongadina ny sombin-kiran'i Lauryn Hill. Tao anatin'ny Revolisiona indrindra no nandraketana ny “Rebel” ary navoaka tamin'ny andro niverenan'ny fifandraisan'ny aterineto tamin'ny laoniny.

[2]

Sary tao amin'ny http://mideastunes.com/arabianknightz/

Mankasitraka ny tranonkala Mideast Tunes nanome fitenenana ireo mpiangaly mozika avy any Afovoany Atsinanana izay mandrisika ny fiovan'ny fiarahamonina. Indrindra tamin'ny fotoana nisian'ny fiovana manerana ny faritra. Ny volana Janoary 2011, talohan'ny fikomiana tao Tonizia nanonganana ny filoha, nosamborina [3] ny mpiangaly mozika Toniziana iray antsoina hoe The General . Ny antony? Noho ny hirany hoe Ry Filoha, Maty Ny Vahoakanao. [4]

Azonao atao ny mihaino ny hiran'ny tarika Arabian Knightz hoe Rebel etsy ambanin'ny lahatsoratra. Araka ny pejin'izy ireo, azo trohana maimaim-poana, halefa mivantana, lalaovina ary zaraina  maimaim-poana ilay hira ; Azo alaina ao amin'ny pejin'ny Mideast Tunes [1] ihany koa izany .