Global Voices Frantsay: “Fanafody Tsara, GV!”

GV 2017 Fivoriana Anatiny (1 Desambra 2017) – Sary avy amin'i Raphael Tsavkko Garcia, nahazoana alalana.

Tonga marobe tamin'ny Fihaonamben'ny GV tao Colombo ny GV Frantsay: tsy latsaky ny olona valo, ka tao anatin'izany ireo menavazana sy mpikaroka zava-baovao, tonian-dahatsoratra, mpandika teny sady mpanoratra – asa mitambatra matetika. Mety efa nahita ny sasany taminay ianao, mbola malahelo noho ny fahalasanan'ny roa tamin'ireo tsara indrindra taminay izahay. Nisy ny fanomezam-boninahitra ho an'i Anna sy Boukary nandritra ny fivoriana anatiny sy fivoriana niarahan'ny daholobe.

Mba hanohizana hiarahana milalao, nanapa-kevitra hanitatra ny fiarahana izahay, mbola ampitadiavana hatsiaka taorian'ny andro maromaro mafana amin'ny Fihaonambe mba hiaraka hanoratra lahatsoratra ao amin'ny bilaogin'ny Fihaonambe, mizara ny sary ankafizin'ny rehetra miaraka amin'ny fanehoan-kevitra maro voafintina.

Tena fihetseham-po tokoa izany, ary momba ny majika satria nametraka izany tamin'ny fombany manokana poetika ny namana Sri Lankey sady mpampiantrano avy amin'ny Groundviews. Momba ny fanavaozana ihany koa izany – tadidinao ve ireny olona ireny, anisan'izany aho, manao tahona solomaso maroloko tsy misy vera? – ary fahatsapana tombontsoa ho tafiditra ao anatin'izany fiarahamonina manan-talenta sy malala-tanana izany.

Lova, Tonian-dahatsoratra amin'ny teny Frantsay:

GV Frantsay (-1) tany Colombo: Lova eo afovoany, miankavia miankavanana: Jade, Gwenaëlle, Elise, Suzanne, Marie, Pauline. Sary GV

For me, the GV summit is an opportunity to be reminded of why we are contributing to this project: to concretize a few values: empathy, dialogue and justice.

Ho ahy, ny fihaonamben'ny GV dia fotoana iray hampahatsiahivina ny antony mahatonga antsika mandray anjara amin'ity tetikasa ity: mba hanatanteraka soatoavina vitsivitsy: fangorahana, fifanakalozan-kevitra sy ny rariny.

Jade, mpandika teny, Fihaonambeny voalohany:

Naoty Post-it nandritra ny atrikasa ‘Newsroom 101″, Saripika nampindramin'i Jade Dussart

I'll only share this post-it notes snapshot from the’ Newsroom 101′ workshop led by Sahar. I had registered there driven by curiosity and the desire to write for GV in the future, and went out telling myself that, yes, I could write for GV, and not in the long run, right now! This was the overall pattern of this Summit for me, the very first one I attended. I arrived impressed, introverted, doubting my legitimacy to be there, and I got out… still impressed, introverted, doubting my legitimacy (!) but much less (YAYY success!). I feel like I have started work on myself, at the professional, personal and relational levels. What a therapy, GV!

Ity sary tamin'ny atrikasa ‘Newsroom 101″ notarihan'i Sahar ity ihany no hozaraiko. Nanoratra tao aho noho ny fitadiavam-baovao sy faniriana hanoratra ho an'ny GV amin'ny ho avy, ary nilaza tamin'ny tenako fa, eny, afaka manoratra ho an'ny GV aho, ary tsy ho ela, fa amin'izao fotoana izao! Izany no lamina ankapobeny tamin'ity fihaonambe ity ho ahy, izay voalohany natrehiko. Tonga aho ary gaga, niròna anaty ary nisalasala momba ny maha ara-dalàna ahy ao, ka nivoaka … ary mbola variana, niròna anaty, nisalasala ny maha-ara-dalàna ahy (!) Saingy kosa (fahombiazana YAYY!). Mahatsiaro ho toy ny nanomboka niasa ho an'ny tenako aho, amin'ny sehatra matihanina, maha-olona sy fifandraisana. Tena Fitsaboana ity ry GV!

