- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Toy Ny Ahoana Izany Hoe Nandeha Fiarakodia Nandritra Ny Telo Ora Niampy Nofy Ratsy Fito Ora ?

Sokajy: Ghana, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 25 Jolay 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Omaly tolakandro, vondrona maromaro taminay no niainga nandeha fiara niverina ho any Accra avy any Patriensa. Araka ny hitanao ao amin'ny lahatsoratra bilaogy hoavy, nitokona tsy nety nandeha ny fiaranay ary ora maromaro no laninay vao tafaverina tany Accra izahay, notarihin'ny kamiao nitondra sakafo tamin'ny tady izay tapaka hatrany ny teo anoloan'ny fiaranay. Mandritra izany fotoana izany, azonao henoina ny rakipeo miisa roa  izay navoakako avy tamin'ny findaiko raha mbola nijanona izahay – eny, tafiditra  ihany tamin'ny fifandraisan'ny finday aho tany amin'ny faritra ambanivohitra atsimon'i Ghana.

Rakipeo voalohany [1] : manodidina ny tany amin'ny 7:15 hariva, tany ho any amin'ny faritra avaratr'i Accra tany.

Rakipeo faharoa [2] : adiny roa taty aotiana teo ho eo , somary efa akaiky kokoa an'i Accra, saingy mbola lavitry ny toerana rehetra manakaiky ny faran'ny dianay