Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Toy Ny Ahoana Izany Hoe Nandeha Fiarakodia Nandritra Ny Telo Ora Niampy Nofy Ratsy Fito Ora ?

(Marihina fa tamin'ny 25 Jolay 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Omaly tolakandro, vondrona maromaro taminay no niainga nandeha fiara niverina ho any Accra avy any Patriensa. Araka ny hitanao ao amin'ny lahatsoratra bilaogy hoavy, nitokona tsy nety nandeha ny fiaranay ary ora maromaro no laninay vao tafaverina tany Accra izahay, notarihin'ny kamiao nitondra sakafo tamin'ny tady izay tapaka hatrany ny teo anoloan'ny fiaranay. Mandritra izany fotoana izany, azonao henoina ny rakipeo miisa roa  izay navoakako avy tamin'ny findaiko raha mbola nijanona izahay – eny, tafiditra  ihany tamin'ny fifandraisan'ny finday aho tany amin'ny faritra ambanivohitra atsimon'i Ghana.

Rakipeo voalohany : manodidina ny tany amin'ny 7:15 hariva, tany ho any amin'ny faritra avaratr'i Accra tany.

Rakipeo faharoa : adiny roa taty aotiana teo ho eo , somary efa akaiky kokoa an'i Accra, saingy mbola lavitry ny toerana rehetra manakaiky ny faran'ny dianay

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.