- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Gay sy Lesbiana Talata Matavy 2018 ao Sydney Manome Voninahitra Ny Diabem-Pireharehana Voalohany Nakorontan'ny Herisetran'ny Polisy 40 Taona Lasa Izay

Sokajy: Aostralia, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona
Sydney Gay and Lesbian Mardi Gras 78ers [1]

Gay sy Lesbiana Mardi Gras (Talata Matavy) 2018 ao Sydney. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Jeffrey Feng, nahazoana alalana. 

Hetsika manana tanjona roa ny Mardi Gras 2018 [2] Gay sy Lesbiana ao Sydney – fankalazana maroloko ataon'ny vondrom-piarahamonina pelaka sy lesbiana, ary fankalazana ny faha 40 taonan'ny diabe voalohany tamin'ny taona 1978 [3] izay nahitana mpandray anjara 53 nosamborina sy nampangain'ny polisy .

Noterena noroahina ny sasany tamin'ireo voasambotra ary very asa rehefa namoaka ny anaran'izy ireo [4] ny gazety mpivoaka isan'andro Sydney Morning Herald. Maneho mari-pankasitrahana [5] ankehitriny ny lisitr'ireo nandray anjara tamin'izany.

Niala tsiny talohan'ny diabe tamin'ity taona ity ny kaomisera mpanampy ao amin'ny polisy Nouvelle-Galles ao Atsimo:

Ny kaomisera mpanampy ao amin'ny polisy NSW, Tony Crandell: “Diso ny tafiky ny polisy NSW tamin'ny taona 1978. Nandalo lalana lavabe izahay nanomboka teo. Miandrandra fatratra izahay mba hiantohana fa voaaro ny tsirairay ary manao Mardi Gras (Talata Matavy) am-pifaliana. “

Na dia izany aza, naneho ny ahiahin'izy ireo ny roa tamin'ireo izay voadaroka sy voasambotra tamin'ny taona 1978, Peter Murphy sy Sandi Banks fa tsy avy any amin'ny fara-tampony izany, izany hoe ny kaomiseran'ny polisy tenany. Nandefa lahatsary tao amin'ny YouTube i William Brougham izay nofaritan'i Sandi Banks fa “endrika roa amin'ny diabe. Maivana sy falifaly ary misidisidina ny iray. Herisetra tafahoatra kosa ny iray hafa”::

Nanatontosa lahatsary 22 misy antsafa miaraka amin'ireo 78ers , araka ny niantsoana azy ireo ihany koa i William. Betsaka amin'ireny no mihoatra ny adiny iray. Ao amin'ny fantsona Youtube ny lisitr'ireo [8] tantara am-bava ireo.

Ho an'ilay mpikatroka malaza sady 78ers Wendy Bacon, fiaraham-pianakaviana ihany koa ny Talata Matavy 2018 Gay sy Lesbiana ao Sydney:

Mahafinaritra izany amin'ny maha-78er rehefa ao amin'ny fiaran-dalamby Newtown feno/mientanentana ianao hihaona amin'ny zanakao vavy izay ho ao amin'ny Mardi Gras 40 ihany koa

Raharaham-pianakaviana ho an-dry Ingram mpiray tampo ihany koa izany:

TRATRY NY TALATA MATAVY AVY AMIN'NY (ROA) AMIN'IREO MPIRAY TAMPO INGRAM

Tahaka izany koa ry kambana Foster:

Fotoana mahafinaritra miaraka amin'ny kambana mitovy amiko

Nisaotra an'ireo mpamorona tantara i Paul Kidd:

Fiarahabana ho an'ny #78ers [9]. Fiarahabana ihany koa ho an'ireo mpikatroka LGBT tamin'ny taompolo 70s izay tsy tao amin'ny #MardiGras [20] voalohany na inona na inona antony. Fiarahabana ho an'ireo lahy tia vavy/vavy tia lahy mpiara dia izay nirohotra nankany amin'ny fivarotan'ilay polisy Darlo, nanaisotra ny vola antoka, nihitsoka noho isika. Eo amin'ny soroky ny goavana isika. #MardiGras40 [11]

Ankoatra izay, voalohany hatramin'ny fankatoavana ny fanambadian'ny mitovy taovam-pananahana  [22]ao Aostralia ny diabe. Nisy ny fampakaram-bady tsy azo ihodivirana tao amin'ny Talata Matavy:

Mpivady natao mariazy tao amin'ny Diaben'ny Talata Matavy, Fanambadiana Ara-dalàna voalohany ho an'ny mitovy taovam-pananahana. Jereo bebe kokoa ao amin'ny    https://t.co/0qSJ3O70Sf#Cher#JamesBrechney#SamesexWedding#SydneyGayAndLesbianMardiGraspic.twitter.com/enWsfmRhhj [30]

Nanatevin-daharana ity lanonana ity ny ankamaroan'ny mpitarika ara-politika ao amin'ny firenena. Ny Praiminisitra Malcolm Turnbull izay niara-naka selfie tamin'i Cher ilay malaza, izay noheverina ho anisan'ny olomangan'ny fiarahamonina LGBTQ:

Tongasoa eto Sydney, Cher! @GladysB [31] Lucy ary izaho ary ireo mpankasitraka anareo rehetra izay miaraka aminareo aty amin'ny Talata Matavy faha-40 sy voalohany hatramin'ny nandanian'i Aostralia ny Fanambadiana itovian'ny rehetra.

Tsy ny olon-drehetra no mankafy izany, indrindra fa ireo izay manome tsiny azy noho ny fanadihadiana am-paositra “tsy ilaina [34] izay talohan'ny fifidianana ny fanambadian'ny mitovy taovam-pananahana tao amin'ny parlemanta:

@TurnbullMalcolm [35] Fanevatevana Lehibe Faharoa Ho an'ny Vondrom-piarahamonina #LGBTQI [36] Taorian'ny Fifidianana ny #MarriageEquality [37] (Fitovian-jo amin'ny mariazy), “Noho ny #MardiGras [20] no nahatonga ny olana ara-pitiavako amin'i Lucy ” https://t.co/b30n8M2UuG [38]@randlight [39]@nobby15 [40]@RBJRON [41]@lynlinking [42]@housinghellcom [43]@WhteRbbnAdvocat [44]@davidbewart [45]#auspol [46]

Nandefa raki-tsary [48] ny sary tamin'ny alina ny pejy Facebook-n'ny Sydney Gay sy Lesbiana Talata Matavy:

Raki-tsary lehibe antserasera voalohany amin'ny sarin'ny DIABE ao amin'ny pejy Facebook, mbola maro no ho avy.

Ara-dalàna ny mamarana izany amin'ny sary orizinalin'ny 78ers:

Sydney Gay and Lesbian Mardi Gras 78ers [1]

Mardi Gras 78ers Pelaka sy Lesbiana ao Sydney. Sary avy amin'ny pejy Facebook an-dry zareo nopihan'i Jeffrey Feng Photography, nahazoana alalana.