- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miteraka Fandrahonana Lehibe Ho An'ny Tontolo Iainana Ny Fitrandrahana Fasika Ao Oganda

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana

Pikantsary tamin'ny lahatsary YouTube avy amin'ny NTV Uganda, mampiseho ny ampahan'ny fihadian-tany ao amin'ny faritra mando Lwera.

Milaza ireo mpiaro ny tontolo iainana any Ogandà fa atahorana noho ny fandavahana [1] hakana fasika ny lemaka lehibe manamorona ny lalambe mampifandray ny renivohitr'i Kampala amin'ny atsimo andrefan'ny tanànan'i Masaka.

Ny lemak'i Lwera dia tany lemaka ahitana renirano maro mikoriana mankao amin'ny Farihy Victoria, ka ilaina amin'ny fanadiovan-drano ny fasika. Ahitana karazan-tany sy rano ao aminy, ary misy ny ahiahy fa ny fandavahana, izay mahatratra 12 metatra mahery ny halaliny, dia mety manova na manimba ny toeram-ponenan'ny trondro izay iankinan'ny fiveloman'ireo mpanjono eo an-toerana.

Atahorana ho tondra-drano ihany koa ny lalana Kampala-Masaka, araka ny fampitandremana tao amin'ny Twitter avy amin'ny Fihaonambe ho an'ny Fampandrasoana ny Andrenivohitra sy ny Fotodrafitrasa:

Manao ahoana ny haavon'ny rano eo amin'ny Farihin'i Victoria sy ny tany mandon'i Lwera izay hanakana ny rano tsy ho tondraka ao amin'ny arabe sy ny faritra? Misy ve ny fanadihadiana momba ny rano sy ny jeolojia alohan'ny fitrandrahana fasika mba hamaritana izay mety ho loza eny amin'ny  làlambe?

Misy ny fitsipika ao an-toerana izay mifehy ny fitrandrahana fasika. Saingy tsy manana teti-bola handoavana ireo manampahefana mpanara-maso  [1]ny Fahefam-panjakana Ho An'ny Fitantanana ny Tontolo iainana (NEMA).

Nihevitra  [3]ny filohan'ny vaomiera parlemantera momba ny harena voajanahary, Alex Byarugaba fa nanampy tamin'ny tsy fahavitan'ny  NEMA ny asany amin'ny fiarovana ny tontolo iainana izany, ka namela ireo orinasa handrava ny toeram-ponenan'ireo karazam-biby an-tanety sy anaty rano:

NEMA is duty bound to regulate activities that happen on wetlands but because of the organization’s reluctance, environmental degradation is on the increase around areas where sand mining is being carried out such as the shores of Lake Victoria and Lwera

Ny NEMA dia manana adidy hifehy ireo zava-misy mitranga any amin'ny faritra mando, saingy noho ny tsy firaharahian'ny fikambanana, mitombo ny fanimbàna ny tontolo iainana manodidina ny faritra izay misy fitrandrahana fasika, tahaka ny ao amin'ny amoron'ny Farihy Victoria sy Lwera

Tsy dia misy ihany koa ny fikasana hampitsahatra ny fitrandrahana satria mety manakana  [4]ny “famoronana asa” izany, hoy ireo mpanohana. Nilaza ny minisitra Ogandey miandraikitra ny rano sy ny tontolo iainana fa noho izany antony izany, tsy mety atsahatra ireo orinasa mpitrandraka fasika, na dia manizingizina aza izy fa tokony hanao izany amin'ny fomba sahaza ny orinasa rehetra.

Araka ny filazan'ny [1] gazety Daily Monitor, marobe ireo manampahefam-panjakana avy ao amin'ny NEMA no tao amin'ilay toerana mba hampiato ny fandavahana lalina hatramin'ny 12 metatra mahery, saingy niato ny asan'izy ireo noho ny tsy fisian'ny famatsiam-bola:

So far, according to Ayazika Waiswa, the Nema environment monitoring and compliance director, the mining companies in the areas have contravened their license obligations.

Most of the sand companies, according to Waiswa are scooping sand 12 meters underneath instead of the recommended three meters which enables easy regeneration of the resource.

“Through our routine inspections, we came and stopped them [sand miners] but later, our officers withdrew due to financial constraints and they [miners] came back,” Waiswa, said during a Nema board inspection recently.

But that is not the only violation; “…among the conditions we set out, they were not supposed to do mining in 200 meters from the road but they are not complying,” Waiswa, adds.

