- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Zaridaina’ Ifarimbonana Ahafahanao Mitety Izao Tontolo Izao Amin'ny Alalan'ny Fandaharana Amin'ny Radio

Sokajy: Eoropa Andrefana, Holandy, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Rising Voices

Pikantsarin'ny Radio Garden, sehatra an-tserasera nanome fahafahana ho an'ny mpihaino mba hiditra amin'ny onjam-peo an'arivony manerana izao tontolo izao nanomboka tamin'ny taona 2016.

Misy ny tontolon'ny feo tsara trandrahana, ary ahafahanao manao izany ny tetikasa an-tserasera iray avy any Holandy.

Hatramin'ny faramparan'ny taona 2016, mampifandray ireo mpihaino amin'ny lisitra fampielezam-peo tsy mitsaha-mitombo manerana izao tontolo izao ny Radio Garden [1].

Tsotra tahaka ny fahitana azy ny “interface (tava ifandraisana)” : sarintany ifarimbonana ahitana teboka maitso izay maneho tanàna samihafa. Tsindrio eo, ary hampifandraisina amin'ny iray amin'ireo onjam-peo ao amin'ny faritra nofidiana ianao. Mety ho tafalatsaka amin'ny filazam-baovao avy any Tonga ianao; fomba fanao mahazatra izay mampitony ny mpihaino Iraniana mandritra ny ora maro amin'ny alina; na iray amin'ireo onjam-peo vitsivitsy izay manohy mameno ny onja ao an-tanànan'i Aleppo ao Syria.

Tsindrio ny safidy “Tantara(History)” ao amin'ny Radio Garden mba halefa any amin'ny ampahany manan-danja amin'ny fandaharana amin'ny onjam-peo manan-tantara ao amin'ny firenena. 

Zava-misongadina hafa tsara ho fantatra ny “History”, izay mampiseho ny mozika nentim-paharazana sy  fandaharana manan-tantara ao amin'ny firenena; ny fizarana “Jingles (feon-kira famantarana)”, izay araka ny anarany, manome topi-maso momba ireo feon-kira famantarana malaza amin'ny onjam-peo ao amin'ny tanàna iray; ary ny safidy “Tantara” izay manome tantara voalohany avy amin'ny fandraisana anjaran'ny vahoaka amin'ny onjam-peom-piarahamonina. Mitondra anao indray any amin'ny faritra samihafa manerantany izany, na izany ny renivohitra Taiwaney, Taipei na ny metropolis any Sydney, Aostralia.

Ity misy horonantsary Youtube izay mampiseho ny Radio.Garden eo am-perinasa:

Ny Institute for Sound and Vision (Ivontoerana ho an'ny Feo sy ny Sary [2] any Holandy no tompon-kevitra tamin'ity tetikasa ity, izay eo ambany ny fitarihan'i Golo Föllmer avy amin'i Oniversite Martin Luther any Halle-Wittenberg. Niantehitra tamin'ny fahaiza-manaon'ireo orinasan'ny famoronana roa eo an-toerana, Studio Puckey sy Moniker izy, izay nanapa-kevitra fa ny fomba tsara indrindra hanaovana ny asa dia ny mamorona sarintany feno tsy misy sisintany na anaran-tanàna.

Tamin'ny voalohany, nahasarika saina marobe tao amin'ny media sosialy ny Radio Garden.  Nilaza tamin'ny The Guardian  [3]ny iray tamin'ireo mpanangana azy, Jonathan Puckey fa gaga tamim-pifaliana tamin'ny resadresaka hitany momba ity tetikasa ity izy:

On Reddit, it prompted a really sweet discussion, with people talking about their first contact with radio, or grandparents who had worked in radio during the second world war.

Niteraka fifanakalozan-dresaka tena izy tao amin'ny Reddit, ao ireo olona miresaka momba ny fifandraisana voalohany amin'ny onjam-peo, na ray aman-drenibe izay niasa tamin'ny onjam-peo nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.

Feno teny fampaherezana sy fanohanana ihany koa ny pejy Facebook manokan'ny  [4]tetikasa, ao koa ireo mpiserasera avy amin'ny sarangam-piainana samihafa manome fankasitrahana.

Ankoatra ny tranonkala, ny Garden Garden dia manana rindrambaiko ho an'ny fitaovana iOS [5] sy Android [6], izay ahafahan'ireo mpiserasera mihaino ny fandaharana fidian'izy ireo araka izay tiany – na dia ao anatin'ny torimaso/faharendrehana (mode veille) aza ny findain'izy ireo.