Abdoulaye, mpandika teny sady mpanoratra, efa mpandeha amin'ny fihaonambe:

As for my doubt about what I offer to GV in compensation for what I receive, I feel like I am taking the place of a young person who might offer more than me. I even talked to some friends about my intention to stop participating. Some people just laughed while telling me to show them where it was written that GV was only for young people and that the difference between my age and the average of the participants’ ages was also one of the values of GV: all different, all equal and committed to the same ideals.

Raha ny amin'ny fisalasalako momba ny zavatra atolotro ho an'ny GV ho fanonerana ny zavatra azoko, mahatsapa toa maka ny toeran'ny tanora iray izay mety hanome mihoatra kokoa noho izaho aho. Niresaka tamin'ireo namako sasany mihitsy aza aho mikasika ny fikasako tsy handray anjara intsony. Nihomehy fotsiny ny olona sasany no sady nilaza tamiko mba hampiseho azy ireo izay voasoratra fa ho an'ny tanora ihany ny GV ary ny fahasamihafana eo amin'ny taonako sy ny salanisan'ny taonan'ny mpandray anjara no iray amin'ny soatoavin'ny GV ihany koa: samihafa ny rehetra, mitovy ny rehetra ary nanolo-tena ho an'ny foto-kevitra iray.

Gwenaëlle, tonian-dahatsoratra, GV Lingua Frantsay, Fihaonambe Voalohany:

“Iza no manapa-kevitra hoe inona avy ny fiteny ampiasaina ao amin'ny Tranonkala?” Sehatra tamin'ny Fihaonambe GV 2017 ho an'ny daholobe. Sary natolotr'i Gwenaëlle Lefeuvre.

1) The pleasant feeling of meeting lots of people for the second time, after a first meeting via email. We know them and we don't know them at the same time, and of course, it's even more interesting in real life!
2) It is fascinating to be involved in a project that tries to counter the appropriation of the web by large monolingual companies, and even more so at a time when its scale drives it to redefine itself – hence my choice of picture.

1) Ny fahatsapana mahafinaritra amin'ny fihaonan'ny olona maro fanindroany, taorian'ny fihaonana voalohany tamin'ny mailaka. Fantatsika izy ireo no sady tsy fantatsika koa, ary mazava ho azy fa tena mahaliana kokoa amin'ny fiainana tena izy!
2) Mahafinaritra ny fandraisana anjara amin'ny tetikasa iray izay miezaka manohitra ny fakana tranonkala ataon'ireo orinasa tokan-teny, ary indrindra amin'ny fotoana izay manosika azy hamaritra indray ny tenany – izany no anton'ny sary nosafidiako.

Pauline, efa mpandeha amin'ny Fihaonambe, izay nanatevin-daharana ny vondrona:

I did not take any photo because I knew several people would take care of that and share on Flickr giving us access.
The Summit is a space for dreaming together. On a personal level, it is an opportunity to talk to people whose backgrounds, experiences and opinions make us grow, question ourselves and reflect.

Tsy naka sary aho satria fantatro fa olona maro no efa manao izany ary mizara izany ao amin'ny Flickr izay ahafahantsika miditra.
Ny fihaonambe dia sehatra ho an'ny fiarahana manonofy. Ho ahy manokana, fahafahana miresaka amin'ny olona manana tontolo, traikefa sy hevitra izay mahatonga antsika hivoatra, hanontany ny tenantsika sy handinika izany.

Marie, mpanoratra sy mpandrindra ny tetikasa ho an'ny CrossCheck, tetikasa izay mpiara-mpiasa amin'izany ny Global Voices, Fihaonambe faha-2:

Simona miresaka momba ny fiteny mapuche nandritra ny fihaonamben'ny GV. Sary natolotr'i Marie Bohner.