Dredging the sand 200 meters towards the highway puts the busy road, which connects Uganda to Tanzania on the brink of soil erosion through constant flooding and degradation.

Hatramin'izao, araka ny filazan'i Ayazika Waiswa, talen'ny fanaraha-maso sy fanarahan-dalàna momba ny tontolo iainana ao amin'ny Nema, nanitsakitsaka ny adidiny momba ny fahazoan-dalàna ireo orinasan'ny fitrandrahana ao amin'ny faritra. Araka ny filazan'i Waiswa, mandavaka fasika hatramin'ny 12 metatra ambany ny tany ny ankamaroan'ny orinasan'ny fasika raha tokony ho telo metatra izay ahafahana mamerina mora kokoa ny loharano ihany no tokony atao. “Tamin'ny alàlan'ny fanaraha-maso mahazatra nataonay, tonga izahay ary nanajanona azy ireo [ireo mpitrandraka fasika], saingy taty aoriana, niala ireo mpiasanay noho ny antony ara-bola ka niverina indray ireo [mpitrandraka],” hoy i Waiswa, nandritra ny fanaraha-maso nataon'ny Nema vao haingana. Saingy tsy izany ihany no fanitsakitsahana nisy, “… tamin'ireo fepetra napetrakay, tsy tokony hanao fitrandrahana anatin'ny 200 metatra miala ny arabe izy ireo saingy tsy nanaja izany,” hoy i Waiswa nanampy. Ny fandavahana fasika anatin'ny 200 metatra miala ny làlambe dia mahatonga ny arabe be mpandeha, izay mampifandray an'i Ogandà amin'i Tanzania ho eo am-bavan'ny fahapotehan'ny tany amin'ny alàlan'ny tondra-drano sy ny fakaohana tsy miato.

Mpisera Twitter Moriati X nametraka fanontaniana tamin'ny Polisy Oganda momba ny fanambaran'izy ireo izay milaza fa ny fiara rehetra feno entana dia tsy maintsy manana fahazoan-dàlana hitondra entana. Nanaraka azy izany rehefa nahita nitondra fiara feno fasika avy any Lwera (izy).

Ahoana ireo remorka hitanay nitondra fasika ho an'ny hazo manga tao lwera. Niditra an-tsehatra ve ianareo? Manontany fotsiny

Ankoatra izany, Tsikaritra [5] tamin'ny fitrandrahana fasika ao amoron'ny Farihin'i Victoria ny orinasa Shinoa fantatra amin'ny anarana hoe Mango Tree (Hazo Manga).

Voampanga amin'ny fanaovana fitrandrahana fasika tamin'ny alàlan'ny fahazoan-dàlana hanamboatra sambo ao amin'ny farihy ny Hazo Manga. Araka ny fanambarana avy amin'ny NEMA:

a criminal case was opened against Mango Tree following a tip off that a large ship on Lake Victoria had been mining and dumping sand at Miami Beach in Luzira.

nosokafana ny raharaha heloka bevava hamelezana ny Hazo Manga taorian'ny fanambarana fa manao fitrandrahana sy mandraraka fasika ao amin'ny Tora-pasika Miami ao Luzira ny sambo lehibe iray tao amin'ny Farihy Victoria.

Tamin'ny vaovao tao amin'ny NTVUganda, mpikambana ao amin'ny parlemanta sady mpikatroka John Baptist Nambeshe nilaza kolikoly ho toy ny fomba iray nahazoan'ny orinasa fahazoan-dalana.

Na dia nanasonia fifanarahana ara-tontolo iainana maro manerantany tamin'ny Firenena Mikambana toy ny UNCBD [6] ho an'ny Zavamananaina, UNFCCC [7] ho an'ny Fiovaovan'ny Toetr'andro, UNCCD [8] ho an'ny Haintany, Ramsar Convention [9] ho an'ny Faritra mando sy ny sisa maro hafa [10] aza i Oganda, tsy nahavita niaro tamim-pahombiazana sy niantoka ny fampiasana maharitra ny loharanon-karena ara-tontolo iainana ny governemanta Ogandey.

Mpanao gazety sady tantsaha Brian Luwaga ao amin'ny twitter mihevitra fa mampalahelo tanteraka izany (“kitalo nnyo” any Luganda dia midika hoe “mampalahelo na ratsy” izany):

Ahoana ny fomba nandravan'ireo mpitrandraka ny Tany mandon'i Lwera. Kitalo nnyo