At times, there is a feeling of “too much” in a Global Voices Summit – too many people, too many hours of sessions, too many languages – it's as exhilarating as it is overflowing. However, when you manage to focus on what each and everyone shares, the nuggets reveal themselves, brilliant and strong, full of humanity. Like Simona Mayo during her presentation at the GV public Summit around the Mapuche language. Then you understand what makes GV unique, inspiring and special. And how fortunate you are to contribute to it.

Indraindray, misy fahatsapana “be loatra” ao anatin'ny Fihaonamben'ny Global Voices – olona maro loatra, ora maro isaky ny fotoam-pivoriana, fiteny maro loatra – mampientanentana no sady tototra ihany koa. Na izany aza, rehefa miezaka mifantoka amin'ny zavatra zarain'ny tsirairay sy ny rehetra ianao, mipoitra ho azy ny vonga-metaly, manjelanjelatra sy matanjaka, feno ny maha-olombelona. Tahaka an'i Simona Mayo nandritra ny fampahafantarana nataony tamin'ny Fihaonamben'ny GV mikasika ny fiteny Mapuche. Avy eo, azonao amin'izay ny mahatonga ny GV hiavaka, manome aingam-panahy sy manokana. Ary tena tsara vintana ianao mandray anjara amin'izany.

Connie mampahafantatra ny NewsFrames amin'ny mpanatrika liana nandritra ny andron'ny daholobe tamin'ny fihaonambe. Sary avy amin'i Suzanne Lehn.

Eny, anjarako ny mandray anjara! Amin'ny maha tonian-dahatsoratra ofisialy sy efa mpandeha amin'ny Fihaonambe, ny sary nofinidiko dia manasongadina an'i Connie Moon Sehat, talen'ny Tetikasa NewsFrames ao amin'ny GV, izay nahasarika ahy, miaraka amin'ny tonian-dahatsoratry ny GV Rosiana Anna Shetnikova, tao anatin'ny ekipany tia zava-baovao mba ho “ambasaderan'ny tetikasa”. Ny tanjonay: manaparitaka ny teny, manampy amin'ny fampiofanana ireo “mpandalina media ifarimbonana” vaovao ao anatin'ny vondrona GV mba hanoratra sy handika lahatsoratra mampientanentana (ohatra iray ato).

Ary andeha omena an'i Abdoulaye ny teny farany- izay mendrika fisaorana lehibe noho ny fandikan-teny sy famoahan-dahatsoratra tsy an-kiato nataony nandritra ny fihaonambe, nahatonga ny tranokalan'ny GV-FR ho velona na dia tany ivelan'ny sehatra aza ny ekipa mpitarika:

#GVSummits are not just opportunities to get together and discuss internal matters. They also provide a unique opportunity to discover new cultures.

Ny #GVSummits dia tsy fahafahana miara-mivory sy miresaka raharaha anatiny ihany. Manome fahafahana tsy manam-paharoa mba hahita kolontsaina vaovao ihany koa izy.

Mizara amintsika ireo fanti-tsary nalainy tao Kolombo nandritra ny fotoana nijanonany izy:

Tempolin'ny Sri Kailawasanathan Swami Devasthanam Kovil, Kolombo. Sary avy amin'i Abdoulaye Bah.

Ity sangan'asa hita ao amin'ny Tranombako-pirenena ao Kolombo ity dia noforonina tamin'ny taonjato faha-5 talohan'i J.K, izany hoe taonjato faha-20 talohan'ny nahaterahan'i Michelangelo. Saripika avy amin'i Abdoulaye Bah.

Mialoha ny Krismasy, manao fandaniana. Sary avy amin'i Abdoulaye Bah.

Moske Jami Ul-Alfar, toeram-pivavahan'ny Silamo misokatra ho an'ny rehetra. Sary avy amin'i Abdoulaye Bah

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.